Tantaran' I Etazonia

Rehefa tonga tao Jamestown (tanàna ao Virginia) ny voanjo anglisy voalohany tamin' ny taona 1607, dia vitsy mponina ny Kôntinenta Amerikana nandritra ny an' arivony taona maro, ary tsy nisy mponina afa-tsy ny Amerindiana.

Ny faritra misy an’ i Etazonia ankehitriny dia nozanahin' ny firenena eorôpeana isan-karazany nanomboka tamin' ny taonjato faha-17 (i Espaina, ny Fanjakana Mitambatra, i Frantsa (Frantsa Vaovao). Te hanafaka ny tenany tamin' i Britaina Lehibe sy hanangana fanjakana an' ny tenany manokana ny mponin' ny zanatany telo ambin' ny folo ka nanambara ny fahaleovantenany tamin' ny taona 1776. Taorian' ny ady ho an' ny fahaleovantena izay nahomby, dia namorona firenena vaovao izy ireo izay nantsoiny hoe "Etazonian' i Amerika" (anglisy: United States of America), nampitambatra ny fanjakana telo ambin' ny folo, dia i New Hampshire, i Massachusetts, i Connecticut, i Rhode Island, i New York, i New Jersey, i Pennsylvania, i Delaware, i Maryland, i Virginia, i North Carolina, i South Carolina ary i Georgia. Taorian' izay, nitombo ny tanim-pirenen' i Etazonia tamin' ny fampidirana fanjakana vaovao (ohatra, ny fividianana an' i Louisiana, ny ady nifanaovan' ny Meksikana sy ny Amerikana, ny fividianana an' i Alaska, sns) hizay nitohy atramin' ny taonjato faha-20.

Tantaran' I Etazonia
Sainan' i Etazonia

Na dia nandalo ady an-trano tany am-piandohan' ny taompolo 1860 aza i Etazonia dia nandroso haingana noho ny fidiran' ny mpifindra monina eorôpeana tamin' ny taonjato faha-19. Tamin' ny faran' ny Ady Lehibe Voalohany dia i Etazonia no lasa firenena matanjaka indrindra eran-tany, nihoatra ny firenena lehibe indrindra tany Eorôpa. Tsy niala tamin' io laharana io izy taorian' izay, ka lasa mpitarika ny "tontolo malalaka" taorian' ny Ady Lehibe Faharoa. Na izany aza, ny fahareseny tamin' ny fiafaran' ny ady tany Vietnamy tamin' ny taona 1975 dia niteraka fanohintohinana ny fahatokisan-tenan' ny Amerikana, na dia nanampy ny fitazonana ny fanjakazakany teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena sy ny toerana misy azy ny faharavan' ny Vondrona Sôvietika tamin' ny fiandohan' ny taompolo 1990.

Vanimpotoana prekôlômbiana (talohan' ny taona 1492)

Fiavian' ny Amerindiana

Tsy mbola mikatona ny adihevitra momba ny fiaviana sy ny daty nahatongavan' ny Amerindiana any Amerika Avaratra. Hita tamin' ny fikarohana arkeôlôjika fa efa nisy mponina ny faritra atsinanana amin' i Etazonia 12 000 taona mahery izay, fa mety efa 30 000 taona mahery kosa ny fahatongavan' ny mponina voalohany tao amin' ilay kôntinenta. Nanomboka tamin' ny taona 1927, ny rijan-kevitra eken' ny besinimaro indrindra dia ny fifindran' ny vahoaka aziatika 12 000 taona lasa izay namakivaky ny andilan-dranomasin' i Bering. Na izany aza, ny fikarohana arkeôlôjika sasany natao tato anatin' ny taona vitsivitsy dia manome todika vaovao momba ny dingan' ny fiorenam-ponenana talohan' ny tantara tany Amerika Avaratra. Ny mpahay siansa sasany dia mihevitra fa mety nisy vahoaka hafa tonga tany amin' ny morontsiraka avaratra, 17 000 taona talohan' ny androntsika, nandritra ny faharavan' ny ranomandry tany amin' ny faritra avaratra. Ny manam-pahaizana hafa dia mino fa ny mponina voalohany dia niampita ny Ranomasimbe Pasifika tamin' ny sambo mba ho tonga tany Amerika Atsimo aloha.

Ny sivilizasiôna talohan' ny fanjanahan-tany

Talohan' ny nahatongavan' ny Eorôpeana dia nisy sivilizasiôna maromaro nivoatra teo amin' ny tanin' i Etazonia amin' izao fotoana izao: ny Mound Builders dia nametraka ny dongom-pasana (tumulus) voalohany tamin' ny 3 400 tal. J.K. Tamin' ny taonjato faha-12, ny tanànan' i Cahokia, any akaikin' i Saint-Louis, dia nisy mponina 15 000 ka hatramin' ny 30 000 teo ho eo sy 120 dongom-pasana.

Na dia eo aza ny fahasarotana amin' ny fametrahana antontan' isa, ny ankamaroan' ny mpahay tantara dia miombon-kevitra amin' ny fanombanana ny mponina tompontany tany amin' ny faritra misy an' i Etazonia ankehitriny ho 7 ka hatramin' ny 8 tapitrisa, tamin' ny taona 1492. Tamin' ny taonjato faha-16, ny tany ao atsinanan' ny Tendrombohitra Be Harambato (anglisy: Rocky Moutains) dia nonenan' ny Amerindiana: ny Seiena (Cheyena), ny Absarôka (Crow), ny Ôtsety Sakôina (Sioux), ny Oendata (Wendat), ny Irôkoa (Iroquois), ny Tserôky (Cherokee) ary ny Moskôge (Creeks) izay mpihaza ombidia bizôna nefa koa manao fambolena, fiotazana voankazo an' ala, fiompiana ary jono. Ny Irôkoa dia mipetraka ao amin' ny lohasahan' i Saint Lawrence (frantsay: Saint-Laurent), ao amin' ny faritry ny farihy Erie sy Ontario, ao amin' ny lohasahan' ny ony Hudson ary any amin' ny faritra andrefana amin' ny tandavan-tedrombohitra Appalaches. Mizara ho fokom-pirenena (tribu) lehibe enina izy ireo.

Fokon' ny mpiandry omby sy mpamboly, ny Apasa (Apaches), ny Kômantsa (Comanches) na Poeblô (Pueblos), no nonina tao amin' ny Tendrombohitra Be Harambato (Rocky Moutains).

Vanimpotoan' ny fanjanahan-tany (1492-1775)

Fahitan' ny Eorôpeana voalohany an' i Amerika

Tantaran' I Etazonia 
I Christophe Colomb

Nahita ny Kôntinanta Amerikana i Christohpe Colomb (italiana: Cristoforo Colombo) tamin' ny taona 1492, ary avy eo nizaha ny zava-misy tany amin' ny faritra misy an' i Pôrtô Rikô ankehitriny tamin' ny taona nanaraka.

Ny mpiondrana an-tsambo eorôpeana izay nandeha taorian' i Christophe Colomb, dia tonga teo amin' ny morontsirak' i Amerika Avaratra dia ireo Venisiana atao hoe Giovanni Caboto (frantsay: Jean Cabot) sy i Sebastiano Caboto (frantsay: Sébastien Cabot) tamin' ny taona 1497; nandeha an-tsambo araka ny fanirahan' i Henry VII mpanjakan' i Angletera izy ireo ary nahita ny nosy Newfoundland (frantsay: Terre-Neuve) ka nijery sy nandinika ny zava-misy tao amin' ny morontsirak' i Labrador sy ny an' i New England (frantsay: Nouvelle-Angleterre). Ilay Espaniôla atao hoe Juan Ponce de Léon dia nahita an' i Florida (any Etazonia) tamin' ny taona 1513. I ilay Flôrentina atao hoe Giovanni da Verrazano tamin' ny taona 1524, izay nandeha an-tsambo araka ny fanirahana nataon' i François I, mpanjakan' i Frantsa, dia nizaha sy nandinika ny zava-misy tany amin' ny morontsirak' i Atlantika avy ao Carolina Atsimo (anglisy: South Carolina) ka hatrany Maine; avy eo ilay Frantsay atao hoe Jacques Cartier tamin' ny taona 1534 dia nahita ny vinanin-dranomasin' i Saint Laurent (anglisy: Saint-Lawrence River, any Kanada ankehitriny). Izy rehetra ireo dia samy nikaroka ny lalana an-dranomasina ao avaratr' izao tontolo izao izay azo ankanesana any amin' ireo Indian' i Atsinanana sy any Sina.

Ny Eorôpeana voalohany mpandinika tany (Robert Cavelier de La Salle, Sir Walter Raleigh, Hernando de Soto) izay niditra tao amin' ny tanin' i Amerika tamin' ny taonjato faha-16 sy faha-17 dia nifanena tamin’ ny mponina teratany vitsy. Tombanana ho an-tapitrisany vitsivitsy izy ireo, ary azo inoana fa avy any Azia, namakivaky ny andilan' i Bering, 40 000 tany aloha (dia ny Amerindiana).

Nifandray sy nivarotra amin' ny tompon-tany ny Fotsy Hoditra. Ny fifampikasohana amin' ny Eorôpeana dia niteraka loza ho any mponina tompon-tany: fidiran' ny mikrôba tsy fahita tao taloha sy aretina vaovao (ny gripa, ny kitrotro, ny nendra, sns), fakan' ny Eorôpeana an-kafetsena sy an-kerisetra ny tany, fanimbana ny kolontsain' ny tompon-tany (fisotroan-toaka, fampiasana basy). Ny aretina avy any Eorôpa sy ny fandripahana ary ny ady dia nampihena hatramin' ny 95 % tamin' ny isan' ny mponina tompon-tany tamin' ny fanjanahantany.

Fanombohan' ny fanjanahan-tany eorôpeana

Tantaran' I Etazonia 
Fanjanahan' ny Eorôpeana an' i Amerika Avaratra tamin' ny taona 1750

Nanomboka tamin' ny faran'ny taonjato faha-16 ny fanjanahan' ny Eorôpeana an' i Amerika Avaratra. Tamin' ny taonjato faha-16 dia niondrana an-tsambo ny Eorôpeana nitady lalana an-dranomasina any avaratra-andrefana sy harena ary nanorim-ponenana nanaraka ny morontsirak' i Atlantika. Nifanarakaraka tonga ny Espaniôla, ny Anglisy, ny Frantsay, ny Hôlandey ary ny Skandinaviana. Tany avaratra-andrefana dia nanorim-ponenana teo amin' ny morontsirak' i Pasifika ny Rosiana. Nandritra ny taonjato faha-17 sy faha-18 dia firenena telo no tena natanjaka tamin' ny fanjanahan-tany: i Espaina sy i Frantsa ary i Angletera.

