Teôkrasia

Ny teôkrasia dia fitondram-panjakana mahazo fahefana avy amin' ny andriamanitra na amin' Andriamanitra.

Amin' izany dia ny andriamanitra na Andriamanitra tenany, na ny fahatongavany ho nofo, na ny solontenany, na ny mpitondra fivavahana, no tompon' ny fahefana. Araka ny hevitr' i Flavio Jôsefa, ao amin' ny atao hoe teôkrasia dia Andriamanitra mihitsy no mitondra ka tsy tokony hisahirana amin' ny pôlitika ny mpino. I Mosesy no nitondra ny vahoaka nefa Andriamanitra no manjaka ary ny teniny no lalàna.

Teôkrasia
Mosesy mitazona ny Vatofisaky ny Lalàna, nataon'i José Ribera, taona 1638.

Tamin' ny taonjato faha-19 ny teny hoe teôkrasia dia matetika nampiasaina hiresahana ny fitondrana ara-pôlitika miorina amina foto-kevitra ara-pivavahana na tantanina mpitondra fivavahana. Ampiasaina indrindra io teny io amin' izao hanondroana ny fifangaroan' ny pôlitika sy ny fivavahana ka ny Fiangonana no tompon' ny fahefam-panjakana.

Ilay mpanavao fiangonana Jean Calvin tamin' ny taonjato faha-15 sy ilay olom-panjakana sady miaramila atao hoe Olivier Cromwell tamin' ny taonjato faha-16 dia nanandrana hametraka fitondrana teôkratika.

Avy amin' ny teny grika hoe θεοκρατία / theokratia, izay midika ara-bakiteny hoe "fitondran' andriamanitra" na "fanapahan' andriamanitra", ny hoe teôkrasia. Fikambanan' ny anarana hoe θεός / theos "andriamanitra" sy ny matoanteny hoe κρατέω / krateo "mitondra" na "manapaka" ny hoe θεοκρατία.

Loharano sy fanamarihana

Tags:

Andriamanitra (ankapobeny)Andriamanitra (tokana)Fahatongavana ho nofoFlavio JôsefaMosesyPôlitika

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Zanatanin' i Madagasikara sy ny tany miankinaBob KhannaNofyDokuWikiFahefana Avon' ny TetezamitaGovernemantaEpikan' i GilgamesaFanandroanaAlahasatyAlakaosyThe Coca-Cola CompanyKôrea AtsimoWashington D.C.Repoblikan' i Madagasikara (1992-2009)SakarahaVoahangyFanomezana fiton' ny Fanahy MasinaAmerikaMozikaFamoranaEpistily voalohany ho an' ny KôrintianaFanagasianaPaoly (apôstôly)Vondrom-bokin' i Nag HammadiVarotraMetôdiôsy avy any ÔlimpôsyApôkrifan' i JoanyApôkalipsin' i Pseodô-MetôdiôsyVoankazoAlahamadibeFitsarana faranyZhuge LiangFiteny japôneyFitsipi-pitenenanaFiteny jeôrjianaEvanjelin' i BarnabàN74Faritany eto MadagasikaraEvan'ny zodiakaWikimaniaRalambo1971Amerika LatinaFiangonana Malagasy Tranozozoro AntranobirikyPôlitika eto MadagasikaraPrôtektôrata Frantsain' i MadagasikaraShanghaiAljeriaSilamoFaritra Atsimo-AndrefanaIndôneziaAsan' ny ApôstôlyKabary tera-baoFihafanan'ny tanyLokangaVolana (fotoana)Vadin' i MohamadyFizaràn-taonaTantaran' i EtazoniaFitenim-paritra malagasyKristianisma eto MadagasikaraRSSBoky voalohan' ny MakabeoAmalonaTononkaloMerinaMandravasarotraFiteny anglisyAntandroyFiteny tsovasaKinshasaFanahy Masina (kristianisma)MenakaH🡆 More