Ny Quốc ngữ (sinograma : 國語 ; kwok˧˥ ŋɨ˧ˀ˥) midika «fanoratana ny tenim-pirenena») dia dikan-tsoratra amin'ny abidy latina ny fiteny vietnamiana manana sata ofisialy.
Ny abidy latina ampiasaina dia miampy mari-tsoratra (diakritika) maromaro hanehoana ny feo ary ny haabom-peon'ny fiteny vietnamiana.
Ny quốc ngữ dia nanolo ny fanoratana ny fiteny vietnamiana amin'ny alàlan'ny sinôgrama (mitondra ny anarana chữ nôm). Nanomboka tamin'ny taonjato faha 12 ny fiteny vietnamiana no nosoratana: izay no nipoiran'ny chữ nôm na «soratra sinoa», avy amin'ny chữ nho, anarana hafan'ny fiteny sinoa netnindrazana; ny fiteny sinoa nentindrazana dia fiteny nampiasain'ny fandraharahana sy ny fahefana nandritry ny fanjakazakan'ny sinoa (nanomboka tamin'ny -111 hatramin'ny taona 939).
Tamin'ny 1527, nanomboka nampiasa ny abidy latina ny jezoita portogey hanoratana ny fiteny an-toerana. I Alexandre de Rhodes (1591-1660), jezoita teraka tao Avignon, no nanatsara ny fomba fandikana an-tsoratra nampiasain'ny misionera nialoha azy. Ny boky voalohany nopirintiana tamin'ny soratra latina voalohany dia raki-bolana vietnamiana-portogey-latina nivoaka tamin'ny 1651, ny Dictionarium Annamiticum Lusitanum et Latinum, avy amin'ny diksionera portogey-vietnamiana nataon'i Gaspar do Amaral sy António Barbosa.
Ilay fandikana an-tsoratr'i Alexandre de Rhodes dia lasa nalaza be ary nahazo ny sata tsipelina ofisialin'ny fiteny vietnamiana tamin'ny 1918 tao amin'ny rafi-pampianarana frantsay ho an'ny tompon-tany mba hahazo na hamoaka mpandika-teny haingankaingana kokoa.
Nahamora ny fampianarana ny fiteny vietnamiana ny quốc ngữ, satria mora ianarana kokoa noho ny fanoratana vietnamiana tsotra mila mahafantatra ny fiteny sinoa. Fanoratana ofisialin'ny fandraharahana vietnamiana ny quốc ngữ hatramin'ny taona 1954. Notazonin'ny mpanjanatany ho teny ofisialin'ny fandraharahana ny fiteny sinoa.
Ny quốc ngữ dia manaraka ny lôjika apetraky ny pinyin: tsy ara-drafipeo ny dikan-tsoratra. Araka ny rafitry ny fiteny «isolant» tsy maimaimpoana ny toerana isian'ny zanapeo sy ny renifeo; ny mandrafitra ny vaninteny iray: fanombohana, voa, kôda, dia tsy azo isian'ny feo sasany.
Ny zanatsoratry ny abidy latina (a, e, i, o, u) dia ampiasiana avokoa miaraka amin'ny litera y, litera mitovy fanononana amin'i i. Mba hahasamihafa ny zanapeo hafa sy ny haabom-peo tsy afaka asehon'ny abidy latina tsotra, mila mari-tsoratra (tsy misy tamba-tsoratra azo hanoratana ny zanapeo afatsy ho an'ny zanapeo sosona avy amin'ny fiteny vahiny). Ny mari-tsoratra fototra ampiasiaina ao amin'ny abidy dia mikasikan'ny zanatsoratra a, e, o ary u, nampiana ireo mari-tsoratra ireo:
Mampiasa ny renisoratry ny abidy latina tsotra ny quốc ngữ, fa tsy misy ny litera f, j, w ary z (mety hita amin'ny teny vahiny na dia izany aza). Ny fanononana ny digrama qu- dia /kw/, ary tsy azo sarahina ireo digrama ireo. Misy digrama hafa ampiasaina : Ch/ch, Gi/gi, Kh/kh, Nh/nh, Ng/ng, Ph/ph, Th/th ary Tr/tr.
