Ny Bokin' ny Nomery na Bokin' ny Fanisana na Bokin' ny Fivahiniana izay hafohezina amin' ny hoe Nomery na Fanisana na Fivahiniana dia boky fahefatra ao amin' ny Baiboly izay manohy ny tantara ao amin'ny Eksôdosy (na Eksaody) momba ny fivezivezen'ny Israelita tao an-tany efitra notarihin'i Mosesy (na Môizy) hatrany amin'ny lemak'i Moaba, tsy lavitra ny tany Kanaana.
Boky ao amin'ny Testamenta Taloha ny Nomery na Fanisana. Ny Bokin' ny Nomery ao amin' ny Baiboly jiosy dia isan' ny Tôrah, fa ao amin' ny Baiboly kristiana kosa dia isan' ny Pentateoka.
Ny teny hoe Nomery dia avy amin' ny teny latina hoe Numeri, lohatenin' io boky io avy amin' ny teny grika hoe Αριθμοί / Arithmoi izay azo adika hoe "fanisana", izany hoe fanisam-bahoaka. Ny hoe Fanisana kosa dia fandikana amin' ny teny malagasy izany teny grika sy latina izany. Tsy ny fanisam-bahoaka loatra anefa no lohahevitra tena iompanan' io boky io. Ao amin' ny Tanakh izy dia atao amin'ny teny hebreo hoe ספר במדבר / Sefer Be-Midbar ("boky tany an-tany efitra") izay mifanentana kokoa amin' ny zavatra resahiny.
Ao amin' ny Tanakh (Baiboly hebreo) dia boky ao amin' ny sokajy voalohany atao hoe Tôrah ny Sefer Be-Midbar, fa ao amin'ny Baiboly kristiana kosa dia isan'ny Pentateoka ny Bokin'ny Nomery na Fanisana.
Azo zaraina telo ny Bokin' ny Nomery:
Ny fizaràna voalohany (Nom. 1.1 - 10.10) dia mirakitra ny fanisam-bahoaka natao, ny fandaminana ireo foko roa ambin' ny folon' i Israely, ny sata manokan' ireo Levita, ny fanaovam-panatitra isankarazany, ny fankalazana ny Paska, ary ny fanambaràna ny fanohizana ny dia ho any Kanaana.
Ity fizaràna faharoa ity (Nom. 10.11 - 21.35) dia mitantara ny fivahinian' ny Zanak' i Israely tao Kadesy, ny fandaminana ny asan' ireo Levita, ny fiaingana avy eo Kadesy, ny sakantsakana tao Edôma, ny nahafatesan' i Aarôna, ny amin' ilay menarana varahina, ary ny nandresena ny Amalekita sy ny nahazoana an' i Basàna.
Ny fizaràna farany (Nom. 22 - 36) dia mitantara ny fahatongavan' ny Zanak' i Israely teo amorony atsinanan' i Jordana, teo amin' ny tany Kanaana, ireo lalàna isankarazany, ny amin'i Balama, ny ady tamin'ny Madianita, ny nanendrena an' i Jôsoa ho mpitarika, ary ny fomba hizaràna ny tany.
Boky ao amin' ny Pentateoka:
Petra-kevitra momba ny fanoratana ny Pentateoka
Fizaràna hafa ao amin' ny Testamenta Taloha:
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Bokin' ny Nomery, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.