Tanin' I Israely

Ny Tanin' i Israely dia faritra ara-jeôgrafia mahafaoka ny Fanjakan' i Israely sy ny Fanjakan' i Jodà, izay tany nipoiran' ny vahoaka jiosy.

Atao hoe ארץ ישראל / Eretz Israel izy amin' ny teny hebreo (na hebrio).

Tanin' I Israely
Sarin-tany maneho ny Fanjakan' i Israely sy ny Fanjakan' i Jodà tamin' ny taona 926 tal. J.K.

Ao amin' ny Baiboly ny "Tanin' i Israely" dia:

  • teny ara-pivavahana satria manondro ny fanomezan' Andriamanitra; ampiasaina voalohany izany ao amin' ny Boky voalohan' i Samoela (1Sam. 13.19) ;
  • teny ara-jeôgrafia koa; ny famaritana ara-jeôgrafia omen' ny Baiboly anefa tsy dia mazava loatra: ao amin' ny lahatsoratra sasany dia misy filazana ny Tany nomena izay toa manomboka any amin' ny "onin' i Ejipta hatrany amin' ny ony lehibe, dia ny onin' i Eofrata" (avy any Ejipta hatrany Iràka ankehitriny izany), ny lahatsoratra sasany milaza faritra eo anelanelan' ny ranomasina sy ny ony Jordana, izay mifandraindraika amin' ny faritra atao hoe Palestina;
  • teny ara-pôlitika koa: izany dia tany nomena ny Jiosy mba honenany, avy eo nanomboka tamin' ny mpanjaka Saoly (na Saola) mba hanorenana fanjakana.

Ny teny hoe "Tanin' i Israely" dia ampiasain' ny Jiosy sy ny Kristiana nandritra ny tantara. Io Tanin' i Israely io koa dia atsoin' ny Jiosy hoe "Tany nampanantenaina" mba hampahatsiahivana ny fampanantenana voalohany nataon' Andriamanitra tamin' i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba nilazany ny hanomezany io tany io ho azy ireo sy ho lovan' ny taranak' izy ireo, araka ny voasoratra ao amin' ny Bokin' ny Genesisy (Gen. 17.8).

Ny anarana hoe "Tany Masina" dia ampiasain' ny Kristiana mba hampahatsiahivana ny fiainan' i Jesoa.

Taorian' ny fanaovan-tsesitany maro dia niparitaka manerana izao tontolo izao ny vahoaka jiosy. Misy fifamatorana ara-panahy mafy anefa ny "Fanambaràna ny fahaleovantenan' ny Fanjakan' i Israely" ankehitriny izay mampifandray azy amin' io tany io.

Loharano sy fanamarihana

Tags:

Fanjakan' i Israely (Samaria)Fanjakan' i JodàFiteny hebreoJiosy

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

SiberiaAndoni Goikoetxea17 MartsaTanakhSouclinAntoko pôlitika malagasyTsinyShen KuoCurrent eventsLa BazeugeFanatontoloana2022Fiadiana ny tompondaka eran-tany ho an’ny kitra 2010Sikidy malagasyLisitry ny zavatra madinidinika 22001-23000ÉcoivresKôtidivoaraTena Fiangonan' i JesoaEmpira ÔtômànaL'Express de MadagascarFiteny tamilyJulian SchieberAndrianaZivaArphy5 OktobraWilliam ShakespeareFanalan-jazaSahih al-BukhariPaoly (apôstôly)Vohimasina NordFanjakan' ImerinaLazaina (fitsipiteny)JeôgrafiaVladimir PoutineFiangonana Loterana MalagasyBetsimisarakaLisitry ny gazety ao MadagasikaraRosiaFarihy Malawi11 NovambraCarlos CorreaSochiAllemant, MarneSakalavaGugnécourtX-SAMPASodàna AtsimoKabary famangianaMaltaAlahamadySebastián BattagliaFivavahanaLake Wynonah, PennsylvaniaCalvin CoolidgeVertonJapànaLeopold II, mpanjakan' i BelzikaBatmanAlbert EinsteinFizaran-taona1754AdijadyFiteny albaneyFiteny pôlôneyAtômaMoritz Anton CappellerMouvement Démocratique de la Rénovation MalgacheCocoa Beach, FloridaIngosetiaFritz HaberKurt Gödel🡆 More