Rotaka Tamin' Ny Taona 1972

Ny rotaka tamin' ny taona 1972 dia andiana hetsi-panoherana nataon' ny tantsaha sy ny mpianatra teto Madagasikara teo anelanelan' ny Aprily 1971 sy Mey 1972, izay nitarika ny firodanan' ny Repoblika Voalohany teo amin' ny fitondran' i Philibert Tsiranana.

Rotaka Tamin' Ny Taona 1972
Ny rotaka tao Antananarivo no nahavoadoro ny Lapan' ny Tanàna tamin' ny taona 1972

Zava-nisy manodidina

Nahazo fahaleovan-tena tamin' i Frantsa indray i Madagasikara tamin’ny taona 1960. Tsy tamin' ny fifidianana andraisan' ny daholobe anjara no nisafidianana ny filoha voalohan' ny firenena, Philibert Tsiranana, fa natolotry ny Antenimierandoholona, ​​izay nanjakan' ny Parti Social Démocrate (PSD) be mpomba an' i Tsiranana. Ny PSD dia nateraky ny Parti des Déshérités de Madagascar (PADESM), antoko mpomba ny Frantsay, mpomba ny Tanindrana natsangana ho setrin' ny fananganana ny Mouvement Démocratique de la Rénovation Malgache (MDRM) tamin' ny taona 1946 natsangan' ireo sangany tao amin' ny Merina, izay natahoran' ny Tanindrana maro fa hanandrana hamerina indray ny fitondrana merina izay nisy teo ambanin' ny Fanjakan' Imerina talohan' ny fanjanahan-tany. Tamin' ny fitondran' i Tsiranana dia mbola nisy hatrany ny herin' ny Frantsay. Tamin' ny taona 1969, ny vahiny no nifehy ny 95 % amin' ny sehatry ny indostria môderina ary niantoka ny ampahefatry ny vokatry ny voly rehetra fanondrana, na dia eo aza ny ampahany kely amin' ny mponina. Ny fivarotana entana vita hodina dia nofehezin' ny mponina avy any Azia Atsimo, raha ny Frantsay kosa no tompon' ny orinasa mpanafatra entana. Na dia nanana ny fotoana nampiroborobo ny toekarena aza i Madagasikara nandritra ny ampahany be tamin' ny Repoblika Voalohany, dia nahitana fitotonganana sy faharatsiana ny fiainana teto Madagasikara tamin' ny faramparan' ireo taona 1960, izay nateraky ny toe-karena maneran-tany tamin' ny ankapobeny, saingy tsy nisy vokany sy mangina ny valin-tenin' i Tsiranana.

Nanomboka nitombo ny tsy fankasitrahan' ny vahoaka ny fitondrana Tsiranana. Anisan' ny nanakiana mafy azy i Monja Jaona, mpanao pôlitika tandroy tao amin' ny antoko Mouvement National pour l'Indépendance de Madagascar (MONIMA) izay efa niasa roa taona tamin' ny naha ben' ny tanànan' i Toliara azy (1959–1961) talohan' ny nandroahana azy tamin' ny alalan' ny pôlitikam-pahefana. Nanomboka tamin' izay i Monja Jaona no namolavola endrika ho mpanohitra sy tompondakan' ny fitaomana ny sarambabem-bahoaka hanohitra ny pôlitikan' ny PSD izay tsy dia malaza loatra, ao anatin' izany ny fifandraisana ara-toekarena sy ara-kolontsaina nahitana taratra ny fanjanahan-tany amin' ny endriny vaovao tamin' i Frantsa izay notohizan' ireo sanga ara-pôlitika tao amin' ny PSD.

