Tanimaty

Ny tanimaty dia midika toerana na velarana tsy mamoka-javatra, noho ny taniny tsy afaka ambolena voninkazo, na noho ny hakely ny ranonorana (latsaky ny 250 mm isan-taona).

Tanimaty
Dongom-pasiky ny Lohasahan'ny Faty
Tanimaty
Tanimatin'i Atacama
Tanimaty
White Sands National Monument

Ny tanimaty dia fantatra amin'ny endriny tsy misy zavamaniry firy amin'ny velarana lehibe. Ny tanimaty dia any ivelan'ny toerana ipetrahana sy ambolen'ny olombelona.

Tanimaty vovoka sy vato

Ao amin'ny tanimaty misy vovoka sy vato dia azo lazaina :

  • Ny tanimatin'i Sahara, any Afrika avaratra,
  • Ny tanimatin'i Sahel, ao atsimon'ny tanimatin'i Sahara
  • Ny tanimatin'i Gobi, any Azia atsinanana, any Mongolia sy any avaratry ny Sina
  • Ny tanimatin'i Mojave, any Kalifornia, any Etazonia
  • Ny tanimatin'i Namib, any Namibia any atsimon' Afrika
  • Ny tanimatin'i Kalahari, ao Botswana any atsimon' Afrika.
  • Ny tanimatin'i Taklamakan
  • Ny tanimatin'i Atacama
  • Ny Lohasahan'ny Faty (Death Valley)

Ny tanimaty dia toerana mety tsy misy biby na olona. Tsy voatery ho mafana akory izy ; ny Antarktika izao ohatra dia tanimaty mangatsiaka. Ny tanumaty koa dia toerana misy zavamaniry tsy avo, miparitadritaka, toy ny tanimatin'i Thar sy ny tanimatin'i Karakum.

Tondro

Tanimaty 
Sary avy amin'ny zanabolana maneho ny albedo ambony an'i Sahara

Ny hamaina dia ny havitsy ny rano mikasika faritany iray. Izy io dia tsy miankina amin'ny hafanana : misy noho izany toerana maina sy mangatsiaka (any amin'ny tendrontany ohatra). Refesina ny ambaratongan'ny hamaina ny faritany iray arakaraky ny famantarana ny hamaina mandrefy ny elanelana amin'ny EVP na évapotranspiration potentielle sy ny latsakorana.

Amin'ny ankapobeny, ny tanimaty dia voatondro :

  • Amin'ny latsakorana vitsy sady tsy manara-pizaram-potoana : mety tsy avy ny orana mandritry ny taona maro.
  • Amin'ny ranonando amin'ny maraina dia matetika loharano tokana azo ampiasain'ny zava-miaina eo an-toerana.
  • Amina fietona ngeza nohon'ny latsakorana
  • Amin'ny elanelan-kafanana ngeza be ao anelanelan'ny maraina sy ny alina
  • Amin'ny rivotra tsy mitsahatra ary mafy (na dia amin'ny alina aza)
  • Amin'ny tany manify sy mahantra
  • Amin'ny zavamaniry vitsy, iva ary kely lazaina hoe gzerofita misy zavamaniry matavy.
  • Amin'ny zavamisy vitsy, kely hakitroka, ahitana bibikely, hala, biby mandady, ary vorona mihaza amin'ny alina.
  • Amin'ny hakitrory ny mponina ambany

Jereo koa

Rohy ivelany

Tanimaty 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Tags:

Tanimaty vovoka sy vatoTanimaty TondroTanimaty Jereo koaTanimaty

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Fiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto MadagasikaraAntambahoakaFanomezana fiton' ny Fanahy MasinaGoavyBokin' ny MakabeoTantaran' ny kristianismaLisitry ny filohan' i MadagasikaraFiteny kantôneyOhabolanaFiteny sakalavaVintana (finoan-drazana malagasy)AnganoFasanaFiteny nizerô-kôngôleyISO 3166-1Ntaolo1997Andriamanitra (ankapobeny)Andriantompokoindrindra (foko)FahafatesanaMediaWikiFanahyMandravasarotraBaiboly amin' ny teny malagasyApôkalipsin' i JoanyAndriamanitra (tokana)Wiki FoundationHannah HarperFaritra AnalamangaRatsimilahoJean-Joseph RabeariveloBoky faharoan' i HenôkaSôlômônaAlahamadibeAntesakaTantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i KôngôWikipediaEpikan' i GilgamesaAndrianjakaWikiaTodyAhidamboFiteny aostrônezianaFiadiana ny tompondaka eran-tany ho an’ny kitra 20141912Fiainana aorian' ny fahafatesanaFandikan-tenyOmbyFanandroana malagasyEvanjelin' ny Roa ambin' ny foloAlakaosyAveloFiteny tamilyRepoblika Demokratika MalagasyRioApôkrifan' i JoanyAostralia13 desambra 1991Fivarotana andevoRalaimongo JeanAlakaraboFahaleovantenaToetanin-jana-pehin-tanyFrantsaLloyd KaufmanNizeriaPrôtestantisma eto Madagasikara🡆 More