Fanjanahan-tany espaniôla

Nanomboka tamin' ny taona 1565 ny fonenan' ny Eorôpeana maharitra voalohany, tamin' ny fananganan' ny Espaniôla an' i Saint-Augustine (Florida). Nanitatra ny fanjakazakany amin' ny faritra misy an' i Florida, an' i Texas, an' i California izy ireo, ary avy eo tamin' ny ampahany be amin' ny faritra andrefana amin' i Etazonia. Tany atsimo-andrefana ny Espaniôla dia nanitatra an' i Espaina Vaovao (espaniôla: Nueva España) tamin' ny fanaovana diabe avy any Meksika.

Ny toeram-pandraharahana malaza sy tranainy indrindra dia ny an' i Saint Augustine (Florida, 1565), Jamestown (1607) ary Plymouth (naorin' ireo Ray mpivahiny masina (anglisy: Pilgrim Fathers) poritana tamin' ny taona 1620).

Fanjanahan-tany britanika

Nanjanaka ny faritra amin' ny morontsirak' i Atlantika, izay lasa foibe ara-pôlitika sy ara-kolontsainan' i Etazonia tatỳ aoriana ny Anglisy. Nandritra ny taonjato faha-17 sy faha-18 dia niforona tsikelikely ny Zanatany Britanika telo ambin' ny folo tany amin' ny morontsiraka atsinanana (i New Hampshire, i Massachusetts, i Connecticut, i Rhode Island, i New York, i New Jersey, i Pennsylvania, i Delaware, i Maryland, i Virginia, i North Carolina, i South Carolina ary i Georgia), izay hikambana ka lasa Etazonia aty aoriana. Ny fanjanahana ny tany dia niantohan' ny kômpania sy ny fametrahana dina. Nizaha zava-misy any amin' ny lohasahan' i Mississippi ny Frantsay ary nanorina an' i Louisiana (frantsay: Louisiane). Vetivety dia nanjary nifaninanana sy niadian' ny firenena mpanjanaka i Amerika Avaratra: nametraka tsikelikely ny fahamboniany ny Fanjakan' i Angletera (izay lasa Britaina Lehibe tamin' ny taona 1707 taorian' ny fanakambanana azy amin' i Ekôsy) tamin' ny fandresena amin' ny ny ady nifanandrinan' ny Anglisy sy ny Hôlandey ary avy eo tamin' ny Ady Fito Taona (1763) tamin' i Frantsa, izay namoizany ny tany fananany any atsinanan' ny Mississippi.

Ny mpifindra monina britanika sy ny varotra andevo no tena nampisy ny mponina. Ny andevo mainty hoditra dia niasa any amin' ny toeram-pambolena paraky any atsimo sy niasa koa tamin' ny fampandrosoana ny fotodrafitrasa. Manodidina ny taona 1775 dia  niroborobo ny toekaren' ny zanatany telo ambin' ny folo ary nisy mponina maherin' ny roa tapitrisa tao amin' izy ireo.

Ny fanjanahan-tany frantsay

Ny Frantsay dia nanomboka nanorim-ponenana tany Kanada (fanorenan' i Samuel de Champlain ny tanànan' i Québec tamin' ny taona 1608) avy eo nanorina an' i Louisiane izay tany midadasika (tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-18), nahafaoka ny faritry ny Farihy Lehibe (anglisy: Great Lakes) sy ny lohasahan' i Mississippi manontolo (tamin' ny dia lavitra nataon' i Jacques Marquette sy Louis Jolliet tamin' ny taona 1673 sy ny dia lavitra nataon' i Robert Cavelier de La Salle tamin' ny taona 1669 hatramin' ny 1682).

Revôlisiôna, fahaleovan-tena, andrim-panjakana vaovao (1776-1800)

Ny revôlisiôna sy ny ady ho an' ny fahaleova-tena

Tantaran' I Etazonia 
Boston Tea Party

Nandritra ny taompolo 1770 dia nitombo hatrany ny fanoheran' ny voanjo amerikana ny firenena niaviany any Eorôpa: nolavin' i Lôndra tsy nomena azy ireo ny tanin' ny Indiana any andrefan' ny tendrombohitra Appalaches. Nitombo ny hetra nefa tsy nanana solontena ao amin' ny Antenimiera britanika ny olom-pirenena amerikana. Nampijaly ny mpivarotra any amin' ny morontsiraka atsinanana ny fisian' ny ampihimamba amin' ny fividianana sy ny fivarotan' ny firenena mpanjanaka (frantsay: exclusif colonial). Nalefa tany Amerika ny andian-tafika vaovao ary niforona any New England sy any Philadelphia ary any Virginia ny hetsika revôlisiônera. Tamin' ny taona 1770 dia notifirin' ny miaramila britanika (izany ny fandringanana tao Boston) ny mpanao fihetsiketsehana. Tamin' ny Desambra 1773 dia natsipy sy nopotehin' ny voanjo ny entana dite tao anaty sambo (izany no atao amin' ny teny anglisy hoe Boston Tea Party): nipoaka amin' izay ny ady ho an' ny fahaleovantena tamin' ny taona nanaraka.

Fanambaràna ny fahaleovantena

Tantaran' I Etazonia 
Sainan' i Etazonia (taona 1777-1795)

Ny mpikomy dia nandefa solontena ho any amin' ny Kôngresy Kôntinentaly (anglisy: Continental Congress) izay nankasitraka ny lahatsoratry ny anambaràna ny Fahaleovantenan' i Etazonia tamin' ny 4 Jolay 1776. Ity lahatsoratra ity, izay nosoratan' i Thomas Jefferson, dia manambara ny fotopotony momba ny fahafahana, momba ny fitoviana ary momba ny zo hikatsaka fahasambarana.

Tantaran' I Etazonia 
Thomas Jefferson

Ny Fanambaràna ny Fahaleovatena amerikana ihany koa no nanorina firenena voalohany afaka amin' ny fanjanahantany, na dia tsy nanaiky izany aza i Britaina Lehibe tamin' ny voalohany. I Marôka no firenena voalohany nanaiky ny fahaleovantenan' i Etazonia, tamin' ny taona 1777.

Tantaran' I Etazonia 
George Washington

Nandritra ny ady dia olona an' arivony izay tsy nivadika (anglisy: Loyalists) tamin' ny fahefana britanika no nandositra an' ilay firenena. Ny tafika amerikana, izay nampian' i Frantsa (sy i Espaina ary i Nederlandy), notarihin' i George Washington, dia nandresena ny Britanika tamin' ny farany; ny fifanarahana tany Paris (anglisy: Treaty of Paris) dia nosoniavina tamin' ny taona 1783, izay naneken' i Britaina Lehibe ny fahaleovantenan' i Etazonia, sady namarana ny ady.

Ireo rijanteny manan-tantara

Ny Kôngresy Kôntinentaly Faharoa, izay nanamafy ny Lalàm-panorenan' ny Kônfederasiôna (anglisy: Articles of Confederation and Perpetual Union) tamin' ny taona 1781, dia namolavola ny Lalàm-panorenan' i Etazonia tamin' ny Fifanarahana tao Philadelphia (anglisy: Philadelphia Convention) tamin' ny taona 1787. Ity lahatsoratra ity, izay nampiana fanitsiana folo (Fanambaràna ny Zo, na Bill of Rights amin' ny teny anglisy) tamin' ny taona 1789 (nankatoavina tamin' ny tamin' ny taona 1791), dia mbola mijanona ho fototry ny demôkrasia amerikana ankehitriny. I George Washington no voafidy ho filoham-pirenena amerikana voalohany tamin' ny taona 1789. Niorina tanteraka tao an-tanànan' i Washington ny andrim-panjakana rehetra tamin' ny taona 1800.

Ny Fanambaràna ny Fahaleovanten' i Etazonia (anglisy: United States Declaration of Independence) sy ny Fanambaràna ny Zon' ny fanjakan' i Virginia (anglisy: Virginia Declaration of Rights), ary ny Fanambaràna ny Zo (anglisy: United States Bill of Rights) tamin' ny taona 1789 dia nisy fiantraikany tamin' ireo izay nampandry an-tsoratra ny "Fanambaràna ny Zon'  Olombelona sy ny an' ny Olom-pirenena" tamin' ny taona 1789 (frantsay: Déclaration des droits de l'homme et du citoyen de 1789). Tamin' ny taonjato faha-19 sy faha-20 dia nanao môdely an' io lahatsoratra io koa ny mpitarika ny fitakiana fahaleovantena toa an' i Ho Chi Minh tay Vietnamy nandritra ny fanafahana amin' ny fanjanahantany.

Ny fametrahana ny andrim-panjakana

Latsaka haingana ao anatin' ny toe-draharaha ara-pôlitika sy ara-toekarena sarotra ilay firenena vaovao. Kely fahefana loatra ny governemanta federaly. Vetivety dia niharihary ny filana fametrahana governemanta foibe. Nisy ny Fifanarahana momba lalàm-panorenana teo ambany fitarihan' i George Washington.

Tantaran' I Etazonia 
I Alexander Hamilton tamin' ny taona 1792.

Ny lalàm-panorenan' i Etazonia vaovao, nakana tahaka avy amin' ny asasoratr' i James Madison, i Alexander Hamilton ary i James Wilson, dia nolaniana tamin' ny 17 Septambra 1787. Nitandrina ny fahaleovantenan' ny fanjakana telo ambin' ny folo ity fivoriambe ity raha nanangana fahefana federaly, izay mahefa eo amin' ny sehatry ny varotra amin' ny any ivelany, ny fiarovana sy ny pôlitika ivelany, ary koa teo amin' ny sehatry ny fifandraisana eo amin' ny samy fanjakana. Mba tsy hanjakazakan' ny fanjakana lehibe amin' ny fanjakana madinika dia nisy ny fanapahan-kevitra momba ny fitovian' ny isan' ny solontena ao amin' ny Antenimieran-doholona na Senate (toerana roa isaky ny fanjakana) sy ny isan' ny solontena mifandanja amin' ny halehiben' ny fanjakana ao amin' ny Antenimieram-pirenena (Chambre des représentants).

Napetraka ny fisarahan' ny fahefana (mpanatanteraka sy mpanao lalàna ary mpitsara). Nosoniavin' ny fanjakana iraika ambin' ny folo ny lalàm-panorenana vaovao tamin' ny taona 1788. Tsy nanao sonia an' ilay lalàm-panorenana ny fanjakan' i North Carolina raha tsy tamin' ny Novambra 1789 ary i Rhose Island raha tsy tamin' ny Mey 1790. Tamin' ny 4 Mars 1789 ny Kôngresin' i Etazonia voalohany no nivory tao New York. Tamin' ny 30 Avrily 1789 dia lasa filoham-pirenen' i Etazonia voalohany i George Washington. Tamin' ny taona 1791 dia nandany ny fanitsiana folo voalohany amin' ny lalàm-panorenana i Etazonia.

