Madagasikara Repoblika Fahefatra

Ny Repoblikan' i Madagasikara na Repoblika Fahefatra dia repoblika fahefatra eto Madagasikara, nanaraka ny Repoblika Fahatelo (izay nantsoina hoe Repoblikan' i Madagasikara ihany koa), izay niforona nandritra ny Tetezamita notarihin' i Andry Rajoelina sady nambarany ny fijoroany tamin' ny 11 Desambra 2010 tao Antananarivo.

I Andry Rajoelina, izay filohan' ny Tetezamita tamin' izany fotoana izany, no nitondra nandritry ny fiandohan' io Repoblika io nanomboka tamin' ny fanambaràna azy hatramin' ny faran' ny taona 2013. Nandimby azy i Hery Rajaonarimampianina tamin' ny alalan' ny fifidianana tamin' io taona io. Taorian' ny filaharana an-dalabe tao Antananarivo dia nisy fifidianana tamin' ny taona 2018, izay nahalany filoham-pirenena an' i Andry Rajoelina.

Madagasikara Repoblika Fahefatra
Mari-piandrianan' ny Repoblikan' i Madagasikara

Fitondrana tetezamita

Hetsi-panoherana

Nakaton’ ny minisitry ny fitondrana Marc Ravalomanana ny fahitalavitra Viva an' i Andry Rajoelina, ben' ny tanànan' Antananarivo, izay nandefa vaovao momba ny filoha teo aloha Ratsiraka. Niteraka fanoherana sy fihetsiketsehana izany fanapahan-kevitra izany. Tamin' ny Janoary 2009, nitanga tao an-drenivohitr' i Madagasikara ny korontana mahery vaika, nampitombo ny fanoherana sy ny fihetsiketsehana ny mpanohana ny ben' ny tanàna. Tamin' ny 26 Janoary 2009 no nitondran’ i Andry Rajoelina ny mpomba azy hidina an-dalambe tao an-drenivohitra. Nanafika ny fahitalavi-bahoaka sy ny radiom-pirenena ary ny fananan’ ny filoha Ravalomanana ny mpanohana ny hetsika volomboasary. Orinasa maromaro ihany koa, izay tsy an’ ny filoha no voaroba sy nodorana. Tamin’ ny 31 Janoary 2009 no nanambaràn' i Andry Rajoelina ny tenany ho "mitantana" ny Repoblikan' i Madagasikara.

Fakana fahefana

Tamin’ ny 7 Febroary 2009 i Andry Rajoelina dia nanendry ny praiministrany, Monja Roindefo, teo amin’ ny Kianjan' ny 13 Mey ka nanome azy ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra. I Monja Roindefo no mitarika ny hetsika fakana ny lapa. Nirohotra nankany an-dapa ny vahoaka, nitifitra ny mpiambina ka maro ny maty sy naratra.

Tamin’ ny 16 Marsa 2009 hariva dia lasan’ ny miaramila mpikomy ny lapan' Ambohitsorohitra. Tamin' ny 17 Marsa 2009 dia voatery nametra-pialana i Marc Ravalomanana ka namindra ny fahefana tamin’ ny Direktoara miaramila, notarihin’ ny jeneraly telo. Taorian' izany dia noteren’ ny miaramila hamindra ny fahefana amin' i Andry Rajoelina ireto jeneraly telo ireto..

Andry Rajoelina, filohan' ny Tetezamita

Nanolotra an' i Andry Rajoelina ny fahefana maha filohan' ny Fahefana Avon' ny Tetezamita (FAT) azy, mandra-piandry ny fanatanterahana ny fifidianana vaovao izay hatao ao anatin’ ny 24 ho avy (izay tsy tanteraka raha tsy afaka dimy taona). Namindra ny fahefany amin' i Monja Roindefo ny jeneraly Charles Rabemananjara izay isahana  ny asan’ ny praiminisita vonjimaika.

