Tena Fiangonan' I Jesoa

Ny Tena Fiangonan' i Jesoa dia fiangonana pentekôtista onitariana tsy miankina niorina tany Beijing, any Sina ny taona 1917.

Ny pasitera Yung-Ji Lin no voafidy ho mpitandrina hitantana ily fiangonana ankehitriny. Manodidina ny 1,5 tapitrisa ny isan' ny mpino izay misandrahaka eran' ny kôntinanta enina. Niainga avy tamin' ny sampana pentekôtista ao amin' ny fivavahana kristianina, ary avy tao Sina izy. Atao hoe 真耶穌教會 / Zhēn Yēsū jiàohuì ity fiangonana ity amin' ny teny sinoa fa True Jesus Church kosa amin' ny teny anglisy, nefa nantsoina hoe International Reformed Jesus True Church izy tamin' ny 1914, fotoana nananganana azy.

Tena Fiangonan' I Jesoa
Tena Fiangonan' i Jesoa any Tonga

Foto-kevi-dehibe dimy

Ireto no foto-kevi-dehibe dimy iorenan' ny Tena Fiangonan' i Jesoa:

Fanahy Masina

Ny fandraisana ny Fanahy Masina, miseho ivelany amin' ny alàlan'ny fitenenana amin' ny fiteny tsy fantatra, no ahazoana antoka ny fandovàna ny Fanjakan' ny Lanitra (Rômana 8:16; Efesiana 1:13-14).

Fanaovam-batisa

Ny batisan' ny rano no sakramenta famelan-keloka. Eny amin' ny toerana ahitana rano velona toy ny renirano na ny ranomasina no anatanterahana izany. Ny mpanao batisa, izay efa vita batisa sady efa nandray ny Fanahy Masina ihany koa, dia manao batisa amin' ny anaran' ny Tompo Jesoa Kristy. Ilay olona atao batisa kosa dia tsy maintsy alentika manontolo any anaty rano, miondrika ny lohany ary ny tarehiny no ambany (Jaona 3:5; Matio. 3:16; Asan' ny Apôstôly 2:38, 10:48).

Fanasàn-tongotra

Ny sakramentan' ny fanasan-tongotra no ahafahan' ny olona anankiray miray amin' ny Tompo Jesoa. Ilaina ihany koa io mba hampatsiahy mandrakariva fa ilaina foana ny fitiavana, fahamasinana, fanetren-tena, famelan-keloka ary fanampiana ny hafa. Izay mandray ny batisa amin' ny rano dia tsy maintsy sasana amin' ny anaran' i Jesoa Kristy koa ny tongony. Afaka tanterahina ihany koa ny fanasan-tongotra faobe amin' ny fotoana maha-mety azy. (Jaona 13:1-7)

Fanasan' ny Tompo

Ny fandraisana ny Fanasan' ny Tompo no sakramenta ahatsiarovana ny nahafatesan' i Jesoa Kristy. Andraisana ny nofo sy ny ran' ny Tompo izany sady ahafahana miray aminy mba hananana ny fiainana mandrakizay sy mba hatsangan-ko velona amin' ny Andro Farany. Tokony hatao matetika araka izay tratra io sakramenta io. Iray tokana ihany ny mofo tsy misy masirasira sy ranom-boaloboka ampiasaina amin' izany. (1Kôrintiana 10:17, 11:26; Jaona 6:53; Marka 14:24-25).

Andro Sabata

Ny Andro Sabata, ny andro fahafito amin' ny herinandro (Asabotsy), dia Andro Masina, voatahy sady nohamasinin' Andriamanitra. Hajaina izany amin' ny alalan' ny fahatsiarovana ny famoronan' Andriamanitra izao tontolo izao sy ny famonjeny azy ary amin' ny fanantenana ny fiadanana mandrakizay ho avy. (Fiandohana 2:2-3; Hebreo 4:9-11)

Fototra folon' ny finoana

Taty aoriana, tamin' ny taona 1980 dia niampy ireo foto-kevi-dehibe ireo ka nanjary lasa fototra folon' ny finoana:

Jesoa

I Jesoa Kristy, ilay Teny tonga nofo, maty teo amin' ny hazo fijaliana ho famonjena ny mpanota, natsangana ho velona tamin' ny andro fahatelo ary nakarina ho any an-danitra. Izy no hany Mpamonjy izao tontolo izao, Mpamorona ny lanitra sy ny tany, ary Tena Andriamanitra Tokana. (1 Timôty. 3:16; 1 Kôrintiana. 15:3-4; Asan' ny Apôstôly 4:12).