Ny fiainana ara-pôlitika

Antoko pôllitika roa no nandroso nandritra ny naha filoham-pirenena an' i George Washington, dia ny antokon' ny Federalista sy ny an' ny Repoblikana.

Tantaran' I Etazonia 
John Adams
Tantaran' I Etazonia 
James Madison

Ny Federalista, izay nosoloan' i George Washington sy Alexander Hamilton dia nankasitraka ny fanamafisana ny fahefana federaly. Notohanan' ny tompona taozava-baventy sy ny mpandraharaha any Avaratra izy ireo ka naharitra teo amin' ny fitondrana hatramin' ny taona 1801 tamin' ny fitondran' i John Adams mpandimby an' i George Washington. Ny filoham-pirenena federalista dia nisedra korontana anatiny (fikomian' ny Whisky tamin' ny taona 1794) sy fanoherana mavaivay nataon' ny Repoblikana (lalàna momba ny fikomiana sy ny vahiny).

Ny Demôkraty-Repoblikana, izay tsy nankasitraka ny fitsabahana be loatra ataon' ny fahefana foibe, dia nankasitraka ny famerana hentitra ny fahefana federaly. Nanaohana azy ireo ny mpanan-tany madinika any Atsimo sy any Andrefana. Ny Demôkraty-Repoblikana dia nahazo fitondrana tamin' ny naha lany filoham-pirenena an' i Thomas Jefferson ary nihazona ny fitondrana teo amin' ny mpandimby azy James Madison sy i James Monroe.

Tantaran' I Etazonia 
James Monroe

I James Monroe, tamin' ny fanambaràny ny fanoherany ny fitsabahan' ny Eorôpeana amin' ny raharaha anatin' i Etazonia (fotokevitr' i Monroe tamin' ny taona 1823), dia namaritra ny fotopototry ny pôlitikan' i Etazonia momba ny raharaha iarahana amin' ny firenena vahiny, hatramin' ny taonjato faha-20 (fiolonolonana). Noho ny fitaonan' i Andrew Jackson sy ny mpanampy azy John C. Calhoun dia niova anarana ho Antoko Demôkraty ny antokon' ny Demôkraty-Repoblikana tamin' ireo taona 1828-1830.

Fanitaran-tany, fisaraham-bazana, fiafaran' ny fanandevozana, fandrosoan' ny indostria (1800-1917)

Ny tantara amerikana tamin' ny taonjato faha-19 dia voamariky ny zava-nitranga lehibe efatra: ny fakana ny tany any Andrefana, ny fanandevozana any atsimo, ny fandrosoan' ny indostria ary ny fifindra-monina.

Fahazoana ny tany any Andrefana

Niitatra tsikelikely niankandrefana ny tanim-pirenena amerikana tamin' ny alalan' ny fividianana (Louisiana tamin' i Frantsa tamin' ny taona 1803, i Alaska tamin' i Rosia tamin' ny taona 1867) sy tamin' ny alalan' ny ady. Noho ny foto-pampianarana "Lahatra Miharihary" (anglisy: "Manifest Destiny") sy ny "petra-kevitra momba ny sisintany" miitatra hatrany (anglisy: "Frontier Thesis"), dia niady tamin' ny Amerindiana ny Amerikana ary niitatra miankandrefana ny taniny. Ny ady tamin' i Meksika (1846-1848) sy ny fifanarahana tao Guadalupe Hidalgo dia nitarika ny fanakambanana an' i Texas sy i Califoria amin' i Etazonia. Ny fifanarahana tao Oregon (1846) dia namaritra ny sisintany eo anelanelan' i Kanada sy i Etazonia any andrefan' ny Tendrombohitra Be Vatolampy. Nanafaingana ny fanjanahan-tany fotsy teo amin' ny tany Andrefana ny firohotana mankany amin' ny itrandrahana volamena (anglisy: Gold rush; frantsay: ruée vers l’or) tamin' ny tapaky ny taonjato faha-19. Tamin' ny taona 1859, ny fahitana ireo lalam-bolafotsy ambany tany lehibe indrindra teo amin' ny tantara dia niteraka firohotan' ny olona maro tany Nevada, tao amin' ny toeram-pitrandrahana volafotsy ao Comstock Lode. Farany, ny fanamboarana ny lalamby miampita kôntinenta voalohany (taona 1869) dia nanamora ny fampidirana tany vaovao. Ny fahazoana ny tany Andrefana dia nifarana tamin' ny fandripahana olona tao Wounded Knee (taona 1890), sy ny fampidirana an' i Hawaii (1898) sy an' i Arizona (taona 1912) ho isan' i Etazonia.

Tsy fitovian-kevitry ny Avaratra sy ny Atsimo

Tantaran' I Etazonia 
John Quincy Adams
Tantaran' I Etazonia 
Andrew Jackson

Tamin' ny taona 1829, i Andrew Jackson, izay tohanan' ny Antoko Demôkraty, dia nandimby an' i John Quincy Adams izay repoblikana teo amin' ny fitondrana an' i Etazonia. Teo anelanelan' ny taona 1834 sy 1836 dia nivondrona ny mpanohitra ny Antoko Demôkraty mba hanangana ny antoko Whig. Teo anelanelan' ny taona 1840 sy 1865 dia najakan' ny resaka momba ny fanandevozana, izay lohahevitra lehibe tsy nifanarahan' ny fanjakana any Avaratra sy ny fanjakana any Atsimo, ny ady hevitra pôlitika. Nentanin' ny fahitana fitaovana vaovao nandritra ny fanavaozana ny indostria ny faritra Avaratra-Atsinanana dia niaina fiakaran' ny toekarena. Noho ny pôlitikan' ny fiarovana ny toekarena anatiny (anglisy: protectionnism) dia niroborobo ny indostria tao New England (fanamboarana kofehy, fanamboaran-damba), ka nahatonga ny fiforonan' ny tanàndehibe. Ny lakandrano sy ny lalamby dia nanana anjara toerana lehibe amin' ny fivoaran' ny tanàndehibe toa an' i Boston, i New York, i Philadelphia ary i Baltimore, izay afaka nahazo mora foana ny vokatra sy ny tsena any Andrefana.

Nandritra izany fotoana izany dia niompana manokana tamin' ny famokarana paraky sy ny landihazo ny fanjakana Atsimo. Nampandroso ny toeram-pambolena midadasika ireo fanjakana ireo tamin' ny alalan' ny fitsentsefana ny herin' ny andevo mainty hoditra, ka nanamafy amin' ny alalan' izany koa ny toekarena miankina amin' ny fanandevozana izay takian' ny any Avaratra ny fanafoanana azy amin' ny anaran' ny demôkrasia. Noho izy mivelona amin' ny fivarotana landihazo dia nety amin' izy ireo ny fifanakalozana malalalaka (frantsay: libre-échange). Ny tsy fitovian' ny tombon-tsoan' ny any Avaratra (indostria sy fiarovana ny toekarena amin' ny any ivelany, ary fanafoanana ny fanandevozana) sy ny any Atsimo (fambolena sy fanandevozana ary fifanakalozana malalaka) dia nitombo, indrindra momba ny fanandevozana.

Ny Avaratra dia nihaniray saina amin' ny fanoherana ny fanandevozana, izay noleferin' ny Lalàm-panorenana. Tamin' ny fiafaran' ny taonjato faha-18 dia nitaky ny fanafoanana ny fanandevozana ny fanjakana rehetra any avaratr' i Maryland. Tamin' ny taona 1808 dia nandrara ny fanafarana andevo vaovao hidira ao Etazonia ny Kôngresy. Ny Atsimo kosa, izay niady mafy mba hitazonana ny fifandanjana eo amin' ny fanjakan' ny fahafahana sy ny fanjakana mpanandevo, dia nanomboka amin' ny hazakazaka hameno mponina ny faritra any Andrefana. Ny governemanta federaly, izay nitandro ny firaisana, dia nanolotra marimaritra iraisana (isan' izany ny marimarira iraisan' i Missouri tamin' ny taona 1820).

Tantaran' I Etazonia 
James Knox Polk

Nitombo hatrany ny tsy fitoviam-pomba fijery tamin' ny taompolo 1830, rehefa nipoaka ny ady teo amin' ny Atsimo sy ny Avaratra momba ny fahazoana alalana hanandevo tao amin' ny tany vaovao ao Andrefana (Texas, Oregon, California, ary New Mexico). Ny Atsimo dia niaro fatratra ny fampidirana an' i Texas mpankasitraka ny fanandevozana ho isan' ny fanjakana amerikana, ny Avaratra kosa nanohitra an' izany – tahaka ny antokon' ny Fahafahana (Liberty) izay niforona tamin' ny taona 1839, izay nitaky ny fanafoanana ny fanandevozana manerana an' i Etazonia. Tamin' ny farany i Texas dia tafiditra ho isan' ny fanjakana amerikana tamin' ny Desambra 1845 nefa mbola fanjakana mpanandevo, tamin' ny naha filoham-pirenena an' i James Knox Polk izay avy amin' ny antoko Demôkraty.

Fanafoanana ny fanandevozana

Nofoanana teo amin' ny ambaratonga federaly tamin' ny taona 1808 ny varotra andevo mainty hoditra ary nofoanan' ireo fanjakana ao Avaratra ny fanandevozana teo anelanelan' ny taona 1777 sy 1804, nefa nanohy niaro an' io fanao io ny tompon' ny tany fambolena midadasika any Atsimo. Teo anelanelan' ny taona 1801 sy 1815 ny ady roa tamin' ireo fanjakana barbareska (tanin' ny Ôtômana nefa tsy voafehiny) mba hiarovana ny sambo amerikana amin' ny jiolahin-tsambo barbareska izay misambotra ireo sambo ireo sy nanandevo ny tantsambo, ireo no ady voalohany nataon' i Etazonia ivelan' ny taniny.

Tantaran' I Etazonia 
Abraham Lincoln

Tamin' ny taona 1860, i Abraham Lincoln, kandidan' ny antoko manohitra ny fanandevozana, dia nandresy tamin' ny fifidianana filoham-pirenena: fanjakana mpanankasitraka ny fanandevozana fito no niala ary namorona ny Confederate States of America.

Ady fisaraham-bazana

Ny ady tao Fort Sumter (Avrily 1861) dia nanamarika ny fiandohan' ny ady an-trano fisaraham-bazana izay nahafaty olona 970 000 (3 % n' ny mponina amerikana), anisan' izany ny miaramila miisa 620 000. Nifarana ny ady tamin' ny taona 1865, izay nandresen' ny fanjakana any Avaratra, mpiaro ny varotra anatiny sy mpandala ny fitoviana eo anatrehan' ny lalàna, nanoloana ny fanjakana any Atsimo, izay mpankasitraka ny fifanakalozana ara-barotra malalaka sy ny fanandevozana.