Ny fivorian' ny ankolafy efatra tany Addis Abeba dia niafara amin' ny fanaovan-tsonia ny lalàna fanampiny ao amin’ ny Satan' i Maputo izay nanendry ny tompon' andrikitra amin' ny fiaraha-mitatana, ka i Andry Rajoelina no filohan’ ny Tetezamita ary i Eugène Mangalaza no praiminisitra. Niteraka olana maro anefa ny firafitry ny governemantan’ ny firaisam-pirenena, tsy mahita marimaritra iraisana ny ankolafy. Ny 18 Desambra 2009 no nanao sonia ny idy hitsivolana (No. 2009-018) ny FAT, handaminana ny fitondrana Tetezamita ka tapitra teo ny fisian’ ny fiaraha-mitatana.

Tamin' ny fitsapan-kevi-bahoaka tamin' ny 17 Nôvambra 2010 tamin' ny alalan' ny fifidianana andraisan' ny rehetra anjara mivantana, ny vahoaka dia nifidy "Eny" na "Tsia" tamin' ny fanovana ny lalàm-panorenana. Io lalàm-panorenana vaovao io dia nambara tamin' ny 11 Desambra 2010, ary nitondra ny firenena mankamin' ny Repoblika Fahefatra.

Hery Rajaonarimapianina, filoham-pirenena

Fifidianana tamin' ny taona 2013

Madagasikara Repoblika Fahefatra 
Hery Rajaonarimampianina

Tamin' ny nahafiloha an' i Andry Rajoelina tamin' ny Martsa 2009, dia nambara izy fa ho atao afaka 24 volana ny fifidianana ny lalam-panorenana vaovao. Ny 25 Aprily 2013, nametraka ny kandidatiorany i Lalao Ravalomanana (TIM). Nilaza i Andry Rajoeelina fa tsy hirotsaka ho kandidà amin' ny fifidianana filoham-pirenena 2013, aloha ny fivadi-keviny tamin' ny 3 Mey 2013. Saingy noteren' ny fianakaviambe hanaisotra ny firotsahany hofidiana, niaraka tamin' i Lalao Ravalomanana sy Ratsiraka Didier. Nandiso fanantenana an' i Frantsa ny fiovan-kevitr' i Rajoelina ary ny fanekena ny kandidatioran' i Didier Ratsiraka ary Lalao Ravalomanana. Misy koa ireo kandidà tsy manaiky izay fanapahan-kevitra izany. Ny antony dia ny tsifamenoan' ireo kandidà roa ireo ny fepetra mikasika ny kandidatiora, ary ny fanekena ny kandidatioran' i Rajoelina izay efa tafahoatry ny daty.  

Ho solon' ireo olona voaesotra ireo, dia nanolotra an' i Hery Rajaonarimampianina ny kandidà Roger Kolo ary Jules-Étienne, izay manao an' i Rajaonarimampianina ho kandidà farany afaka milatsaka hofidina.

Fitondran' i Hery Rajaonarimampianina

Tamin’ ny 17 Janoary 2014 no nambaran' ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny valim-pifidianana ho filohan' ny Repoblika tamin' ny fomba ôfisialy i Hery Rajaonarimampianina, ka 53,49 %n' ny vato no azony .

Vetivety dia niatrika olana maro ny filoha, ka tsy afaka nanendry praiminisitra taorian' ny roa volana sy tapany. Tamin' ny farany dia i Roger Kolo no voatendry ho praiinisitra. Mbola niteraka olana ho an' ny filoha ihany koa ny fametraham-pialan' i Kolo taty aoriana. Ny 12 Janoary 2015 no nametra-pialana niaraka, tamin’ ny governemantany ny praiminisitra, taorian' ny fanakianana maro. Tamin' ny volana Jona 2017 dia nigadra ilay vehivavy mpandraharaha Claudine Razaimamonjy, mpanolotsaina manokan' i Hery Rajaonarimampianina sady mpikambana mpanorina ny Hery Vaovao ho an' i Madagasikara (HVM), noho ny fanodinkodinam-bolam-panjakana sy ny fanararaotam-pahefana ary ny fiangarana amin' ny fanomezana tsenam-baro-pajakana.