Ny Baiboly

Ny Baiboly Masina, fitambaran' ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao, izay tenin' Andriamanitra, no hany ahitana ny fahamarinana sady marina, ary fototry ny fiainana kristianina. (2 Timoty. 3:16).

Famonjena

Ny Famonjena dia omen' Andriamanitra am-pitiavana amin' ny alalan' ny finoana. Ny fiankinan' ny mpino amin' ny Fanahy Masina no hahafahany manana ny fahamasinana, manome voninahitra an' Andriamanitra ary mitia ny olona manontolo (Efesiana. 2:8).

Ny Fiangonana

Ny Tena Fiangonan' i Jesoa Marina, natsangan' ny Tompo Jesoa Kristy, tamin' ny alalan' ny Fanahy Masina nandritra ny "fara-orana", no tena fiangonana nitsangana avy tamin' ny Fiangonana tamin' ny andron' ny Apôstôly (Joela 2:23; Amosa 9:11).

Fiaviana Faharoa

Ny Fiavian' ny Tompo Faharoa dia hiseho amin' ny Andro Farany rehefa hidina avy amin' ny lanitra Izy hitsara izao tontolo izao: ny marina handray ny fiainana mandrakizay, ary ny mpanota kosa ho voaozona mandrakizay. (Matio 25:31-34; 1 Tesalôniana. 4:16-17).

Ity no dikan-teny malagasy, dika malalaka avy amin' ny teny anglisy, ary io dika amin' ny teny anglisy io kosa dia neken' ny fivoriambe fahasivy an' ny Tena Fiangonan' i Jesoa Marina, natao tamin' ny volana Mey 2005.

Finoana hafa

  • Ity fiangonana ity dia tsy mankalaza ny Krismasy, satria ny 25 Desambra, hoy ny fampianarany, dia fomba jentilisa fankalazana ny nahaterahan' ny Masoandro, ary natsofoka teo amin' ny fiangoanana kristianina hafa nandritra ny nanjakan' i emperora rômanina Kônstantino I tamin' ny taonjato faha-4 taor. J.K. Ambarany koa fa i Jesoa dia tsy nibaiko velively ny mpianany hankalaza ny fahaterahany.
  • Tsy ankalazaina ihany koa ny Zoma masina satria aminy dia fety jentilisa koa no fotony.

Jereo koa

Tags:

Tena Fiangonan' I Jesoa Foto-kevi-dehibe dimyTena Fiangonan' I Jesoa Fototra folon ny finoanaTena Fiangonan' I Jesoa Jereo koaTena Fiangonan' I Jesoa1917BeijingFiteny anglisyFiteny sinoaKontinentaKristianismaPentekôtismaPentekôtisma onitarianaRepoblika Entim-Bahoakan' i Sina

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Natalie Portman1971Fitsarana faranyBaiboly Dikanteny Iombonana Eto MadagasikaraMpampiankin-tenyRosiaFanekem-pinoana nikeanaAndrianampoinimerinaShikohabadKhadija al-SalamiNew YorkTanindrazana, Fahafahana, FandrosoanaTononkaloBatisaFilazantsara araka an' i JoanyBokin' i EzekielaBayer 04 LeverkusenAbidy araboTantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i KôngôTom KilburnAmalonaAnjara asa (fitsipiteny)Ratsiraka DidierRadama VoalohanyTantaran' i EtazoniaMadagasikaraAntesakaSamuel Ratany1912Sakafo malagasyDistrikan'i FianarantsoaAlahamadyLibiaHannah HarperNtaoloMenakaIndôneziaBareinaFiangonan' i Jesoa Kristy eto MadagasikaraHovaApôkrifan' ny Testamenta VaovaoFahefana Avon' ny TetezamitaFanambaràna ny hevitry ny nofyLahatra (finoana malagasy)SokelaFiainana aorian' ny fahafatesanaRirininaApôkalipsy faharoan' i JakôbaInjenieriaTsindrimandry (fivavahana)MerinaApôkrifan' i JoanyEpikan' i GilgamesaFanjanahantanyMetôdiôsy avy any ÔlimpôsyMandravasarotraTwitterFiteny antemoroFivavahan-drazana afrikanaBokin' i HenôkaTsirintenyEpistily voalohany ho an' ny KôrintianaKanadaFanahy (kolontsaina malagasy)Boky fahadimin' ny MakabeoAlemainaSakramenta ao amin' ny prôtestantismaJodaismaRepoblikan' i Madagasikara (1992-2009)Ady an-trano🡆 More