Litera | Sanda | Toerana ao amin'ny vaninteny | ||
---|---|---|---|---|
fanombohana | voa | koda | ||
i | /i/ | X | ||
y | /i/ | X | ||
ê | /e/ | X | ||
e | /ɛ/ | X | ||
ư | /ɯ/ | X | ||
u | /u/ | X |
Litera | Sanda | Toerana ao amin'ny vaninteny | ||
---|---|---|---|---|
fanombohana | voa | koda | ||
ô | /o/ | X | ||
ơ | /ɤ/ | X | ||
o | /ɔ/ | X | ||
ă | /a/ | X | ||
â | /ɐ/ | X | ||
a | /ɑ/ | X |
Ahitana grafema 37 ny quốc ngữ (litera 29 ary digrama 8) amin'ny laharana tsotra ; Ny litera fanampiny ampiasaina amin'ny teny vahiny dia apetraka any amin'ny faran'ny laharana :
A/a, Ă/ă, Â/â, B/b, C/c, Ch/ch, D/d, Đ/đ, E/e, Ê/ê, G/g, Gi/gi, H/h, I/i, K/k, Kh/kh, L/l, M/m, N/n, Ng/ng, Nh/nh, O/o, Ô/ô, Ơ/ơ, P/p, Ph/ph, Q/q, R/r, S/s, T/t, Th/th, Tr/tr, U/u, Ư/ư, V/v, X/x, Y/y, [F/f], [J/j], [W/w], [Z/z]
Ny fiteny vietnamiana tsotra dia manana haabom-peo enina, izy ireo dia soratana amin'ny alàlan'ny mari-tsoratra dimy ao amin'ny dikan-tsoratra (ny haabom-peo lemaka dia tsy misy mari-tsoratra). Ny tendro miraika havia, ny faraingo ambony, ny tilda, ny tendro miraika havanana ary ny teboka ambany. Miampy amin'ireo feo roa ambin'ny folo izy mba ahafahana manoratra zanapeo (manan-kaabom-peo na tsia) 72.
Haabom-peo | Ohatra | ||||
---|---|---|---|---|---|
Sokajy | Fiovaovana | Diakritika | Haabom-peo viet. | Teny viet. | Dika |
avo | miakatra | tendro miraika havanana | sắc | có | manana, misy |
miak. misy fijanonana | tilde | ngã | mỹ | amerikana | |
antonontonony | miborera | (tsy misy) | ngang | gai | tsilo |
milatsaka-miakatra | faraingo ambony | hỏi | hưởng | mankasitraka | |
ambany | miborera | tendro miraika havia | huyền | trà | dite |
mihidina misy fijanonana | teboka ambany | nặng | lại | tonga, avy |
Hita ao amin'ny tsipelin'ny quốc ngữ ny akon'ny fiteny romana, portogey indrindra indrindra :
Mora hita ny akon'ny fiteny portogey ao amin'ny tsipelin-teny :
Ny hasarotan'ny quốc ngữ mahakasika ny fanehoana amin'ny informatika dia avy amin'ny isan'ny fahasamihafana ara-drafipeo aseho: renifeo 29 (na 33 miaraka amin'ny renifeo latina tsy nampidirina) ary zanapeo fonolojika 72 manome litera 101 na 105 samihafa, miakatra 202 na 210 io isa io raha isaina miaraka amin'ny lohasoratra.
Rehefa ny soratra ASCII ihany no ananana rehefa manoratra amin'ny fiteny vietnamiana, ampiasaina ny fitsipika napetraky ny Vietnamese Quoted Readable na VIQR, miaraka amin'ny hasarotana mahakasika ny fanakaodiana sy ny zafatra mety hafangaro raha tsy amin'ny fiteny vietnamiana ihany ilay lahatsoratra miaraka amin'ny fijanonan-tsoratra fotony.
Betsaka ny vahaolana hita mba hanala izay hasarotana zizany, fa ny mora indrindra dia tsy manakaody ny diakritikan-kaabom-peo ao amin'ilay litera tokana fa anaty litera manokana misaraka amin'ilay litera, mba hampidina ny isan'ny zanapeo voakody ho roa ambin'ny folo.
Ankehitriny, manolo ny pejin-kaody manokana ho an'ny fiteny iray manokana ny fanakaodiana Unicode.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Quốc ngữ, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.