Zava-nitranga taorian' ilay ady

Taorian' io fandresena io dia nisy fanitsiana telo tamin' ny lalàm-panorenana nolaniana mba hanafoanana ny fanandevozana, hanafahana ny andevo efatra tapitrisa, hanomezana azy ireo ny zom-pirenena sy ny zo hifidy. Saingy ny "lalàna Jim Crow" (anglisy: Jim Crow Laws) dia nampiditra ny fanavakavaham-bolon-koditra tany Atsimo, izay nanank-kery hatrany amin' ny taompolo 1950 sy 1960. Ny ady fisaraham-bazana koa dia nisy fiantraikany tamin' ny fanamafisana ny fahefana federaly.

Fitrandrahana ny tany sy fandrosoan' ny indostria

Nanomboka tamin' ny taompolo 1850 ny fampandrosoana ny indostria. Niteraka korontana tamin' ny firafitry ny mponina sy ara-toekarena ary ara-tsôsialy izany. Nihamaro sy nihalehibe haingana ny tanàn-dehibe amerikana. Nihafaingana sy niseho amin' ny fomba isan-karazany ny fifindra-monina. Tamin' ny faran' ny taonjato faha-19 sy ny fiandohan' ny taonjato faha-20, ny revôlisiôna indostrialy faharoa dia nisehoan' ny fiarahamonina anjakan' ny fanjifana sy ny fiarakodia. Ny trano mijoalajoala (anglisy: skyscrapers) voalohany dia naorina tao afovoan-tànan' i Chicago sy i New York.

Ny gazety an-tsoratra dia tafiditra tan-tranon' ny tokantrano maro noho ny fanontana lehibe azo natao vokatry ny famoronana milina mihodinkodina.

Ny fahasahiranana ara-toekarena lalina

Niara-dalana amin' ny fahasahiranan ara-toekarena mahery vaika (taona 1873 sy 1884 ary 1907) ny fanitaran-tany izany natao. Nandroso fatratra ny fanagonan-karena kapitalista ka niteraka fiforonan' ny fanjakazakan' ny orinasa matanjaka (anglisy: trusts) toy ny Standard Oil (tamin' ny taona 1882) sy ny U.S. Steel Corporation (tamin' ny taona 1901). Tamin' ny taona 1890 dia nampandany ny lalàna atao hoe Sherman Antitrust Act ny Kôngresy. Tamin' izany vanim-potoana izany ihany koa no nisehoan' ny sindikalisma amerikana izay niady indrindra ho an' ny fanatsarana ny tontolon' ny asa amin' ny orinasa (fanondrotana karama, fampihenana ny faharetan' ny fotoana iasana). Ireo fitakiana ireo dia niteraka ady tsy mbola nisy tahaka azy teo amin' ny tompon' ny fitaovam-pamokarana sy ny tontolon' ny mpiasa.

Teo anelanelan' ny taona 1886 sy 1887 dia nisy 3 000 ny fitokonana tao Etazonia, ka ny tena niteraka ra mandriaka dia ilay tao Homestead tamin' ny taona 1892. Nandritra ny fahasahiranana lalina ara-toekarena tamin' ny taona 1893 sy 1894 (fahabanky ropitry ny indrostria sy fidangan' ny vidim-piainana ary tsy fananana asa) dia nisy fitokonana vaovao nataon' ny mpiasa, nahery vaika koa, tao Chicago nataon' ny Sindikan' ny Lalamby Amerikana (Syndicat des chemins de fer américains) tamin' ny taona 1894. Etsy an-daniny, ny mpamboly tany Andrefana, izay bokan-trosa sy tsy nankasitraka ny sakana amin' ny alalan' ny fadin-tseranana, dia naneho ny tsy hafaliany tamin' ny alalan' ny hetsika momba ny fananan-tany Granger, izay niely izaitsizy tamin' ny taompolo 1870.

Ny fiandohan' ny imperialisma

Nanohy ny pôlitikan' ny fiolonolonana (isolationnism) ny filoham-pirenena repoblilkana ka tsy nifarana izany raha tsy tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-20.

Tantaran' I Etazonia 
William McKinley

Tamin' ny taona 1867 anefa dia nividy an' i Alaska tamin' i Rosia i Etazonia. Avy eo, tamin' ny fitondran' i William McKinley (1897-1901) dia nanomboka nampandroso ny pôlitikan' ny fanjakazakana an-tanin' olona (imperialisma) i Etazonia. Taorian' ny ady nifanandrinan' i Espaina sy i Etazonia (mpandresy tamin' izany) tamin' ny taona 1898, dia lasa teo ambany fifehezan' i Washington i Pôrtô Rikô sy i Guam ary i Filipina, izay ny sisa tamin' ny Empira Espaniôla mpanjana-tany, ary nametraka an' i Kiobà ho prôtektôrata eo ambany fiahiany.

Tamin' ny Septambra 1901 dia nisy namono ny filoham-pirenena McKinley ary i Theodore Roosevelt, izay filoha lefitra, no nandimby azy. Niitatra nankany Amerika Afovoany (fidirana an-tsehatra tao Saint-Domingue tamin' ny taona 1905) sy tany amin' ny faritr' i Pasifika ny fanjakazakan' i Etazonia. Nanaja ny pôlitikan' ny tsy fitsabahana nofaritan' ny fotokevitr' i Monroe tamin' ny taona 1823 anefa izy, afa-tsy tamin' ny fandraisany anjara tamin' ny fihaonambe tao Algésiras momba an' i Marôka tamin' ny taona 1906, ary tamin' ny nisahanany ny anjara asan' ny mpanelanelana tamin' ny ady nifanandrinan' i Rosia sy i Japàna tamin' ny taona 1904 sy 1905.

Ny fitondran' i Theodore Roosevelt sy i Wilson

Tantaran' I Etazonia 
Theodore Roosevelt

Momba ny raharaha anatiny dia nanamafy ny adin' ny fahefana federaly tamin' ny fanararaotan' ny liberalisma sy ny fihabetsahan' ny orinasa trusts (tamin' ny alalan' ny lalàna Elkins tamin' ny taona sy ny lalàna Hebburn tamin' ny taona 1906) i Theodore Roosevelt (nitondra tamin' ny taona 1901-1909). Ireo oriasa ireo tokoa mantsy dia nanao ampihi-mamba saika manontolo ny seha-pamokarana toy ny solitany, ny omby, ny arintany, ny siramamy, ary ny lalamby. Nampizara ny Antoko Repoblikana anefa ny pôlitika ivelany nataon' i William H. Taft mpandimby azy (1909-1913), ka nanamora ny fandresen' ilay demôkraty Thomas W. Wilson (1913-1921).

Namerina ny pôlitikan' i Theodore Roosevelt indray i Thomas W. Wilson ka nampandany lalàna hiadiana amin' ny ampihi-mamba ataon' ny orinasa goavana (Clayton Antitrust Act, tamin' ny taona 1914), sy nampihena ny haban-tseranana, ary nanao fanavaozana momba ny banky (Federal Reserve Act, tamin' ny taona 1913) sy momba ny fambolena. Noferana ho adiny valo ny faharetan' ny asan' ny mpiasa isan' andro. Naverina indray tamin' ny taona 1913 ny fifidianana senatera andraisan' ny rehetra anjara, toraka izany koa ny fahazoan' ny vehivavy mifidy (fanitsiana faha-19 ao amin' ny lalàm-panorenana tamin' ny taona 1920).

Lasa firenena matanjaka (1914-1945)

Niditra an-tsehatra tamin' ny Ady Lehibe Voalohany

Tantaran' I Etazonia 
Thomas Woodrow Wilson

Ny Ady Lehibe Voalohany tokoa no nanompana ny tanjak' i Etazonia; tamin' ny taonjato faha-20, i Etazonia no lasa firenena matanjaka ara-toekarena, ara-kolontsaina, ara-pôlitika ary ara-tafika voalohany eto an-tany. Tamin' ny voalohany dia firenena tsy niandany i Etazonia tamin' ny fiandohan' ny Ady Lehibe Voalohany, nanatevin-daharana ny Triple Entente tamin' ny fotoana naha filoham-pirenena an' i Woodrow Wilson ity firenena ity ary niditra an-tsehatra tamin' ny ady tamin' ny 6 Avrily 1917. Nampitsimbadika ny fifandanjan-kery teo amin' ny ady i Etazonia. Ny Kôngresin' i Etazonia dia nandà ny hanamafy ny fifanarahana tao Versailles (1919) sy ny hampiditra ny Ligin' ny Firenena, ka tsy niala amin' ny fotokevitry ny fitokana-monina na fiolonolonana (isolationism).

Taorian' ny ady

Tantaran' I Etazonia 
Warren G Harding

Ny vanim-potoana teo anelanelan' ny Ady Lehibe roa dia vanim-potoan' ny firoboroboana ara-materialy sy ara-kolontsaina, fantatra amin' ny anarana hoe "Roaring Twenties".

Tantaran' I Etazonia 
Calvin Coolidge

Tamin' ny taompolo 1920 dia niroborobo ny toekaren' i Etazonia, nefa narahin' ny fahasahiranana lehibe tampoka sy goavana, izay niantraika manerana an' izao tontolo izao koa. Nandritra izany fotoana izany, izay niverenan' ny Repoblikana eo amin' ny fitondrana tamin' ny alalan' ny fahalanian' i Warren G. Harding (1921-1923) sy i John C. Coolidge (1923-1929), dia lasa firenana matanjaka indrindra teo amin' ny raharaham-barotra sy eo amin' ny raharaham-bola maneran-tany Etazonia. Fotoana nisian' ny fametrahana ny asa vaventim-panjakana nataon' ny filoha isan-karazany (indrindra ny Tohodranon' i Hoover sy ny Tetezana Golden Gate tamin' ny taompolo 1930) koa izany. Nanomboka tamin' ny taona 1925, tamin' ny alalan' ny famokarana be dia be ataon' ny indostria, dia niantoka ny 44 % amin' ny famokarana arintany sy 51 % amin' ny famokarana tsy maneran-tany ity firenena ity, noho ny fivangongoan' ny indostria sy ny fomba fiasa mampitombo ny vokatra ary ny fandaminana ny asa toy ny fôrdisma sy ny tailôrisma.

Na dia teo aza izany firoboroboan' ny toekarena izany dia lasa niolonolona indray ilay firenena. Nohamafisina ny sakana amin’ ny alalan' ny fadin-tseranana (tarif Fordney-McCumber tamin' ny taona 1922) fa ny fankahalana vahiny kosa (famerana ny fifidra-monina, hetsiky ny Ku Klux Klan) ary ny hetsiky fandrarana ny fanamboarana sy ny fivarotana zava-pisotro mahamamo (prohibition) dia nandroso.

