Pastora

Ny pastora na pasitera dia olona misahana ny fitantanana sy ny fampianarana ao amin' ny fiangonana, ka ny fiangonana prôtestanta sy ny fiangonana ara-pilazantsara (na evanjelika) no ahitana izany.

Ahitana pastora (diakra na pretra) koa ny fiangonana katôlika na ôrtôdôksa, nefa tsy raisina amin' ny heviny mitovy amin' ny an' ny Prôtestanta na ny Evanjelika ny hevitr' io teny io. Ny pastora ao amin' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy eto Madagasikra dia atao hoe mpitandrina.

Pastora
Martin Luther King (1929-1968), pastora batista.

Ny teny hoe pastora na pastera, izay fanagasiana ny teny frantsay hoe pasteur na ny teny anglisy hoe pastor, izay midika hoe "mpiandry", dia mampahatsiahy ny lohahevitra momba ny "mpiandry tsara" ao amin' ny Baiboly, indrindra ny ao amin' ny Testamenta Vaovao, sy momba ny fanonondroana an' i Jesoa ho ilay "mpiandry tsara".

Fiforonan-teny

Ny teny hoe pastora fanagasiana ny teny anglisy hoe pastor, fa ny teny hoe pasitera kosa doa fanagasiana ny teny frantsay hoe pasteur. Ireo teny ireo dia samy midika hoe "mpiandry" (izany hoe mpiandry andiam-biby fiompy), toy ny omby, ny ondry, ny osy, sns. Ireo teny roa ireo dia avy amin' ny teny latina hoe pastor, izay midika hoe "mpiandry ondry" sady nisampana avy amin' ny matoanteny latina hoe pascere "mampihinana", "mitondra hihinana". Ny mpino kristana izany dia oharina amin' ny andian' ondry izay andrasan' ny mpiandry azy. Eto Madagasikara, ny pastora ao amin' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy eto Madagasikra dia atao hoe mpitandrina.

Fampiasana ny teny ao amin' ny Baiboly

Ao amin'ny Testamenta Taloha

Ao amin' ny Testamenta Taloha dia ampitahaina matetika amin' ny mpiandry ondry Andriamanitra. Ao amin' ny Salamo faha-23, izay isan' ireo salamo fantatra indrindra sady ampahatsiahivina matetika ao amin' ireo fiangonana prôtestanta, indrindra mandritra ny lanonam-pandevenana izay atomboka amin' ny hoe "Jehovah no mpiandry ahy".

Ao amin' ny Testamenta Vaovao

Ao amin' ny Filazantsara

Pastora 
Maniraka an' i Petera i Jesoa, sary nataon' i Raffaello Sanzio, 1515.

Ao amin' ny Testamenta Vaovao ny teny hoe mpiandry dia ampiasaina matetika, isan' ny nampiasa azy koa i Jesoa. Ao amin'ny fanoharana momba ny ondry (ny ondry very ka hita indray, Mat. 18.12; ireo ondry mihaino sy mahafantatra ny feon' ny mpiandry azy). Rehefa mitany ny tenany amin' ny maha mpitari-dalana azy i Jesoa dia mikaza hoe "Izaho ny mpiandry tsara". Noho izany dia izy no modelin'ny mpiandry tsara. Rehefa niteny indroa tamin'ny Petera izy hoe "Andraso àry ny zanak' ondriko" ary indray mandeha hoe "Andraso ny ondriko" (Joa. 21.15-17) izay nanomezany an' i Petera ny andraikitra ny ho mpitarika ny mpino sy ny Fiangonana.

Ao amin' ny Epistily

I Paoly apostoly ao amin' ny taratasy (epistily) nosoratany ho an' ny Kristiana tany Efeso (Efesiana), dia miresaka ny amin' ny mpiandry (pastora), izay hiandraikitra ny fanofanana ny mpino amin' ny asa fanompoana" (Efes. 4.10-11). Araka io lahatsoratra io, ny anjara asa lehibe iandraiketan' ny pastora dia ny hanofana ny Kristiana mba hahafahan' izy ireo, araka ny fiantsoana azy, hiaina araka ny niantsoan' Andriamanitra azy avy. Ny asan' ny pastora dia raharaha omen' Andriamanitra ny Fiangonana (Efes. 4.11-12).

