I Ptôlemaiôsy VII na Ptôlemaiôsy VII Eopatôra na Ptôlemaiôsy VII Neôsy Filôpatôra dia faraonan' i Egipta avy amin' ny fianakaviana lagida, izay nanjaka tamin' ny volana Jolay 145 tal.
J.K. hatramin' ny taona 144 tal. J.K. Tamin' ny faha-13 taonany dia nifampizara ny fitondrana tamin-drainy izy ary lasa nandova ny fanjakana rehefa maty rainy tamin' ny taona 145 tal. J.K. Noho izany dia ny reniny no nisahana vonjimaika ny fanapahana ny fanjakana mandra-pahatanterahan' ny fanambadiany amin' i Ptôlemaiôsy VIII Evergetesy II Trifôna rahalahin-drainy sady mpanjakan' i Kirena any Kirenaika. Te haka ny fiandrianan' i Egipta i Ptôlemaiôsy VIII ka nampamono an' i Ptôlemaiôsy VII tamin' io taona io ihany. Ny mpahay tantara sasany dia mihevitra fa tsy azo lazaina ho tena nanjaka tokoa i Ptôlemaiôsy VII ka tsy tokony homena ilay anaram-boninahitra mitondra an' io laharana io. Izany no mety hahitana ny soratra hoe "Ptôlemaiôsy VII Evergetesy II Trifôna" (misy ny laharana faha-VII fa tsy ny faha-VIII).
Zanaka lahy faharoan' i Ptôlemaiôsy VI Filômetôra tamin' i Kleôpatra II Filômetôra Sôteira izy. Amin' ny teny grika dia atao hoe Πτολεμαῖος Νέος Φιλοπάτωρ / Ptolemaĩos Néos Philopátōr izy, ka ny hoe Néos Philopátōr dia midika hoe "vaovao tian-drainy". Tsy tokony hafangaro amin' i Ptôlemaiôsy Eopatôra rahalahiny i Ptôlemaiôsy VII Eopatôra.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Ptôlemaiôsy VII, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.