Nihamafy ny fanaraha-maso ny fifindra-monina taorian' ny Ady Lehibe Voalohany. Tamin' ny taompolo 1920 dia nampifamadika ny pôlitika mahazatra momba ny fifindra-monina malalaka ny Kôngresy amerikana tamin' ny alalan' ny anjara isa, izay nampihena ny fifidra-monina avy any Eorôpa (lalàna maro momba ny fifindra-monina: lois des quotas tamin' ny taona 1921 sy 1924). Ny vehivavy ary avy eo ny Amerindiana dia mahazo zo hifidy.

Ny lohahevitra izay tena niteraka resa-be tamin' ny taona 1920 ka hatramin' ny 1932 anefa dia ilay atao ny prohibition, dia nahatratra ny fara tampony tamin' ny fanaovana sonia ny fanitsiana faha-18 ao amin' ny lala-panorenana tamin' ny Janoray 1919. Ny fahasahiranana lalina ara-toekarena, izay nitranga tampoka, dia nitondra fitoniana ankapobeny

Ny fahasahiranana ara-toekarena lehibe

Ny fitomboan' ny famokarana haingana, sy ny fandrosoan' ny fampisamboram-bola tsy voafehy, ary ny fahatokisana be loatra ny liberalisma, dia nampahazo vahana ny fitadiavana tombom-barotra tsy arahin' ezaka firy (spéculation) naomboka tamin' ny taona 1926. Ny Amerikana sasany dia nampiasa vola amina lavitrisa dôlara tao amin' ny tsenam-bola, taorian' ny findramam-bola amin' ny banky sy nanao antoka ny tranony. Vetivety izany fomba fitadiavan-tombony izany dia tsy azo narahi-maso. Tamin' ny Ôktôbra 1929 dia narahin' ny hetsika fivarotana ilay fividianana nifandrombahana teo aloha. Nidina tampoka ny vidy ka olona an' aliny maro no very fananana. Ny fahatairana momba ny tsenam-bola tamin' ny Alakamisy 24 Ôktôbra 1929 dia niteraka firodanan' ny toekarena amerikana mandritra ny taona maro. Izany no antsoina amin' ny teny anglisy hoe Great Depression, izay nateraky ny fianjeran' ny Wall Street (anglisy: Wall Street Crash of 1929).

Vokatr' izany dia tafalatsaka ambany dia ambany ny toekarena, ka tsy ny an' i Etazoia irery ihany no tratran' izany fa ny toekarena maneran-tany tamin' ny taompolo 1930. Izany no fahasahiranana lehibe ara-toekarena voalohany izay nahenika an' izao tontolo izao. Nikatona ny orinasa ka nahatonga tsy an' asa miisa 7 tapitrisa tao anatin' ny roa taona. Be dia be ny banky no maty antoka ary nidina ambany dia ambany ny vidy.

Tamin' izany fotoana izany ihany, tamin' ny faritra atsimo amin' i Etazonia, dia nisy ny fikaon-tany vokatry ny rivotra mahery vaika izay nahazo vahana noho ny haintany taona maro (nampitombo ny fahorian' ny tantsaha) sy ny fitrandrahana tafahoatra ny tany fambolena, izay nandrava ny fambolena tao amin' ireo Lemaka Lehibe any Atsimo, izay lasa "vilanim-bovoka" (Dust Bowl), nanery ny tantsaha hifindra monina.

Ny tsy fahafahan' ny fitondrana (1929-1933) hamaha izany fahasahiranana lehibe ara-toekarena izany dia nanamora ny fandresen' i Franklin D. Roosevelt  izay kandidan' ny Antoko Demôkraty teo amin' ny fifidianana filoham-pirenena tamin' ny taona 1932.

Ny fitondran' i Franklin D. Roosevelt

Tantaran' I Etazonia 
I Franklin D. Roosevelt tamin' ny taona 1944

Voafidy tamin' ny taona 1932 i Franklin Delano Roosevelt ary nanolotra New Deal ("Fifanarahana Vaovao") hiadiana amin' ny krizy, amin' ny alalan' ny fametrahana ny fototry ny "fanjakana mpiahy" (anglisy: Welfare state; frantsay: Etat providence), tsy tahaka an' i Calvin Coolidge sy i Herbert Hoover filoham-pirenena teo alohany izay nanatanteraka ny pôlitikan' ny Laissez-faire ("avelao hanao"), izany hoe tsy fidiran' ny fanjakana amin' ny lamina ara-toekarena. Nihena tanteraka ny tsy fananana asa nandritra ny Ady Lehibe Faharoa.

Nandray anjara tamin' ny Ady Lehibe Faharoa

Tamin' ny fotoam-pitondran' i Franklin Delano Roosevelt, ny fanafihan' ny Japôney tao Pearl Harbor tamin' ny 7 Desambra 1941 dia nahatonga an' i Etazonia hiditra an-tsehatra nanampy ny firenena mpiara-dia (anglisy: Allies; frantsay: Alliés) niady amin' ny firenena ao amin' ny "Teza" (anglisy: Axis; frantsay: Axes), ka namarana ny lalàn' ny tsy fiandanian' ny taona 1930 (anglisy: Neutrality Acts). Ny tafika amerikana dia nanana anjara toerana lehibe amin' ny fanafahana an' i Eorôpa Andrefana sy nandritra ny ady tao Pasifika (nifanaovan' ny Allies tamin' i Japana).

Tamin' ny Aogositra 1945, ny filoha Harry S. Truman dia nanapa-kevitra ny handatsaka bômba atômika roa ao amin' ny Empiran' i Japana mba hahatonga an' ity farany tsy hiady intsony. Lasa firenena matanjaka indrindra miaraka amin' ny Firaisana Sôvietika i Etazonia. Ny Dinan' ny Firenena Mikambana, nosoniavina tamin' ny Jona 1945 tany San Francisco, dia nametraka ny fototra ijoroan' ny Firenena Mikambana, izay manatanteraka ny fihaonambeny ao New York.

Nandritra ny Ady Mangatsiaka (1945-1991)

Fitondran' i Truman

Tantaran' I Etazonia 
I Joseph Stalin sy i Harry S. Truman ary i Winston Churchill tao Potsdam, Jolay 1945.

Ny Ady Mangatsiaka dia tsy nahitana fifandonana ara-tafika fa fifandonan-kevitra. Tao anatin' ny taona maro taorian' ny ady, i Etazonia dia lasa mpitarika ny toby kapitalista nanohitra ny Firaisana Sôvietika: nanomboka amin' izay ny Ady Mangatsiaka izay nampifanandrina môdely ara-pôlitika sy ara-toekarena roa. Mba hisakanana ny fiitaran' ny kôminisma amin' ny firenena hafa (anglisy: Containment; frantsay: endiguement) dia niditra an-tsehatra tany Eorôpa ny Amerikana tamin' ny alalan' ny Drafitra Marshall (anglisy: Marshall Plan; frantsay: Plan Marshall) - famatsiam-bola ny fanarenana ny firenena eorôpeana taorian' ny ady, sy amin' ny alalan' ny fametrahana miaramila ao an-drenivohitr' i Alemaina nandritra ny fanakanan' ny Firaisana Sôvietika ny fidiran' ny firenena matanjaka telo (i Etazonia sy i Frantsa ary ny Fanjakana Mitambatra) amin' ny lalana an-tanenty mankao Berlin (anglisy: Berlin Blockade; frantsay: blocus de Berlin) - ary ny fananganana ny Fikambanan' ny Fifanarahan' i Atlantika Avaratra (frantsay: Organisation du traité de l'Atlantique nord – OTAN, na anglisy: North Atlantic Treaty Organization - NATO) sy fametrahana miaramila any Azia (Ady tao Kôrea sy Ady tao Vietnamy).

Toy izany koa, tamin' ny taona 1949, i Truman dia nanamafy ny fanampiany ny firenena tsy mandroso hampitombo ny fari-piainan' izy ireo amin' ny alalan' ny fampandrosoana ny indostria, amin' ny alalan' ny fandraisana fanampiana ara-teknika avy any Etazonia. Nanomboka tamin' ny taona 1948, ankoatra izany, dia niaro an' i Israely ara-diplômasia sy nanome fitaovam-piadiana ho an' ity firenena ity i Etazonia, dia i Israely izay notohanany tamin' ny fananganana azy ho fialofan' ny Jiosy taorian' ny fandripahana foko (Shoah) nihatra taminy.

Ny fitondran' i Dwight D. Eisenhower

Tantaran' I Etazonia 
I Dwight D. Eisenhower (nitondra tamin' ny taona 1953 – 1961) nihaona tamin' ny filoha ejiptiana Gamal Abdel Nasser nandritra ny fitsidihan' i Nasser tany amin' ny Firenena Mikambana tany New York, Septambra 1960

Nanomboka nihatsara ny fifandraisana teo amin' i Etazonia sy ny Firaisana Sôvietika taorian' ny nahafatesan' i Stalin tamin' ny taona 1953. Na izany aza, niadana dia niadana ny fandrosoan' ny "fitoniana" ("detente"). Nihafaingana ny hazakazaka ho amin' ny fananana fitaovam-piadiana nateraky ny Ady Mangatsiaka rehefa nanapoaka ny bômba hidrôzenina (bômba H) voalohany i Etazonia tamin' ny taona 1952.

Tamin' ny taona 1953 i Etazonia dia nampitombo ny fanampiana ara-tafika sy ara-toekarena ho an' i Frantsa, izay nirotsaka tamin' ny ady tao Indôsina (taona 1946-1954), nefa ny fifanarahana tao Geneva tamin' ny volana Jolay 1954 dia nitarika amin' ny fizaràn' i Indôsina. Avy eo dia niezaka nisakana izay mety ho fanafihana vaovaon' ny Kôminista any Azia Atsimo-Atsinanana i Etazonia tamin' ny alalan' ny fananganana ny Fikambanam-Pifanarahan' i Azia Atsimo-Atsinanana (Organisation du traité de l’Asie du Sud-Est  -- Otase) tamin' ny taona 1954. Nandritra izany fotoana izany dia nanamafy ny fifandraisana amin' i Taiwan i Etazonia, ary nampiseho ny fankahalany ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina. I Etazonia anefa tsy niditra an-tsehatra tamin' ny fikomiana tao Budapest (Ôktôbra-Nôvambra 1956), izay nofaizin' ny Tafika Mena mafy. Tamin' io taona 1956 io ihany dia namarana ny fanafihan' ny Israeliana sy ny Frantsay ary ny Britanika (Ôktôbra-Nôvambra 1956) an' i Ejipta faha Nasser, taorian' ny fandraisana ho fananam-pirenena ny Lakandranon' i Suez, ireo firenena matanjaka roa ireo, tamin' ny alalan’ ny fifanarahana.