Nandritra ny folo taona voalohany nanjakan' ny PSD teo amin' ny pôlitika malagasy, dia nanjary niha tsy nifantoka tamin' ny tanjona iraisan' ny mpikambana ao amin' ny PSD ny momba ny fisorohana ny fifohazan' ny fahefan' ny Merina toy ny tamin'ny Fanjakan' i Madagasikara teo aloha, ary bebe kokoa ny fampitomboana ny tombontsoa ara-pôlitika sy ara-bola ho an' ny foko manokana misy azy. Tamin' ny taona 1970 dia nisy ny disadisa mafy teo anivon' ny PSD teo amin' ny fiaraha-miasan' ireo mpikambana ao amin' ny Tavaratra sy Tandrefana – anisan' izany ny filohana tsimihety Tsiranana – sy ireo mpikambana any amin' ny faritra atsimon' ny Nosy, izay somary voailikilika sy niha-miombom-po amin' i Monja Jaona. Mba hanesorana an' i Monja Jaona sy hanapotehana ny antoko MONIMA, dia nanao tetika ny PSD ka nanatona an' i Monja Jaona ny minisitry ny Atitany Andre Resampa avy any Morondava, tamin' ny 10 Marsa 1971, mba hanentanana azy hitarika hetsika hanonganana an' i Tsiranana. Ny hetsika nataon' i Monja Jaona tamin' ny farany dia nahatonga ny PSD hisamborana ny mpitarika sy ireo olo-malaza hafa ao anatin' ny fikomiana, izay nosakanan' izy ireo mba tsy hitomboan' izany ka tsy hampidi-doza. Nanantena ihany koa ireo mpanolotsaina an' i Tsiranana fa ny fisamborana an' i Monja Jaona dia hanakivy sy hampikorontan-tsaina ny mpanao pôlitika PSD any atsimo sy amin' ny tanàna misy azy ireo, ary hanamafy ny fifehezan' ny faritra avaratra ny antoko sy ny pôlitikan' ny firenena.

Hetsi-panoheran' ny tantsaha tamin' ny taona 1971

Nandrisika ny tantsaha mitam-piadiana hanao fihetsiketsehana tao Toliara i Monja Jaona tamin' ny fiandohan' ny volana Avrily 1971. Ny MONIMA dia noravana tamin' ny didy ôfisialy tamin' ny 3 Avrily 1971. Ny 6 Avrily, i Tsiranana dia nanao lahateny tamin' ny onjam-peo izay nanome tsiny an' Monja Jaona tamin' ny fandatsahan-dra vokatry ny fifandonana teo amin' ny polisy sy ny mpitolona mitam-piadiana ary niampanga azy ho kômonista; nolavin' i Monja Jaona mafy izany, ka nilaza ny tenany ho nasiônalista hatramin' ny andro nahaterahany izy. Ny 12 Mey dia tonga tao Toliara nihaona tamin' i Monja Jaona i Tsiranana sy ny minisitra enina, anisan' izany i Resampa. Nanaiky hiresaka amin' ny filoham-pirenena ihany ny mpitarika ny MONIMA raha azo atao amin' ny teny malagasy ny resaka fa tsy amin' ny teny frantsay, dia nanaiky an' izany i Tsiranana. Nambaran' i Monja Jaona fa nitady fomba hiaraha-miasa amin' ny filoham-pirenena izy, ka dia navoaka avy tao am-ponja.

Na dia efa voarava haingana aza ny hetsika ary noravana ny MONIMA, dia nisy fiantraikany lehibe teo amin' ny fiheveran' n vahoaka an' i Tsiranana ny zavatra nataon' i Monja Jaona. Simba ny fiheveran' ny vahoaka malagasy ny tanindrazany ho firenen' ny moramora sy ny fiheverany ny filohany voalohany amin' ny maha-mpitarika voadio azy, noho ny famongorana an-kerisetra ilay hetsi-panoherana izay nazava fa tsy mampidi-doza.