Tamin' ny 26 Mey 2015 no nandatsa-bato handroahana an-dRajaonarimampianina ny solombavambahoaka. Noho ny tsy fisian’ ny mpikambana ao amin’ ny antoko HVM voafidy tao amin’ ny Antenimierampirenena no tena anton’ izao fifidianana izao. Nolavin' ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny 13 Jona 2015 ilay fangatahana fandroahana ny filoha.

Tamin' ny 26 Avrily 2018, nangataka ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny mpanohitra mba hanesorana ny filoha. Tamin' ny 25 Mey 2018 dia nanome folo andro ny filoha mba hanendry governemantan' ny firaisam-pirenena. Nasainy ihay koa i Hery Rajaonarimampianina mba hametra-pialana ao anatin’ ny enimpolo andro mialoha ny fifidianana filoham-pirenena, raha te hilatsaka hofidina indray izy.

Tamin’ ny 1 Jona 2018 dia nanome ny praiminisitra hatramin’ ny 5 Jona ny Fitsarana Tampony mba hialany amin’ ny asany ary hatramin’ ny 12 Jona ho an' ny fanendrena izay handimby azy. Tamin’ ny 3 Jona, tsy nety nanendry ny iray amin’ ny olona telo natolotry ny mpanohitra hitondra ny governemanta ny filoha.

Tamin’ ny 4 Jona 2018 dia nanambara ny fialany i Olivier Mahafaly Solonandrasana taorian’ ny fangatahan’ ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny fanendrena ny "praiminisitry ny marimaritra iraisana” mba hialana amin' ny krizy pôlitika. Tamin’ ny 4 Jona 2018 dia nomena andraikitra hanangana governemanta i Christian Ntsay. Tamin’ ny 11 Jona no nitsangana ny governemanta.

Tamin’ ny 17 Aogositra 2018 no nanambaràn' i Hery Rajaonariamampianina ny firotsahany hofidiana amin' ny fifidianana filoham-pirenena malagasy. Tamin' ny 7 Septambra 2018 dia niala tamin’ ny maha filohan' ny repoblika azy izy ka afaka nandray anjara tamin' ny latsa-bato .

I Rivo Rakotovao dia lasa filoha mpisolo toerana amin' ny maha Filohan' ny Antenimierandoholona azy. Amin' ity tranga ity, ny filohan' ny Antenimierandoholona dia mampiasa ny fahefan’ ny filoham-pirenena andavanandro mandra-pahatongan' ny fametrahana ny filoha vaovao.

Nahazo vato 8,82 % izy dia nihintsana tamin' ny fihodinana voalohany izy. Tsy manome toromarika momba ny latsa-bato ho an' ny fihodinana faharoa izy, fihodinana izay nifanadrenan’ ny filoham-pirenena teo aloha Andry Rajoelina sy i Marc Ravalomanana.

Andry Rajoelina, filoham-pirenena

Madagasikara Repoblika Fahefatra 
Andry Rajoelina

Fahalaniana ho filoham-pirenena

Ny fifidianana natao tamin' ny ny volana Desambra 2018 no nitondra an' i Andry Rajoelina teo amin' ny fitondrana ny firenena mandritra ny dimy taona. Nandrombaka ny fandresena tamin' ny fifidianana solombavam-bahoaka tamin' ny volana Mey 2019 ihany koa izy ary nahazo ny maro an' isa tanteraka tao amin' ny Antenimierampirenena.

Zaava-nitranga nandritra ny fitondrana

Ny valanaretina Covid-19

Tamin' ny 20 Marsa 2020 vao fantatra amin' ny fomba ôfisialy ny fisian' ny valanaretin' ny Covid-19 eto Madagasikara, araka ny fanambaràna nataon' ny fitondram-panjakana malagasy, taorian' ny fisalasalana hanakatona ny sisintany. Nisy fiantraikany ratsy tamin' ny toekaren' i Madagasikara izany. Tamin' ny 08 Avrily 2020 ny filoham-pirenena Andry Rajoelina dia nanao fanambaràna momba ny fahitana tambavy fisorohana ny Covid-19 sy fanasitranana ny marary, dia ny tambavy nohatsaraina vokarin' ny Institut Malgache de Recherche Appliquée, nomena ny anarana hoe Covid Organics na Tambavy-CVO, izay fifangaroan-tsinga avy amin' ny zavamaniry Artemisia annua sy zavamaniry hafa (isan' izany ny ravintsara) fanao tambavy koa . Tamin' ny 20 Avrily 2020 ny fitondrana malagasy no nanomboka nampiasa ny CVO. Na dia izany aza dia nitombo ka nahatratra 3 472 ny isan' ny olona efa voan' ny Covid-19 ary miisa 33 ny matin' io valanaretina io tamin' ny 07 Jolay 2020.