I Etazonia koa dia nanomboka tamin' ny hazakazaka amin' ny fanamboarana fitaovam-piadiana sy ho eny amin' ny habakabaka (namorona ny NASA tamin' ny taona 1958, dingana voalohany teny amin' ny volana tamin' ny taona 1969).

Taorian' ny nahafatesan' ny sekreteram-panjakana Dulles (1959) dia nanomboka tamin' ny fitsidihan' i Nikita Khrushchev tany Etazonia ny fitoniana (détente) tamin' ny Septambra 1959. Tany Amerika Latina dia nitombo ny tsy hafaliana noho ny pôlitika amerikana. Tamin' ny taona 1959 dia nipoaka ny revôlisiôna tany Kiobà notarihan' i Fidel Castro sy i Che Guevara; izany dia nitarika amin' ny fametrahana fitondrana kôminista.

Ny tantara anatin' i Etazonia dia nisongadinan' ny hetsiky ny Afrô-Amerikana momba ny zo sivily (anglisy: Civil rights movement) tamin' ny taompolo 1950 sy 1960, manerana ny faritra atsimon' i Etazonia. Taorian' ny Ady Lehibe Faharoa, ny mainty hoditra dia nahatsapa tsara ny fanavakavahana ara-pirazanana izay nahazo azy ireo. Tamin' ny 17 Mey 1954, tamin' ny raharaha Brown niady ny fitaleavan' ny fampianarana tao Topeka, niray feo nanameloka ny fanavakavahana ara-poko tany amin' ny sekolim-panjakana ny Fitsarana Tampony. Nanaraka izany ny fanapahan-kevitra hafa (1955-1956) izay nanasa ny manam-pahefana ifotony mba hanafoana ny fanavakavahana. Na izany aza, maro amin' ny fanjakana any Atsimo no nanao izay tsy hampiharahana ny lalàna. Tena niadana ny fampitsaharana ny fanavakavahana tany any amin' ny faritra atsimo: tamin' ny taona 1960, sekoly 765 amin' ny 6 676 ihany no namarana ny fanavakavahana. Nahazo vahana teo amin' ny mainty hoditra ny hetsika fitakiana zo. Tamin' ny Desambra 1955, ny pasitera mainty hoditra Martin Luther King dia nanomboka ny fanaovana ankivy ny fiara fitateram-bahoaka tao Montgomery (381 andro) mba hanoherana ny endrika rehetra isehoan' ny fanavakavahana ara-poko. noho ny fandraisana andraikitra nataon' ny fikambanana sy ny olona manana ny maha izy azy mainty hoditra maro: ny Southern Christian Leadership Conference, naorin' i Martin Luther King tamin' ny taona 1957, ny Kôngresy momba ny fitoviana ara-poko (Congrès de l’égalité raciale), ny Fokambanana Nasiônaly ho an' ny fandrosoan’ ny Olona miloko (Association nationale pour le progrès des personnes de couleur), ny Silamo Mainty (Black Muslims), i Malcolm X, i Ralph David Abernathy ary i Rosa Louise Parks. Noho ny fanerena nataon’ izy ireo dia nandany ny Lalàna momba ny zon' ny sivily (loi des Droits civiques) ny Kôngresy tamin' ny taona 1957.

Ny fitondran' i John F. Kennedy

Tantaran' I Etazonia 
I John F. Kennedy dia nanao sonia ny Fanambarana momba ny fandrarana ny fandefasana fitaovam-piadiana any Kiobà, tao amin' ny birao Oval, 23 Ôktôbra 1962.

I John F. Kennedy no filoha kely taona indrindra (43 taona) sy filoham-panjakana katôlika voalohany tany Etazonia. Nanohy ny pôlitikan' ny fitoniana ("détente") niaraka tamin' ny Firaisana Sôvietika izy. Nihaona tamin' i Nikita Khrushchev tany Vienna tamin' ny volana Jona 1961.

Tamin' ny taona 1962, ny krizin' ny balafomanga tao Kiobà dia nampahery vaika ny tsy fifanarahana teo amin' ny Amerikana sy ny Sôvietika, izay saika nampipoaka ny Ady Lehibe Fahatelo. Rehefa hitan' i Etazonia ny fisian' ny toby fandefasana balafomanga tany Kiobà dia nitaky an' i Khrushchev mba hanaisotra ny balafomanga sôvietika i Kennedy ary nandrahona an' i Kiobà tamin' ny fanaovana ankivy amin' ny lafiny rehetra, nofaritan' i Kennedy, izay mbola manan-kery, na dia nohalefahina aza izany hatramin' izay. Nanaisotra ny balafomangany i Krushchev nefa takalon' izany ny tsy hanafihan' i Etazonia an' i Kiobà.

Tamin' ny taona 1961 dia natombony ny fandaharan' asa Apollo, izay mikendry ny hahatongavana eny amin' ny Volana ao anatin' ny folo taona. Nanafaingana ny fampiraisana ara-poko (ny mainty hoditra) i Kennedy. Iray amin' ny laharam-pahamehan' i Kennedy ny resaka zo sivîka. Nampandraisiny andraikitra ny manampahefana federaly amin' ny fanafainganana ny fanafoanana ny fanavakavahana ao amin' ny Oniversiten' i Alabama, na dia teo aza ny fanoheran' ny governora George C. Wallace. Nandritra ny fitondrany, tamin' ny famoriam-bahoaka lehibe tany Washington tamin' ny 28 Aogositra 1963, i Martin Luther King dia nanao ny kabariny malaza hoe "I Have a Dream…" ("Manana nofy aho ...") tamin' ny olona miisa 250 000.

Tamin' ny 22 Nôvambra 1963, raha nanao fampielezan-kevitra tao Dallas i John Kennedy tamin' ny fifidianana filoham-pirenena, dia nisy namono tao anatin' ny tamin’ny antony mbola tsy mazava.

Ny fitondran' i Lyndon B. Johnson

Tantaran' I Etazonia 
I Lyndon B. Johnson nandritra ny fanokanana azy tao anatin' ny fiaramanidina Air Force One teo anatrehan' ny mpitsara Sarah T. Hughes, taorian' ny famonoana an' i John F. Kennedy.

Tamin' ny voalohany, ny filoha Lyndon B. Johnson dia nanohy ny pôlitikan' i Kennedy tamin' ny fandefasana "mpanolotsaina miaramila" ho an' ny tafika miaramila any Vietnamy Atsimo, tsy misy fitsabahana mivantana amin' ny ady. Nanomboka tamin' ny Aogositra 1964 ity filoha ity dia nahazo alalana hampitombo ny fitoeran' ny miaramila amerikana any Azia Atsimo-Atsinanana. Noho izany dia voasarika amin' ny pôlitikan' ny fitomboan' ny vaikan' ny ady. Na dia teo aza ny ho enti-manana betsaka nampiasaina dia tsy afaka mahazo vokatra nanapa-javatra ity pôlitika ity.

Tamin' ny taona 1969 dia miaramila amerikana maherin' ny 541 000 no nandray anjara tamin' io ady io. Ny ady tany Vietnamy dia nisy fiantraikany lehibe amin' ny Amerikanina: fandaniam-bola ara-miaramila mavesatra niteraka fisondrotry ny vidim-piainana sy tsy fahampian' ny tetibola, naharatsy endrika an' i Etazonia eran' izao tontolo izao, krizy ara-môraly sy ara-pôlitika lalina teo amin' ny tanora amerikana.

Ny fitondran' i Richard Nixon

Tantaran' I Etazonia 
Fihaonana teo amin' i Brejnev sy i Richard Nixon nandritra ny fitsidihan' ny mpitarika sôvietika tany Etazonia tamin' ny taona 1973.

Nandritra ny fotoana niasany, ny filoha Richard Nixon dia nampifantoka ny pôlitikany manokana amin' ny raharaha iraisam-pirenena. Nofaritany indray ny andraikitr' i Etazonia amin' ny fampidirana azy ao amin' ny "vanim-potoanan' ny fifampiraharahana". Nanapa-kevitra i Nixon fa hanohy ny fampialana tsikelikely ny tafika amerikana mipetraka any amin' ny faritra atsimon' i Vietnamy.

Tamin' ny Jolay 1971, i Henry Kissinger, mpanolotsainy momba ny pôlitika ivelany, dia nitsidika an' i Sina ary niresaka tamin' ny praiminisitra Zhou Enlai. Ity fihaonana ity dia narahin' ny fanindroany, niaraka tamin' i Nixon, tamin' ny Febroary 1972: fahombiazana izany, izay nohamafisin' ny fifanarahana ara-toekarena teo amin' ny firenena roa tonta. Herinandro vitsivitsy taty aoriana dia nandeha tany Moskoa i Nixon mba hifampiraharaha momba ny dingana voalohany amin' ny fifanarahana momba ny famerana ny fitaovam-piadiana stratejika, ka nanamarika ny fiandohan' ny vanim-potoanan' ny détente (hetsika mikendry ny fampihavanana ny firenena matanjaka roa sy ny hamerana ny loza mety hateraky ny ady nokleary). Taorian' ny Ady nandritra ny Yom Kippur (na Ady nandritra ny Ramadany) dia nandray anjara mavitrika tamin' ny fifampiraharahana momba ny fandriam-pahalemana teo amin' i Israely sy i Ejipta i Kissinger.

Amin' ny pôllitika anatiny, nanoloana ny fidangan' ny vidim-piainana dia tsy maintsy nampidina ny sandan' ny dôlara ny governemanta amerikana. Teo amin' ny lafiny sôsialy dia niharan' ny fitangoronan-tsavorovoro ara-poko ilay firenena. Namerina ny fitoniana eny an-dalambe i Nixon, saingy tsy nanova ny satan' ny mainty hoditra.

Tamin' ny taona 1972 dia nanapa-kevitra ny hirotsaka hofidiana indray i Nixon. Voakasiky ny tantara ratsin' ny raharaha Watergate anefa ny fampielezan-keviny. Taorian' ny fanokafana ny dinganan' ny impeachment dia nanambara ny fanapahan-keviny hametra-pialana i Nixon tamin' ny 8 Agositra 1974.

Ny fitondran' i Gerald Ford

Tantaran' I Etazonia 
I Mao Zedong sy i Gerald Ford ary i Henry Kissinger (2 Desambra 1975).

