Tendrombohitra Hôreba

Ny Tendrombohitra Hôreba dia toerana voalaza ao amin'ny Bokin'ny Deoterônômia ao amin'ny Baiboly izay nanoloran'Andriamanitra an'i Mosesy (na Môizy) ny Didy Folo.

Lazaina hoe "Tendrombohitr'Andriamanitra" koa io toerana io ao amin'ny Bokin'ny Eksôdosy sy ny Boky voalohan'ny Mpanjaka. Teo koa no voalaza fa toerana nihaonan'ny mpaminany Elia tamin' Andriamanitra.

Tendrombohitra Hôreba
Ny Tendrombohitra Horeba na Sinay

Ny anaran'ilay tendrombohitra

Ao amin'ny Baiboly

Tendrombohitra Hôreba 
Nikapoka ny vatolampy teo amin'ny Tendrombohitra Horeba i Mosesy. Gustave Doré. 1865

Ny teny hoe Horeba dia fanagasiana ao amin'ny Baiboly amin'ny teny malagasy ny anarana hoe χωρηβ / Khorêb ao amin'ny Baiboly jiosy amin'ny teny grika atao hoe Septoajinta na Septanta na ny hoe חֹרֵב amin'ny teny hebreo.

Tendrombohitra Hôreba 
Ilay roimemy mirehitra - Sébastien Bourdon - taonjato faha-17.

Fiforonan-teny

Misy ny mihevitra fa midika hoe "midorehitra" na "hafanana" izay mety mampahatsiahy ny Masoandro, fa ny hoe Sinay kosa dia mety avy amin'ny anarana hoe Sin, andriamanitra Volana nivavahan'ny Someriana , ka noho izany ny hoe Sinay sy Horeba dia mety ho ny tendrombohitry ny Volana sy ny Masoandro.

Hôreba sa Sinay ?

Ny soratra sasany ao amin'ny Baiboly dia mitantara ireo zava-nitranga ireo tao amin'ny Tendrombohitra Sinay (na Sinaia), ka na dia heverina ho anaran-toerana iray ihany ny hoe Horeba sy Sinay dia misy ny mihevitra fa toerana roa samy hafa ireo. Araka ny petra-kevitra ara-tahirin-kevitra dia vokatry ny tsy maha mpanoratra ny Pentateoka an'i Mosesy no nahatonga io tsy fitoviana io.

Ny fandinihana nataon'ireo mpikaroka dia milaza fa olona efatra samy hafa no nanoratra ny Pentateoka: ny roa mampiasa hatranihatrany ny anarana hoe Sinay fa ny ny roa hafa mampiasa ny hoe Hôreba, dia ireo atao hoe Elôhista sy Deoterônômista.

I Hôreba ao amin'ny Baiboly

Isan'ny andalana itrangan'ny anarana hoe Hôreba ao amin'ny Baiboly ireto tanisaina manaraka ireto:

Tendrombohitra Hôreba 
I Elia tao an-tany efitra - tainjato faha-15 - mozean'i Yaroslavl.

Ao amin'ny Bokin'ny Eksodosy

  • Eks. 3.1: I Mosesy sy ilay roimemy mirehitra.
  • Eks. 17.6: Nikapoka ilay harambato teo amin'ny Tendrombohitra Hôreba i Mosesy mba hampifantsintsitra ny loharano raha nangetaheta nila rano ny Zanak'i Israely.
  • Eks. 33.6: Teo amin'i Hôreba no nanesoran'ny Zanak'i Israely ny firavaka teny aminy noho ny alahelony vokatry ny fahatezeran'Andriamanitra amin'izy ireo.

Ao amin'ny Bokin'ny Deoteronomia

  • Deo. 1.2; 1.6; 1.19: Ny anarana hoe Hôreba no ampiasaina hilazana ny fivezivezen'ny Zanak'i Israely tao amin'ny tany efitra.
  • Deo. 4.10; 5.2; 9.8; 18.16; 28.69: Teo amin'ny Tendrombohitra Hôreba no nadraisan'i Mosesy ny Didy Folo avy amin'Andriamanitra.

Ao amin'ny Boky voalohan'ny Mpanjaka

  • 1Mpanj. 19. 8: Teo amin'ny Tendrombohitra Hôreba no nihaonan'i Elia tamin' Andriamanitra.

Jereo koa:

Loharano sy fanamarihana

Tags:

Tendrombohitra Hôreba Ny anaranilay tendrombohitraTendrombohitra Hôreba I Hôreba ao aminny BaibolyTendrombohitra Hôreba Jereo koa:Tendrombohitra Hôreba Loharano sy fanamarihanaTendrombohitra HôrebaBaibolyBokin'ny EksodosyBoky voalohan'ny MpanjakaDidy FoloEliaMosesyMôizy

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

ImanoelaFijyEglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)Repoblikan' i Madagasikara (1992-2009)Boky faharoan' i HenôkaHaikyuISO 4217Tanindrazana, Fahafahana, FandrosoanaBordeauxFehezantenyAristôtyEndrika araka anjara asaFiteny malagasyPort-au-PrinceTantaran' i MadagasikaraBritaina LehibeEpikan' i GilgamesaFampakaram-badyApôkalipsa Gnôstikan' i PieraFandroahana fanahy ratsyFihavananaBokin' i IsaiaRangitaAmerikaFasanaFahefana mpanatanteraka03 janvier 2016Fivavahan-drazana malagasyIndiaFahaterahanaHovaBaiboly amin' ny teny malagasy1853NikôdemôsyIowaNofyKantoMumbaiKabary am-panambadianaFiteny anglisyMorondavaApôkalipsin' i Pseodô-MetôdiôsyGovernemantaDrônaHasinaSun Yat-senVaryItaliaTsy feteza-matyBiôgrafiaKristianisma eto MadagasikaraEvan'ny zodiakaFiteny tamilyFanjanahantanyLalan-jazaShanghaiAndriamanitra (ankapobeny)FanahyOniversiteVolana (fotoana)RFifohazana (kristianisma malagasy)AdaoroFamadihanaAurangzebAveloReniranoTantaran' i EtazoniaBayer 04 LeverkusenDokuWikiMisiona Evanjelika Teratany eto MadagasikaraAlakaosyPaoly (apôstôly)Kinshasa🡆 More