Hetsi-panoherana nataon' ny mpianatra tamin' ny taona 1971 sy 1972

Tamin' ny 24 Marsa 1971, nanomboka nanao hetsi-panoherana ny mpianatra tao amin' ny College de Medicine tao Antananarivo mba hanehoana ny fandavan' ny vahoaka ny pôlitika sy ny famoretana ataon' ny fitondran' ny filoha Tsiranana izay endrika vaovaon' ny fanjanahan-tany. Vetivety dia niely ny hetsi-panoherana ka nahitana mpianatra miisa 5 000 manerana ny tooeram-pianarana maro ao amin' ny Oniversiten' Antananarivo. Namaly izany i Tsiranana tamin' ny fanakatonana vonjimaika ny oniversite sy ny fandrarana ny fivorian' ny fikambanan' ny mpianatra, nefa mbola manome alalana ny vondron' ny mpianatra sôsialista miara-dia amin' ny PSD. Notaterin' ny fampahalalam-baovao ity hetsi-panoherana ity sy izay nitranga tao Toliara, nanentana ny mpianatra eny amin' ny lisea sy ny kôlejy mba hanao fihetsiketsehana ho firaisan-kina nanomboka tamin' ny 19 Avrily. Natsangana ny komity izay nahotana mpianatra, mpiasa amin' ny haino aman-jery, mpisolovava ary olo-malaza hafa hitaky vaovao momba ireo voafonja nalefa any Nosy Lava, izay niafara tamin' ny famotsorana haingana ireo Tatsimo notanana tao amin' ny fonjaben' ilay nosy.

Tamin' ny 24 Avrily 1972, nanao hetsi-panoherana ho firaisan-kina tamin' ireo mpianatry ny oniversite mpitsabo ao an-tanàna ireo mpianatry ny sekoly ambaratonga faharoa tao Antananarivo renivohitra mba hanohanana ny fanavaozana ny fandaharam-pianarana izay mbola ilay tamin' ny andron' ny fanjanahantany sy handroahana ireo mpampianatra avy any Frantsa. Notifirin' ny mpitandro filaminana ny mpianatra mpanao fihetsiketsehana tao Antananarivo tamin' ny 13 Mey.

Taorian' ny rotaka

Tao anatin' ny andro vitsivitsy dia nanambara ny fametraham-pialàny i Tsiranana ary napetraka ny fitondrana tetezamita teo ambany fitarihan' ny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa. Ny tarika Mahaleo, izay malaza eto Madagasikara dia noforonin' ireo mpianatra teny amin' ny lisea izay nanao fihetsiketsehana tao amin' ny sekoliny tao Antsirabe.

Jereo koa

Tags:

Rotaka Tamin' Ny Taona 1972 Zava-nisy manodidinaRotaka Tamin' Ny Taona 1972 Hetsi-panoheran ny tantsaha tamin ny taona 1971Rotaka Tamin' Ny Taona 1972 Hetsi-panoherana nataon ny mpianatra tamin ny taona 1971 sy 1972Rotaka Tamin' Ny Taona 1972 Taorian ny rotakaRotaka Tamin' Ny Taona 1972 Jereo koaRotaka Tamin' Ny Taona 1972MadagasikaraPhilibert Tsiranana

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Fahefana Avon' ny TetezamitaFahefana mpanao lalànaJiosyImmanuel KantMozikaKabary tera-baoFiangonana Jesosy MamonjyHasina (zavamaniry)Bootjack, KaliforniaDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)David N'GogAhidamboPelikanaAsa AkiraTantaran' i MadagasikaraMaoritaniaEorôpa AtsimoLisitry ny firenenaAdaoroSilamoFiteny araboMahabad, IsfahanTranombakokaAdy an-tranoFiangonana Protestanta Vaovao eto Madagasikara1997Ralaimongo JeanAdimizanaPalmdale, KaliforniaPaska jiosyAsabotsyQasr-e Qand5 AprilySodànaFampihorohoroanaFiangonana Loterana MalagasyFanekem-pinoana nikeanaRadama IIAntesakaOperaKyivFanahin' ny vatanaAljeriaVikingy (vahoaka)Aostralia1970Aterineto1737Bokin' i DanielaVintana (finoan-drazana malagasy)Fanahy (kolontsaina malagasy)Wikipedia amin'ny teny malagasyPoaceaeIsam-poninaMôralyFisaraham-pahefanaBokin' i Ezekiela1960LambamenaKalsiômaBenito MussoliniPaskaFanambadianaInternet Explorer10 AprilyTanyLimaLozan' ny fananana iombonanaKônfesyAlemainaLloyd KaufmanTsekia🡆 More