Tamin' ny 9 Aogositra 1974 dia nanamora ny fiakaran' i Gerald Ford ho eo amin' ny toeran' ny filoham-pirenena ilay raharaha Watergate taorian' ny fametraham-pialan' i Richard Nixon. Izy no filoham-pirenen' i Etazonia izay tsy nanaovam-pifidianana na ho filoha na ho filoha lefitra. Nandritra ny fotoana fohy nitodrany dia niezaka nampandroso ny fitoniana ara-pôlitika izy. Manoloana ny fitomboan' ny fahasahiranana lehibe ara-toekarena dia nampihatra ny pôlitikan' ny fifanakalozana malalaka izy.

Teo amin' ny pôlitika ivelany dia nanohy ny asan' ny filoha nodimbiasany izy, niaraka amin' i Henry Kissinger mpitarika ny diplômasia, izay nikendry ny hametraka ny detente miaraka amin' ny Firaisana Sôvietika ary nanao sonia fifanarahana maro tamin' ny taona 1975.

Ny fitondran' i Jimmy Carter

Tantaran' I Etazonia 
I Jimmy Carter sy i Hussein, mpanjakan' i Jôrdania, 25 Avrily 1977 tao amin' ny Trano Fotsy.

Nandray anjara tamim-pahombiazana amin' ny fanatanterahana ireo fifanarahan' ny Camp David izay nosoniavin' ny filoha ejipsiana Anouar al-Sadate sy ny piraiminisitra israeliana Menahem Begin tamin' ny 17 Septambra 1978 i Jimmy Carter, izany dia nialoha lalana ny fifanaraham-pandriam-pahalemana eo amin' i Ejipta sy i Israely tamin' ny 26 Marsa 1979 tao Washington. Tamin' ny taona 1979 dia tafaveriny ny fifandraisana ara-diplômaisa amin' i Sina, ary niara-nanao sonia tamin' i Leonid Brejnev ny fifanarahana Salt II (fifampiraharahana mametra ny fitaovam-piadiana stratejika). Tamin' ny taona 1980 dia voatsikera izy noho ny nanaovany ankivy ny fanondranana varimbazaha sy fisakanana ny Lalao Ôlimpika tao Moskoa, izay tsy nisy vokany, ho setrin' ny fidirana an-tsehatra tamn' ny ady nataon' ny Firaisana Sôvietika tany Afganistàna.

Tamin' ny fiafaran' ny fotoam-pitondran' i Jimmy Carter dia tsy nahitam-pihatsarana ny toekaren' i Etazonia ary niakatra avo dia avo ny vidim-piainana sy ny tahan' ny tsy an' asa, nahatratra ny fidangany avo indrindra tsy mbola nisy hatramin' ny taona 1945 ny vidim-piainana.

Ny fitondran' i Ronald Reagan

Tantaran' I Etazonia 
I Ronald Reagan sy i Mikhail Gorbachev nanao sonia ny fifanarahana momba ny fitaovam-piadiana nokleary mahatakatra halavirana antonony tao amin' ny Trano Fotsy tamin' ny taona 1987.

Ny fitontongan' ny toekarena sy ny fahasahirana any ivelany dia nanamora ny fahalanian' ilay repoblikana Ronald Reagan. Nahomby i Reagan tamin' ny famelomana indray ny toekarena (fampihenana ny vidim-piainana, fampihenana ny hetra, fitazomana ny tahan' ny zanabola ho ambony) nefa nampihena be ny fanampiana ara-tsôsialy. Etsy ankilany, nampitombo be ny teti-bolan' ny Fiarovana (ampahatelon' ny tetibola federaly tamin' ny taona 1986) koa izy.

Na izany aza, ny fihemoran' ny toekarena tamin' ny taona 1981-1982 dia nahatonga ny tahan' ny tsy fananan' asa sambany niakatra ambon' ny 10 % hatramin' ny taona 1940. Nandritra ny fifidianana tamin' ny taona 1984 izay nahazoan' i Ronald Reagan fandresena malalaka. Tamin' ny taona 1987, ny fitondran' i Reagan dia nisongadinan' ny tsy fahampiana maharitra teo amn' ny vola miditra mitaha amin' ny fandaniana, sy ny tsy fahampian' ny entana aondrana mitaha amin' ny entana hafarana izay mihoatra ny 100 lavitrisa dôlara isan-taona. Nandritra ny fianjeran' ny tsenam-bola tamin' ny 19 Ôktôbra 1987, dia nilatsaka ho 22,6 % ny tondro Dow Jones ("indice Dow Jones").

Amin' ny pôlitika ivelany, tao Amerika Afovoany i Ronald Rigan dia nanohana ny tafi-panjakana any El Salvador, nanampy koa ny mpiady anaty akata (Sandinistas) nanohitra ny governemanta nikaragoana. Tamin' ny fe-potoana naha filoha azy dia voaloton' ny tantara ratsy "Irangate" (1986-1987), vokatry ny fivarotana fitaovam-piadiana an-tsokosoko tamin' i Iràna, izay nampiasaina hamatsiana vola ny Contra manohitra ny Sandinista (Contra antisandiniste) tao Nikaragoa i Ronald Reagan.

Tamin' ny volana Avrily 1986, nanao fanafihana ana habakabaka an' i Libia i Etazonia, ho setrin' ny fanafihana nataon' ny mpampihorohoro manohitra ny Amerikana.

I Ronald Reagan sy ny sekreteram-panjakana Alexander Haig dia nandao ny pôlitikan' ny fitoniana (détente) nanoloana ny Firaisana Sôvietika. Tamin' ny taona 1983, niharatsy ny fifandraisan' i Etazonia sy ny Sôvietika taorian' ny nanambaran' i Reagan ny Strategic Defense Initiative (SDI), izay antsoina matetika hoe "Star Wars" (frantsay: "la Guerre des étoiles"). Na izany aza, naverina tamin' ny laoniny ny dingan' ny fampihenana fitaovam-piadiana tamin' ny fihaonana roa teo amin' i Ronald Reagan sy ny mpitarika sôvietika Mikhail Gorbachev, tamin' ny Nôvambra 1985 sy Ôktôbra 1986. Tamin' ny Desambra 1987, nanao sonia fifanarahana momba ny fanapotehana ny balafomanga mahatakatra akaiky sy antonony izy ireo.

Ny pôlitika vaovaon' i Ronald Reagan (fantatra amin' ny anarana hoe Reaganomics), voafidy tamin' ny taona 1980, dia nahomby teo amin' ilay firenena sy tany ivelany, izay nankasitraka ny fifandraisana, indrindra amin' ny Firaisana Sôvietika, sy ny fampihenana ny fitaovam-piadiana. I Etazonia dia heverina ho mpandresy tamin' ny Ady Mangatsiaka taorian' ny firodanan' ny Vondrona Kômonista.

Ny fitondran' i George Bush

Tantaran' I Etazonia 
I George Bush nanao fianianana tamin' ny fitokanana azy, 20 Janoary 1989.

Nanohy ny pôlitikan' ny filoha teo alohany i George Bush. Nanamafy ny fanjakazakan' i Etazonia izy tamin' ny fidirany an-tsehatra amin' ny raharahan' ny firenena hafa. Nihetsika haingana izy tamin' ny firodanan' ny Vondrona Kômonista tao Eorôpa Atsinanana, tamin' ny fanampiany ara-toekarena an' i Tsekôslôvakia, an' i Hôngria, an' i Pôlônia, ary namporisika ny fanakambanana an' i Alemaina Andrefana sy i Alemaina Atsinanana. Tamin' ny Desambra 1989 dia nihaona tamin' ny filoham-pirenena sôvietika Mikhail Gorbatchev tao Malta i George Bush, ka ny fifampiresahana tamin' izay dia niafara, tamin' ny Jolay 1991, amin' ny fiaraha-manao sonia ny fifanarahana momba ny fampihenana ny fitaovam-piadiana stratejika. I George Bush no nitarika ny fifandrimbonana hiady amin' i Iràka taorian' ny fananiham-bohitra nataon' ny tafika irakiana tao Kôety tamin' ny volana Aogositra 1990.

Ny fitondran' i Bill Clinton

Tantaran' I Etazonia 
I Bill Clinton sy i Boris Yeltsin, 23 Ôktôbra 1995.

Ny vanimpotona naha filoham-pirenena an' i Bill Clinton dia voamariky ny ady ao Iogôslavia, ny raharaha Monica Lewinsky, ny firongatan' ny "tapoaka Internet" (frantsay: bulle Internet; anglisy: dot-com bubble) ary ny fitohizan' ny fitomboan' ny toekarena.

I Bill Clinton dia voafidy tamin' ny Nôvambra 1992 tamin' ny 43 % amin' ny vato. Notokanana tamin' ny volana Janoary 1993 izy, nanatanteraka fandaharan' asa dimy taona natao hampitomboana ny vola ho an' ny fampianarana sy ny fanofanana amin' ny asa ary ny asa vaventy, hampihenana ny fandaniana federaly, indrindra amin' ny fiarovana, ary hampitomboana ny vola miditra, amin' ny ampahany amin' ny alalan’ ny hetra lehibe alaina amin' ny fandaniana angovo. Nanokan-tena i Bill Clinton, nandritra ny volana vitsy voalohan' ny fe-potoam-piasany, ho famahana ny olana anatiny izay nanaovany fampielezan-kevitra ("America first", malagasy: "Amerika aloha"); noho izany dia nanao fanavaozana maro izy (fikarakarana ny vondron' ny vitsy an' isa, ny fanatsarana ny fanabeazana, sns.), tao anatin' ny toekarena tena tsara, indrindra nanomboka tamin' ny faran' ny taona 1994.

I Bill Clinton dia manohana am-pahavitrihana ny fankatoavana ny Fifanarahana ara-Barotra Malalaka any Amerika Avaratra (Accord de libre-échange nord-américain -- Alena, na NAFTA) eo amin' i Etazonia sy i Meksika ary i Kanada.

Tamin' ny pôlitika ivelany dia nahita vokatra tsara amin' ny dingana ho amin' ny fandriam-pahalemana any Israely sy any Afovoany Atsinanana i Bill Clinton, izay mampiady hevitra nandritra ny ady an-trano tany Bôsnia ary vokatra ratsy kokoa momba ny hetsika miaramila tany Somalia.

I Bill Clinton dia lany indray tamin' ny fifidianana tamin' ny Nôvambra 1996 tamin' ny 49 % amin’ ny vato. Ny roa taona voalohany tamin' ny fe-potoam-piasany faharoa dia nisongadinan' ny fifanesen' ny tantara ratsy maro. I Bill Clinton dia niatrika ny resabe fanakianana ny famatsiam-bolan' ny fampielezan-keviny nataon' ny vondrona mpanery Aziatika (indrindra indôneziana sy sinoa). Taorian' izay, ny fanambaràn' i Paula Jones, izay niampanga ny filoha ho nanao fanorisorenana ara-nofo, sy ny fanambaràna mifandray amin' i Monica Lewinski, izay ahiahiana ho vavolombelona mandainga momba ny fifandraisana mety nisy teo aminy, dia tena nampikorontan-tsaina izaitsizy ny filoha.

