Taontaonkafa

Ny taontaonkafa na taotaonkafa na kankafotra dia vorona madinika, iray karazana amin'ny toloho.

Na eto Madagasikara aza no tena ahitana azy dia hita any Afrika Atsimo, any Zambia, any Malaoy, any Borondy, any Roanda, any Oganda, ary any amin'ny Repoblika demokratikan'i Kongo koa ny kankafotra. Mirefy eo amin'ny 28 sm eo ny halavany.

Taontaonkafa
Taotaonkafa

Famaritana

Taontaonkafa 
Taotaonkafa

Izao no amaritan'i Rajemia-Raolisona Régis azy ao amin'ny Rakibolana Malagasy:

"Karazam-borona ohatra ny voromailala ny habeny, vasobaso-bolo, mitovy amin' ny toloho ny bikan' ny tenany fa ny toloho menamena, malaza amin' ny fanenony tsy miova ary tsy diso fotoana (amin' ny fiandohan' ny lohataona sy fahavaratra) ka nahatonga ilay fitenenana hoe: "Volan-kankafotra ka ny omaly tsy miova ihany". (Anaran-kafa iantsoana azy koa: Taontaonkafa)".

Anarany

Ny anarany siantifika dia Cuculus rochii. Amin'ny teny frantsay izy dia atao hoe Coucou de Madagascar, fa amin'ny teny anglisy kosa dia atao hoe Madagascan cuckoo na Madagascar lesser cuckoo.

Ohabolana momba ny kankafotra na taontaonkafa

  • Hoatry ny volan' ny kankafotra, ka ny omaly tsy miova.
  • Kankafotra aho : manambara taona, fa tsy hitsabo.
  • Tsy ny fahamaroan' ny vorona, fa ny kankafotra mahalala taona.
  • Tsy ny fahamaron' ny vorona, fa ny kankafotra no famantaran-taona.
  • Volan' ny kankafotra, ka ny feo omaly tsy miova.
  • Volan-kankafotra ka ny omaly tsy miova ihany.

Loharano sy fanamarihana

Tags:

Taontaonkafa FamaritanaTaontaonkafa AnaranyTaontaonkafa Ohabolana momba ny kankafotra na taontaonkafaTaontaonkafa Loharano sy fanamarihanaTaontaonkafaAfrika AtsimoBorondyMalaoyOgandaRepoblika demokratikan'i KongoRoandaZambia

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Saint-Bonnet-de-ChavagneFivavahanaFanekem-pinoanaHipôlito (mpanoratra)AlakaosyGeorg BrintrupZambiaAljeriaWaseca, MinnesotaLimaNGC 4088TobilehibeFifandraisan-davitraKolontsaina ao GabônaAngôvoEsnesMarkus NetelerAlan ArkinGünter WillumeitBoky deoterokanonikaSiramamyTeófilo CubillasTriniteAzia AtsimoFanavakavaham-bolon-koditraDemôkrasiaMisterin' ny PaskaLe PlantayPaddingtonWayback MachineRota (Baiboly)CoahuilaWilliam III an'i AngleteraFitrandrahana alaJeanne d'ArcAlice WalkerMaligny, Côte-d'OrFaritra BetsibokaAlohotsyNevada City, KaliforniaGregor MendelAntefasyAllainFilazantsara araka an' i JoanyGnôstisismaRadama VoalohanySakramenta ao amin' ny fiangonana katôlikaEvekaKabaryZanatenyFady (malagasy)Mpiandry tsara1910Siméon Rajaona1894Burgoon, Ohio1523John E. BlahaMichel Angelo MorelliAostraliaFiteny latinaWailly-BeaucampEpistilyCraintilleuxLewis Weston DillwynSonyLa Neuve-GrangeGadsden, AlabamaRaúl CárdenasCharles Franklin KetteringFilazantsara araka an' i MarkaVerrey-sous-DréePascagoula, MississippiEpistemôlôjiaDidy Folo🡆 More