25°01′57″S 46°59′00″E / 25.032490°S 46.983290°E / -25.032490; 46.983290
Tolagnaro | ||
Velarantany | 31,17 km2 | |
Isam-ponina | 67 284 mponina | |
Tanànan-dehibe | NC | |
Ben'ny tanàna | NC | |
Firenena | Madagasikara | |
Faritany | Toliara | |
Faritra | Faritra Anosy |
I Tolagnaro na Fort-Dauphin dia kaominina malagasy ao amin' ny Distrikan' i Tolagnaro, ao amin' ny Faritra Anosy ao amin' ny Faritanin' i Toliara eto Madagasikara, tanàna renivohitry ny Faritra Anosy any amin' ny tendro atsimo-atsinanan' i Madagasikara. 1 122 km any atsimon' Antananarivo no misy azy. Manana toeram-pitsangantsanganana maro sady tsara.
Ireto avy ny mety hanorantana na hanononana ny anaran' io tanàna io: Tolagnaro, Tolañaro, Tolanaro, Taolagnaro, Taolañaro, Taolanaro, Tôlagnaro, Tôlañaro, Tôlanaro, Fort-Dauphin, Faradofay, Faradifay, Farady.
Any amin' ny 620 km miala an’ i Toliara no misy azy ary eo amin’ ny 1 122 km miala an' Antananarivo. Mifandray amin' Antananarivo amin' ny alalan' ny lalam-pirenena faha-7 sy faha-13 (Antananarivo – Ihosy – Betroka – Ambovombe – Tolagnaro) ity kaominina ity. Azo atao ihany koa ny manaraka ny lalam-pirenena faha-13 sy faha-10 avy any Toliara (Toliara - Betioky - Ampanihy - Beloha - Ambovombe - Tolagnaro). Noho ny fisian' ny lalam-pirenena faha-12a dia afaka mifandray amin' i Vangaindrano, izay any amin' ny ilany atsinanan' ny Nosy, koa i Tolagnaro. Tsy azo aleha anefa io lalana io mandritra ny vanim-potoan' ny orana.
Ny rotsak' orana any Tolagnaro dia 1 700 mm eo ho eo, noho ny tendrombohitra manakana ny rivotra mandro any andrefan' ilay tanàna. Noho izany, maitsomaitso kokoa noho ny faritra manodidina ny tanin' i Tolagnaro.
Ny salan-kafanana any dia 23 °C ary miakatra hatrany amin' ny 26 °C na midina hatrany amin' ny 20 °C arakaraka ny volana.
Ny Pic Saint Louis no tendrombohitra avo indrindra ao Tolagnaro, ary any avaratry ny ny tanàna no misy azy.
Iray amin' ny kaominina miisa 25 mandrafitra ny Distrikan' i Tolagnaro ny kaominina ambonivohitr' i Tolagnaro.
Mifandray amin' Antananarivo amin' ny alalan' ny lalam-pirenena faha-7 sy faha-13 (Antananarivo – Ihosy – Betroka – Ambovombe – Tolagnaro) ity kaominina ity. Azo atao ihany koa ny manaraka ny lalam-pirenena faha-13 sy faha-10 avy any Toliara (Toliara - Betioky - Ampanihy - Beloha - Ambovombe - Tolagnaro). Noho ny fisian' ny lalam-pirenena faha-12a dia afaka mifandray amin' i Vangaindrano, izay any amin' ny ilany atsinanan' ny Nosy, koa i Tolagnaro. Tsy azo aleha anefa io lalana io mandritra ny vanim-potoan' ny orana.
Ny faritan' ny Tolagnaro dia onenan' ny foko antanosy. Tamin' ny fanisana tamin' ny 1975 dia 19 605 ny isan' ny mponina tao Tolagnaro. 30 690 izany tamin' ny taona 1993 ary 39 000 tamin' ny taona 2001. Tamin' ny taona 2010 dia 46 000 ny isan' ny mponina ao Tolagnaro.
Renivohi-paritany eto Madagasikara
Renivohi-paritra eto Madagasikara
Samihafa
I Wiki Commons dia manana aino aman-jery mikasika an'i : Fort Dauphin, Madagascar |
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Tolagnaro, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.