I Nosy Faly dia nosy iray any amin' ny morontsiraka avaratra-andrefan' i Madagasikara, ao amin' ny Lakandranon' i Môzambika.
Ao anatin' ny kaominina Antafiambotry sy ny Distrikan' Ambanja, Faritra Diana, izy io. Eo akaiky tsinanan' i Nosy Be sy Nosy Komba, eo andrefan' ny helodranon' Ambarono ary avaratry ny saikinosy Ambato no misy azy.
Misy mponina ilay nosy ary misy fifandraisana amin' ny tanibe avy any Ambato. Misaraka amin' ny alalan' ny andilan-tany ny faritra avaratra sy atsimon' io nosy io. Ao amin' io nosy io no misy fasan' ny Bemazava, izay foko sakalava.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Nosy Faly, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.