Nahomby i Bill Clinton tamin' ny famaranana ny ady ara-barotra tamin' ny Vondrona Eorôpeana.

Tamin' ny Desambra 1998, tamin' ny nampalaza ny raharaha Lewinsky, dia nanomboka, niaraka tamin' i Britaina Lehibe, ny hetsika "Desert Fox" (frantsay: "Renard du désert") niadiana amin' i Iràka hanerena an' i Saddam Hussein hanaiky ny fanaraha-maso ny fanafoanana fitaovam-padiana ataon' ny Vaomiera manokan' ny Firenena Mikambana (Unscom). Tamin' ny 24 Marsa 1999, momba an' i Kôsôvô, dia nampidirin' i Bill Clinton tamim-pahombiazana i Etazonia, niaraka tamin' ny telo ambin' ny folo amin' ny mpikambana sivy ambin' ny folo ao amin' ny OTAN, tamin' ny hetsika "Allied Force" (frantsay: "Force alliée") niadiany amin' i Iogôslavia.

Taorian' ny Ady Mangatsiaka (1991- ankehitriny)

Ny fitondran' i George W. Bush

Tantaran' I Etazonia 
Fanaovan-tsonia tamin' ny 24 Mey 2002 ny fifanarahana mmba ny fampihenana ny fitaovam-piadiana niokleary stratejika tao Moskoa teo amin' ny filoha George Walker Bush sy Vladimir Putin.

Hatramin' ny nifaranan' ny Ady Mangatsiaka sy ny faharavan' ny Firaisana Sôvietika teo anelanelan' ny taona 1989 sy 1991 dia i Etazonia no hany firenena matanjaka indrindra eran-tany. Hita izany amin' ny alalan' ny herisetra izay azony atao izay tsy ilany fierana amin' ny Firenena Mikambana. Miditra an-tsehatra amin' ny fiakaran' ny disadisa ara-diplômatika any Afovoany Atsinanana i Etazonia, ary nandray anjara amin' ny Ady tao amin' ny Hoala.

Tonga teo amin' ny fitondrana i George W. Bush tamin' ny taona 2001 taorian' ny fifidianana izay anisan’ ny nahabe resaka indrindra teo amin' ny tantaran' ilay firenena, saingy fanapahan-kevitry ny Fitsarana Tampon' i Etazonia no nahafahany nandresy an' i Al Gore. Tamin' ny 11 Septambra 2001 i Etazonia dia niharan' ny fanafihan' ny mpampihorohoro islamista izay namoizana ain' olona efa ho telo arivo. Ho setrin' izany dia nanangana "ady amin' ny fampihorohoroana" tany Afganistàna ary avy eo tany Iràka ny governemanta federaly.

Tamin' ny taona 2005 dia namely ny atsimon' ilay firenena ny rivodoza Katrina, izay iray amin' ireo nandrava indrindra teo amin' ny tantara. Nanomboka tamin' ny taona 2007 dia niharan' ny krizy ara-toekarena sy ara-bola i Etazonia, vokatr' ilay atao hoe subprime mortgage crisis (frantsay: crise des subprimes) ary naneni-tany izany. Bankirompitra ny orinasa lehibe toa an' i Lehman Brothers sy ny General Motors.

Ny fitondran' i Barack Obama

Tantaran' I Etazonia 
I Barack Obama sy ny filoha rosiana Dmitry Medvedev, tamin' ny 14 Nôvambra 2010.

Tamin' ny taona 2008 dia voafidy ho filoham-pirenena i Barack Obama ary izy no filoham-panjakana afrikana-amerikana voalohany tao Etazonia. Ny pôlitikany dia mifanohitra amin' ny an' ny teo alohany, indrindra teo amin' ny sehatra anatiny, izay nahomby tamin' ny fanavaozana ny lamim-pahasalamana, ny drafitra fanarenana ara-toekarena ary ny fanaovana ho ara-dalàna ny fanambadian' ny mitovy fananahana taorian' ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Tampony.

Tamin' ny taona 2010, ny Hoalan' i Meksika sy ny morontsiraka atsimon' i Etazonia dia niparitahan' ny solitany izay ratsy indrindra nahazo ilay firenena taorian' ny fipoahan' ny toeram-pitrandrahana solitanin' ny BP. Niady tamin' ny fanjakana islamika tany Iràka sy tany Siria indray tany Afovoany Atsinanana i Etazonia tamin' ny taona 2014.

Ny fitondran' i Donald Trump

Tantaran' I Etazonia 
I Donald Trump mivady tamin' ny Mey 2017, niaraka tamin' ny filoha ejiptiana Abdel Fattah al-Sissi sy i Salman mpanjakan' i Arabia Saodita.

Voafidy ho filoha i Donald Trump. Nandritra ny fotoana nitondrany dia nanao sonia didim-panjakana mampihena ny fifindra-monina izy, indrindra ny avy any amin' ny firenena mozilmana, ka niroso amin' ny fanitarana ny rindrina eo amin' ny sisintany manasaraka an' i Etazonia amin' i Meksika. Nampiala an' i Etazonia amin' ny fifanarahana tao Paris momba ny toetany sy momba ny nokleary, nankato ny maha renivohitr' i Israely an' i Jerosalema, namerina indray ny fifandraisan' i Etazonia amin' i Kôrea Avaratra, namerina ny fifampiresahana momba ny Accord de libre-échange nord-américain (ALENA) sahala amin' ny ACEUM, ary nanara-maso ny fifanaraham-pandriam-pahalemana teo amin' i Israely sy ny Emirata Arabo Mitambatra.

Amin' ny lafiny ara-toekarena kosa dia nahenan' i Donald Trump ny tahan' ny fakana hetra sasany, nanatanteraka ady ara-barotra nikendry indrindra an' i Sina, ary nahazo vokatra tsara dia tsara izy amin' ny lafiny fampananana asa sy fitombon' ny toekarena izay tsy nitsahatra raha tsy tamin' ny nitrangan' ny fahasahiranam-be momba ny fahasalamana tamin' ny taona 2020.

Tamin' ny fiandohan' ny taona 2020 i Donald Trump, tamin' ny dingana fanesorana azy amin' ny toeran' ny filoham-pirenena, noho ny resadresaka nataony amin' ny filoha okrainiana Volodymyr Zelensky, nanafaka azy anefa ny Antenimieran-doholona.

Nifanehatra amin' ny valanaretina Covid-19, izay isan' ny fahasahiranana ara-pahasalamana lehibe indrindra teo amin' ny tantaran' ilay firenena i Donald Trump, dia valanaretina nahafaty olona miisa 300 000 tamin' ny faran' ny taona 2020 sy ny voka-dratsin' izany teo amin' ny toekarena. Voatsikera ny fomba fitantanan' ity fioha ity ilay fahasahiranana ara-pahasalamana ary nampiala an' i Etazonia avy ao amin' ny Fikambanana Maneran-Tany momba ny Fahasalamana (frantsay: Organisation mondiale de la santé – OMS) izy.

Ny fitondran' i Joe Biden

Tantaran' I Etazonia 
I Joe Biden miaraka amin' ireo mpitsoa-ponenana avy any Okraina any Varsovia, Pôlônina, Martsa 2022

I Joe Biden no nandimby an' i Donald Trump tamin' ny taona 2021. Ny taona voalohany nitondrany dia nisongadinan' ny fanetsehana indray ny toekarena manoloana ny valanaretin' ny Covid-19 (American Rescue Plan Act) mba hanampiana ny firenena ho tafarina amin' ilay valanaretina sy amin' ny fahavoazan' ny toekarena, ka didim-panjakana maro no navoaka hanatrarana izany tanjona izany. Nofoanany ny fanapahan-kevitra pôlitika maro nataon' i Donald Trump, ka niverina tamin' ny fifanarahana tao Paris indray i Etazonia.

Vitany ny fampodiana ny andian-tafika amerikana nosoniavin' i Donald Trump tamin' ny volana Aogositra 2021 ka nisintaka tanteraka amin' i Afganistàna i Etazonia. Herinandro vitsy tat aoriana, izany fisintahana izany dia nitarika ho amin' ny faharavan' ny governemanta napetraka tao sy ny fiverenan' ny Talibàna haka ny fitondrana indray raha nenjehina nandritra ny roapolo taona izy ireo.

Nandritra ny fananiham-bohitra nataon' i Rosia tao Okraina dia nomeny alalana ny hanasaziana ara-toekarena an' i Rosia ary nampiany fitaovam-piadiana i Okraina.

Jereo koa

Tags:

Tantaran' I Etazonia Vanimpotoana prekôlômbiana (talohan ny taona 1492)Tantaran' I Etazonia Vanimpotoan ny fanjanahan-tany (1492-1775)Tantaran' I Etazonia Revôlisiôna, fahaleovan-tena, andrim-panjakana vaovao (1776-1800)Tantaran' I Etazonia Fanitaran-tany, fisaraham-bazana, fiafaran ny fanandevozana, fandrosoan ny indostria (1800-1917)Tantaran' I Etazonia Lasa firenena matanjaka (1914-1945)Tantaran' I Etazonia Nandritra ny Ady Mangatsiaka (1945-1991)Tantaran' I Etazonia Taorian ny Ady Mangatsiaka (1991- ankehitriny)Tantaran' I Etazonia Jereo koaTantaran' I EtazoniaAlaskaAmerikaBritaina LehibeConnecticutDelawareEspainaEtazoniaFanjakana MitambatraFiteny anglisyFrantsaGeorgia (U.S. state)Karolina AvaratraKarôlina AntsimoLouisianaMarylandMassachusettsMeksikaNew HampshireNew JerseyNew YorkPennsylvaniaRhode IslandTeratanin' i Amerika

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Abakaliki74BiôgrafiaFiangonana Loterana MalagasyAntemoroTohodranoAlahasatyDavid du Bose Gaillard6781AntefasyKabary am-panambadianaRy Tanindrazanay malala ôSerge RossetLahatraMahafaly2028BibyAndroidSombin-tantaraFamadihana1Razana (finoana malagasy)FihavananaPapoazia-Ginea-Vaovao9029 AogositraMari-piatoanaZavakanto1945ZafisoroEglizy katôlika rômaninaAntandroyAfrika AtsimoSakamalaoEtazoniaYono87Baiboly amin' ny teny malagasyFilôzôfiaOmby1879JolayVoaniho1920Tantaran'i Madagasikara33AdimizanaOndryFiteny vezo2017JK43U2198420051850Natalie Portman1977202237Jean-Pierre Bekolo1878Huang XianfanTayFiteny finoàTobilehibeUtah🡆 More