Taratasin' I Lentolosy

Ny Taratasin' i Lentolosy dia epistily na taratasy tsyfanta-piaviana nipoitra voalohany tany Italia tamin' ny taonjato faha-15.

Voalaza fa nosoratan' ny manam-pahefana rômana atao hoe Pobiosy Lentolosy (Publius Lentulus) ho an' ny Senata Rômana, nitovy fotoana nahavelomana amin' i Jesoa na Jesosy ity taratasy ity, ary manome fanazavana momba ny toetra ara-batana sy ny maha izy an' i Jesoa. Araka ny Asan' i Aogosto Masina dia kônsoly rômana tamin' ny fotoana nanapahan' i Aogosto (27 tal. J.K. - 14 taor. J.K.) i Publius Lentulus, izay noheverina ho governoran' i Jodea na Jodia teo talohan' i Pôntio Pilato na governoran' i Siria.

Taratasin' I Lentolosy
Ny Taratasin' i Lentolosy (ankavia) sy sarin' i Jesoa. Tranombakokan' ny trano fihibohana Mb Katerina

Ny fanoritsoritana voalohany ao amin' ny literatiora momba an' i Kristy, izay azo antoka fa avy amin' ny fampitana am-bava sy mifandray amin' ny angano, dia tsy nisy talohan' ny taonjato fahenina. Ity Taratasin' i Lentolosy ity, izay asasoratra apôkrifa nosoratana tsy talohan' ny taonjato faha-13, no malaza indrindra amin' izy ireo. Mety ho nisy fiantraikany teo amin' ny fomba nampisehoana an' i Jesoa ara-batana teo amin' ny zavakanto ilay taratasy.

Tags:

AogostoEpistilyItaliaJesoaJodeaPôntio PilatoSiria (faritra)

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

PôetaRepoblika MalagasyaterinetoBoky voalohan' ny MakabeoFaritra ItasyFizaràn-taonaTakarazukaFiangonana Loterana Malagasy1385ElektrônaGrahamstownSorabeTantaran' i MadagasikaraBoulogne-BillancourtKatesizin' ny Fiangonana KatôlikaRepoblika Demôkratika MalagasyMôldaviaAmbinanitrombyHarin-karena faobeDokuWikiVarahinaSonismaRSSFitsipi-pitenenanaNjakatianaVezoKabary famangianaRenyKabary tera-baoMeyBaiboly prôtestanta amin' ny teny malagasySakalavaAntenimieraDonatelloFamadihanaFiteny neerlandeyAmbaratonga faharoa fototraTanàna any MadagasikaraTany1426Kianjan' i MahamasinaRioSetrokaIràkaFifohazana ManolotronyAviavy1710TSingaporoAdaloGovernemantaBelo sur MerDistrikan'i BenenitraAlahasatyKomranoFiteny newariArsevekaAngatra (aretina)VahoakaFanjakan' ImerinaFilazantsara araka an' i LiokaKristiana any AtsinananaAratraArjentinaAbidy Ara-drafipeo Iraisam-pirenenaSampy (malagasy)Lee De ForestJean NarivonyFiarahamoninaEspainaKantoKafe (fisotro)🡆 More