Fiekem-Pinoana Silamo

Ny fiekem-pinoana silamo izay atao hoe Shahâda dia anisan' ireo andry dimin' ny fivavahana silamo (arkān).

Io no andry voalohany. Atao hoe ٱلشَّهَادَة / aš-šahāda) izany amin' ny teny arabo.

Fiekem-Pinoana Silamo
Shahâda

Ny andry efatra manaraka dia ireo vavaka dimy fanao isan’ andro (salat) izay ialohavan’ ny fidiovana manaraka fombafomba, ny fifehezana (anisany ny fifadian-kanina) amin’ ny volana Ramadany (sawm), ny fanefana ny asa fiantrana (zakat) ary ny fanatanterahana fivahiniana masina (hadj) any amin’ ny tanàna masin’ i Meka amin’ ny fotoana maha afaka ara-batana sy ara-bola ny mpino.

Izao ny endriky ny Shahada ao amin' ny sonisma:

أَشْهَدُ أَنْ لَا إِلَٰهَ إِلَّا ٱللَّٰهُ وَأَشْهَدُ أَنَّ مُحَمَّدًا رَسُولُ ٱللَّٰهِ / “ʾašhadu ʾan lâ ʾillâha ʾillâ -llâh, wa-ʾašhadu ʾanna Muḥammadan rasûlu-llâh”

("Mijoro vavolombelona aho fa tsy misy andriamanitra hafa afa-tsy i Allah ary mijoro vavolombelona aho fa i Mohamady no Irany".).

Izany fiekem-pinoana izany, izay ambara rehefa miova ho amin’ ny finoana silamo ny tena na tononina farany eo am-pialana aina, dia tokony ataon’ ny Mozilmàna rehetra ampahibemaso fara-fahavitsiny indray madeha ao amin’ ny androm-pianany. Tononina eo an-tsofin' ny zaza vao teraka koa ny Shahâda ary ny olona efa ho faty dia tokony hanonona azy alohan' ny hialany aina. Anisan' ny atao hoe Adhân (arabo: أَذَان "antso") izay ataon' ny Mu'adhdhin (arabo: مؤذّن "mpiantso") izy, dia ilay fiantsoana ny mpino atao eny amin' ny mi'dhana ("tilikambo fiantsoana") mba ho tonga hivavaka.

Jereo koa

Tags:

Andry dimin' ny finoana silamoFiteny arabo

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Fiangonana ôrtôdôksa tatsinananaPoaceaeFiteny iraniana1200WikipediaKalsiômaQasr-e Qand2016Didy FoloEglizy katôlika rômaninaFanonganam-panjakanaKataraFivavahana iranianaAmbitsyVolgataJibotỳDanemarkaHypertext Markup LanguageTranombakokaU21 MeyBatismaAsabotsyTanzaniaFahefana mpanatanterakaAveloSokyFivavahan-drazana malagasyEspainaFirenenaAsan' ny ApôstôlyImmanuel Kant6 AogositraFiteny aromanianaMadagasikaraTesalônikaTrombaAntankaranaMontanaFitampoha1603RanoFitrandrahana harena an-kibon' ny tany eto MadagasikaraFanahy (kolontsaina malagasy)Ranavalona IISoratraFifandraisan-davitraSaonjoJodaismaTorkia1744JapànaFiteny anglisyFloridaFanahySokajin-tenyAntandroyPôlinezia Frantsay1954Teôlôjia dôgmatikaPellevoisinFanahin' ny vatanaFivarotana andevoFarao ao amin' ny BaibolyBirikyFahitalavitra1970VoronaRepoblika Demokratika MalagasyLisitry ny firenenaLisitr' ireo mpanjaka merinaTestamenta TalohaFiteny nôrvezianaPôlitika eto MadagasikaraRanavalona I🡆 More