Astana (amin’ny fiteny kazàka ary amin’ny fiteny rosy : Астана) dia renivohitr’i Kazakstàna manomboka ny 10 Desambra 1997.
Astana | ||
Velarantany | 258,41 km2 | |
Isam-ponina | 1 350 228 mponina | |
Tanànan-dehibe | NC | |
Ben'ny tanàna | Imangali Tasmagambetov | |
Firenena | Kazakstàna | |
Faritany | NC | |
Faritra | NC |
Ny anarana «Astana» ankehitriny dia nampiasaina nanomboka ny taona 1992, talohan’izany izy dia fantatra tamin’ny anarany Tselinograd (tamin’ny 1961 hatramin’ny 1992) ary Akmolinsk (hatramin’ny taona 1961). I Nursultan Nazarbayev no nifidy ilay tanàna ho renivohitr’i Kazakstàna tamin’ny 1994, ary tena lasa renivohi-pirenena tokoa ilay firenena telo taona taoriana. Ny isam-ponin’ilay tanàna dia 1 350 228 mponina tamin’ny 2022, izany hoe tanàna faharoa lehibe indrindra ao Kazakstàna aorian’i Almaty.
«Astana» amin’ny teny kazàka dia midika «renivohitra». talohan’ny nanjanahan’i Rosy an’i Kazakstàna dia Akmola no anaran’ilay tanàna, izay navadika ho Akmolisk tamin’ny fanombohan’ny taonjato faha-19 mba hanana anarana rosy kokoa.
Tamin’ny 1961, navadika ho Tseninograd ny anaran’ilay tanàna, Tselinograd izay midika «tanànan’ny tany foana»). Tamin’ny fahaleovantenan’ny Kazakstàna tamin’ny 10991, dia navadika ho Akmola indray ny anaran’ilay tanàna. Ny anarana Astana izay ampiasaina ankehitriny dia nofidiana tamin’ny 1998 tamin’ny fifindran’ny renivohi-pirenena
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Astana, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.