Sikidy Ombiasa

Ny Ombiasa na Ombiasy na Mbiasa, araka ny fanaovana sikidy malagasy, dia ny tsanganan-tsikidy fahafolo, isan' ireo tsanganan-tsikidy valo atao hoe tera-tsikidy, izay apetraka any amin' ny fàfana faharoa eo ambanin' ireo atao hoe renin-tsikidy, vokatry ny fampifanampiana ny soratry ny Fahasivy sy ny an' ny Haja (na Haza).

Misy vaniny efatra toy ny tsanganan-tsikidy malagasy rehetra ny Ombiasa, misy "lohany" sy "tratrany" sy "valahany" na "vaniany" ary "tongony".

Ny Ombiasa dia mety hiseho ao amin' ny iray amin' ireo sora-tsikidy enina ambin' ny folo toy ny Tareky (1 1 1 1), nyJama na Asombola (2 2 2 2), ny Asorasady (2 2 1 1), ny Alahasady (1 1 2 2), ny Alitsimay (2 1 1 2), sns.

Mba hahazoany ny soratry ny Ombiasa ny mpisikidy dia manambatra ny isam-boan-tsikidy ao amin' ny soratry ny Fahasivy sy ny an' ny Haja, ka ny fitambaran' ny lohan' ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no lohany, ny fitambaran' ny tratran' ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no tratrany, ny fitambaran' ny valahana na vanian' ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no vaniany, ary ny fitambaran' ny tongotr' ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no tongony.

Ny fampifanampiana ny isan' ny voan-tsikidy mifanandrify ao amin' ny soratry ny Ombiasa sy Tovolahy (na Saily) no manome ny tsanganana Zanahary na Haky (faha-12).

Ny Ombiasa dia manondro tokoa ny ombiasa na ombiasy.

Jereo koa

Tsanganan-tsikidy

Tale, Maly, Fahatelo, Bilady, Fianahana, Abily, Alisay, Fahavalo, Fahasivy, Ombiasa, Haja, Zanahary (na Haky), Asorotà, Tovolahy (na Saily), Lalana, Trano (na Kiba).

Tags:

Fahasivy (sikidy)Haja (sikidy)Renin-tsikidySikidy malagasyTera-tsikidy

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Palavas-les-FlotsTriniteFady (malagasy)Marolafy (jeômetria)Volahavana GermaineTeknôlôjiaVahid HalilhodžićFanjakan' ImerinaFiangonan' i Jesoa Kristy eto MadagasikaraAntankaranaGuy HamiltonSrettha ThavisinZanatenyWailWolfgang NeffTrygve Lie1993Tiffany Mynx1284Fahotana tamin' ny fototraSainte-Catherine-lès-ArrasHaintenyAlakaraboTandrok' Osy (fanandroana)Faritra BetsibokaFivavahana eto MadagasikaraBootjack, KaliforniaAostraliaȘtefan DobayHoover, AlabamaFivavahanaJiosyBenque-Dessous-et-DessusBiôgrafiaKôtidivoaraBryan CoreyLiberiaAnjara (finoana)NGC 5829Filazantsara1 NovambraJames F. ReillyMicrosoft WindowsCraintilleuxJang JinVolafotsyVazimbaRirininaAndrés MosqueraKafe (fisotro)Jerry Lynn RossSabata (jiosy)Epistily voalohany ho an' i TimôtyWisconsinRoger B. ChaffeeBokin' i IsaiaLeioaFanahy MasinaGeorg BrintrupGotthilf HagenPistisy SôfiaTetiandro malagasyLa Ferté-ChevresisNorroy-lès-Pont-à-MoussonChampagne-en-Valromey1821FiarahamoninaPtôlemaiôsy VIIIBokin' ny GenesisyDemôkrasiaAl GoreTorkiaJeanne d'ArcMpisolo manondroFaritra Diana🡆 More