Fampiasana ny teny hoe pastora amin' ny fiangonana samihafa

Pastora ao amin' ny Katôlisisma

Ao amin' ny fiangonana katôlika dia mety nanondroana ny olona rehetra miandraikitra ny fitarihana ara-panahy ny mpivavaka ny teny hoe pastora, ka ampiasaina indraindray hilazana ny pretra na ny eveka. Amin'ny teny anglisy amerikana sy any Alemaina avaratra ary amin' ny teny neerlandey dia atao hoe pastor na pastoor ny curé.

Pastora ao amin' ny prôtestantisma

Ny Prôtestanta dia tsy misy ny sarangan' ny mpitondra fiangonana, amin' ny maha olona nandray ny sakramentan' ny filaharana (na ordinasiona)na olona manana fahefana manokana. Ny mpino prôtestanta tsirairay dia mihevi-tena ho mpisorona satria amin' izy ireo dia mpisorona ny mpino rehetra. Ny voasoratra ao amin'ny Epistilin' i Petera (Pet. 2.9) no anankinan' i Lotera izany.

Noho izany dia tsy mitovy amin'ny pretra katôlika na ôrtôdôksa ny pastora prôtestanta. Ny hoe pastora dia anarana mahazatra fotsiny fa ny tokony ho izy dia mpanompo (ny teny latina hoe ministerium dia midika hoe "anjara asan' ny mpanompo", "fanompoana"; "anjara fanompoana". Ny pastora dia olona misahana ny fanopoana mandritra ny fivavahana, mandritra ny fanompoam-pivavahana (toriteny sy fizarana ny sakramenta), ny fampianarana ary koa ny fitarihana sy ny fiangonana amin' ny toerana iray.

Pastora ao amin' ny evanjelisma

Pastora 
Pastora metôdista

Miandraikitra ny fitarihana sy fampianarana ary fanoroan-kevitra ny fiangonana ny pastora evanjelika. Ny fianaran' ny pastora dia tanterahina amin' ny toeram-pianarana teôlôjia evanjelika mandritra ny iray taona hatramin' ny efatra taona. Matetika atao ao amin' ny fiangoanana an-toerana ny fanokanana pastora, ka ao izy no aperaka ho mpivaofy ny Baiboly. Afaka manambady sy manan-janaka ny pastora evanjelika.

Jereo koa

Loharano sy fanamarihana

Tags:

Pastora Fiforonan-tenyPastora Fampiasana ny teny ao amin ny BaibolyPastora Fampiasana ny teny hoe pastora amin ny fiangonana samihafaPastora Jereo koaPastora Loharano sy fanamarihanaPastoraDiakraEglizy katôlika rômaninaEvanjelismaFiangonan'i Jesoa Kristy eto MadagasikaraPretraProtestantismaÔrtôdôksa

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

TV plus MadagascarGondolaZon' olombelonaAlohotsyFilôzôfiaRepoblika Fahefatra (Madagasikara)Sikidy malagasyVezoFanalana faditraAndriamanitra (tokana)GaliaSiderópolisParisyLalam-pirenena eto MadagasikaraAdijadyFanalaSambon' i BorobudurFaritra AnalamangaTrombaVolanaFivavahana eto MadagasikaraAostraliaDidy FoloNy Avana Ramanantoanina793Tetiandro manara-bolanaSakramentaVarotraPangeaParasyLalatianaOlombelonaFirenenaRepoblikan' i Madagasikara (1992-2009)Lalan-jazaMangahazoRakotozandry DanielRenivintanaPaskaKahiraFox Broadcasting CompanyFirenena MikambanaFiendrika sy fitodikaKristianisma eto MadagasikaraBerlinEvatoFiteny malagasyJudd ApatowLitoaniaAzôtaOhabolanaRandriamamonjy FrédéricSalohyTetiandro litorjika kristianaFaritany eto MadagasikaraAkangaVilo-mainaSihanakaToamasinaEglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)CBSFiteny anglisyIrlandaFitoerana masinaBetsileoDavida (mpanjaka)René Descartes2002Mounir Aziz DaoudVolana (fotoana)PôrtogalyWikipediaFederico PiglionePakistànaAbidyLosifera🡆 More