Ny kere tamin' ny taona 2021

Tamin' ny volana Jona 2021 dia nisy hain-tany mahery vaika nahatonga olona an' aliny no mijaly noho ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimon' ny firenena. Niara-nanambara ny ny tetika hiadiana amin' ny hanoanana ny fitondram-panjakana sy ny masoivohon' i Etazonia eto Madagasikara . Tamin' ny faran' ny volana Jona 2021, ny Fandaharan' Asa maneran-Tany momba ny Sakafo (PAM) dia nitatitra fa ny 75 % amin' ny ankizy dia nandao ny sekoly ary lasa mangataka na nitady sakafo. Efa hita mialoha tamin' ny taona 2020 ny famantarana ny tsy fanjarian-tsakafo nefa toa nisalasala tsy nanaiky ny zava-misy ny manampahefana malagasy, na dia efa nisy fanairana marobe voarakitra nandritra ny volana maromaro, anisan' izany ny an' ny Firenena Mikambana . Nifanohitra amin' ny fanadihadiana nivoaka tamin' ny 1 Desambra 2021 nataon' ny World Weather Attribution ny filazana fa vokatry ny fiovaovan' ny toetradro ny mosary nitranga taty Madagasikara .

Jereo koa

Loharano sy fanamarihana

Tags:

Madagasikara Repoblika Fahefatra Fitondrana tetezamitaMadagasikara Repoblika Fahefatra Hery Rajaonarimapianina, filoham-pirenenaMadagasikara Repoblika Fahefatra Andry Rajoelina, filoham-pirenenaMadagasikara Repoblika Fahefatra Jereo koaMadagasikara Repoblika Fahefatra Loharano sy fanamarihanaMadagasikara Repoblika FahefatraAndry RajoelinaAntananarivoFahefana Avon' ny TetezamitaMadagasikaraRajaonarimampianina HeryRepoblikan' i Madagasikara (1992-2009)

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

AndriantsolyBiôgrafiaZava-mahadomelinaAndrianaSihanakaFiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto MadagasikaraApôstôly roa ambin' ny foloTanyKalandrie litorjika katôlika rômaninaFitodika sehatraTovo J'HayTorontoJapànaFanekem-pinoana apôstôlikaNiels HansenFivavahan-drazana malagasyKanaana (zanak' i Nôa)Raki-pahalalanaSola ScripturaSikidy malagasyAdriamandazoalaSokajin-tenyRatsiraka DidierAostraliaVolahavana GermaineRadama VoalohanyFoko eto MadagasikaraMalagasy (vahoaka)AnjelyAsaramanitra (volana malagasy)AntemoroRobin WilliamsAndron'ny Fetin'i PatrisyGdańskEtazoniaFanambadianaRosiaMiguel Ángel Rodríguez EcheverríaFiloham-pirenena sy mpanjakan'i MadagasikaraKareem Abdul-JabbarZanahary (finoan-drazana malagasy)SimiaZanak' i IsraelyBetsimisarakaÔseaniaAmbongoKarl MaloneFirenena MikambanaFahafatesan'i Baby PJared CohonEsther RandriamamonjyBetsiboka (renirano)Fiteny malagasyHermann LeyEglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)Fiteny betsileoBaolina kitraHerinandro MasinaEpistily katôlikaFiombonan' ny Fiangonana Protestanta eto MadagasikaraMpampiankinaTorkiaCarl Friedrich GaussOmby volavitaAsorotanyVarotra🡆 More