Tendrombohitra Roa Ambin' Ny Folon' Imerina

Ny tendrombohitra roa ambin’ ny folon' Imerina dia havoana manan-danja ara-tantara ho an' ny Merina.

Manerana an' Imerina no nisy ireo havoana ireo, izay matetika niorenan' ny renivohitry ny fanjakana tamin' ny andron' ny mpanjaka merina, na toerana nahaterahan' ireo olo-manan-kaja, na toerana misy ny fasan' ny mpitondra ara-pôlitika na ara-panahy. Ny andiana havoana masina voalohany dia nofaritan' Andrianjaka, mpanjaka merina tamin' ny taonjato faha-17. Nohamafisina indray io hevitra io tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-18 tamin' ny andron' ny mpanjaka Andrianampoinimerina, izay nanolo havoana vaovao tamin' ireo toerana teo aloha. Toerana maherin' ny 12 araka izany no voatondro ho masina rehefa nandeha ny fotoana, na dia nitoetra aza ny filazana hoe "tendrombohitra masina roa ambin' ny folo", noho ny maha-zava-dehibe ny isa 12 amin' ny kôsmôlôjia malagasy. Amin' izao fotoana izao dia tsy misy porofo mivaingana momba ny maha zava-dehibe teo aloha ny maro amin' ireo toerana ireo, saingy ny lova arkeôlôjika sy ara-kolontsaina manan-danja eo amin' ny toerana maromaro dia voatahiry. Ny maha zava-dehibe ara-tantara an' ireo toerana ireo dia asehon' ny Rovan' Antananarivo eo Analamanga, ny tanàna mimanda eny Alasora, ny trano sy fasan' ny andriana ao Antsahadinta, ary ny rova ​​sy lapa eny Ambohimanga, voaaro amin' ny maha Lova Iraisam-Pirenen' i UNESCO azy, nanomboka tamin' ny taona 2001.

Ireto ny vohitra sy havoana mana-danja kokoa noho ny sasany: Alasora, Ambohidrabiby, Ambohidratrimo, Ambohimanga, Analamanga, Antsahadinta, Ikaloy, Ilafy, Imerimanjaka, Imerimandroso, ary i Namehana.

Indraindray dia voatsiahy koa ireto vohitra manaraka ireto: Ambohijoky, Antongona, Androhibe, Ampandrana, Ambohimalaza, Hiarandriana, Ambatomanohina, Ambohidrapeto, Fenoarivo, Iharanandriana, Ambohidrontsy (Ambohihontsy, Ambohimanambola), Ambohitrondrana, Amboatany, Ambohiniazy, Ambohijafy, ary Ambohimandranjaka.

Jereo koa

Tags:

AlasoraAmbohimangaAnalamanga (havoana)AndrianampoinimerinaAndrianjakaAntsahadintaImerinaMerinaRovan' AntananarivoUNESCO

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Aberdeen, South DakotaFandriam-pahalemanaSoavalyEorôpaFilazantsara sinôptikaLetôniaFamoronana (finoana sy fedrà)IsraelyFiteny malagasyMatoatoaKharg (nosy)Mats Hummels19541974OzbekistànaJohann Wolfgang von GoetheSokyHypertext Markup LanguageAlakaosyVintanaAntandroySeleokosy IFiangonana kalkedônianaVolanaFanahin' ny vatanaAdaoroEvekaTetiandro gregôrianaBolgariaRepoblikan' i Madagasikara (1992-2009)SaryLalànaFanonganam-panjakanaFisoronana sy fanalana vintanaFanahy Masina (kristianisma)2004ZanabintanaFiteny nôrvezianaMadagasikaraTononkaloMozika1960AhidamboFanandevozanaFilazantsara araka an' i LiokaFanambaràna ny hevitry ny nofyTeôlôjia dôgmatikaMahabad, IsfahanGoogleDidy FoloLisbonAnaranaMontanaPaskaSolombavambahoakaVintana (finoan-drazana malagasy)ZavakantoSoson-drivotry ny tanyKolontsaina malagasyFaritany AmerikanaFiteny samôrôTanora Malagasy VononaFilazantsaraLimaOnjan-dranoRanoPalmdale, KaliforniaBokin' i EzekielaPersiaAsorotanyZairaFanenomanaBetelaFahasalamana6 AogositraLambamena🡆 More