Teôlôjia Natiora

Ny natiora na fomba dia teny ampiasaina ao amin'ny teôlôjia kristiana, indrindra ao amin'ny firesahana momba ny Trinite sy ny kristolojia mba hanazavana ny maha Andriamanitra na tsia an'i Kristy.

Avy amin'ny teny latina hoe natura io teny io. Amin'ny teny grika dia ny hoe φύσις / phusis no mitovy hevitra amin'io. Ny teny grika hoe phusis no tena ahazoana teny hafa iray tarika aminy, ka ireto ny ohatra amin'izany: monofizisma na monofizitisma, miafizisma.

Ny teny hoe natiora dia ampiasaina eo amin'ny fampianarana sy ny ady hevitra momba an'i Jesoa mba hanavahana ny maha andriamanitra na tsia azy amin'ny maha olombelona na tsia azy. Ny mpomba ny maha Trinite an' Andriamanitra dia milaza fa manana natiora roa i Kristy, dia natioran' Andriamanitra sy natioran' olombelona. Rehefa tian-kotsindriana ny maha Andriamanitra an'i Jesosy dia ampiasaina ny teny hoe sobstansa izay avy amin'ny teny latina hoe substantia, sady indraindray adika amin'ny teny malagasy hoe "izay maha izy azy" na "fomba".

Hevi-teny

Fiforonan-teny sy hevi-teny voalohany

Ny hevitra voalohan'ny teny latina hoe natura dia "(izay) efa nisy hatramin'ny nahaterahana". Io teny io dia avy amin'ny matoanteny latina hoe nasci ("teraka"). Niitatra ka niova ho "toetra tsy miova hatramin'izay nisiana" ny hevitry ny hoe natura taty aoriana.

Ny teny hoe φύσις / phusis kosa dia mifono hevi-dalina eo amin'ny filôzôfia grika, ilazana ny zavatra rehetra misy sy mbola hisy, ka tsy ny azo tsapain-tanana na ny mety ho azo tsapain-tanana ihany izany, fa izay zavatra mety ho azon'ny eritreritra takarina koa. Ampiasaina io teny io hanondroana ny zavatra iray na amin'ny maha izy azy na amin'ny fiovaovany. Na dia adika matetika amin'ny teny hoe natiora io teny io amin'izao androntsika izao dia tsy mahafaoka ny heviny ara-pilozofia izany.

Hevitra teolojika

Ao amin'ny Fiangonana tandrefana, izay miteny latina, ny teny hoe natura dia ilazana ny maha Andriamanitra an' Andriamanitra sy ny maha olombelona ny olombelona. Ny teolojiana mampiasa ny fiteny malagasy dia manoratra hoe natiora. Araka ny fampianaran'ny fiangonana kristiana trinitariana, ny Zanaka na ny Teny, rehefa tonga nofo naterak’i Maria, dia manana natiora roa ka ny iray natioran' Andriamanitra ary ny iray natioran' olombelona. Ny Fiangonana tatsinanana miteny grika dia nampiasa ny teny hoe φύσις / phusis, ka io no ampiasaina koa amin' ny fampisampanan-teny sasany, nefa ny heviny dia mitovy amin'ny natura amin'ny teny latina ihany.

Ireo fampianarana ny amin'ny natioran'i Kristy

Natiora roa: olombelona sy Andriamanitra

Diofizisma

Ny diôfizisma na diofizitisma dia fampianarana kristôlôjika noraisin'ny konsily ekiomenika fahefatra, dia ny Kônsily tao Kalkedôna tamin'ny taona 451, izay manambara ny maha tokana an'i Kristy nefa manana natiora roa tsy mifangaro sy tsy miova ary tsy mizara no tsy misaraka. Ity fampianara ity no lazaina ho ortodoksia (izany hoe "fampianarana mahitsy", "fampianarana marina"), fa ny fampianarana tsy mitovy amin'io dia lazaina hoe herezia na fampianaran-diso, sahala amin'ireo rehetra horesahina manaraka eto.

Mônôtelisma

Ny mônôtelisma na mônôteletisma dia firehana tao amin'ny fivavahana kristiana tany aloha izay nampianatra fa tokana ihany ny sitrapon'i Jesosy Kristy, dia ny sitrapon' Andriamanitra izany, na dia manana natiora roa izy, dia ny natioran' olombelona sy ny natiora maha Andriamanitra azy. Izany fampianarana izany dia nandroso tamin'ny taonjato faha-7 ka nanao tanjona ny hampiray ny Fiangonana kalkedoniana sy ny Fiangonan'ny konsily telo, nefa nohelohin'ny Kônsily fahatelo tao Kônstantinôpôly satria nataony hoe fampianaran-diso izany.

Nestorianisma

Ny nestôrianisma dia foto-pampianaram-pinona ao amin'ny tantaran'ny Kristianisma, izay milaza fa misy persôna sy natiora roa miara-misy ao amin'i Jesoa Kristy ka ny voalohany persona sy natiora araka an' Andriamanitra fa ny faharoa dia persona sy natioran' olombelona. I Nestôrio (na Nestôriosy), patriarkan'i Konstantinopoly teo anelanelan'ny taona 428 sy 431, no niaro izany fampianarana izany. Nanameloka ny fampianaran'i Nestorio ny kônsily tao Efesosy (na Efezy) tamin'ny taona 431.

Modalisma na sabelianisma

Ny môdalisma na sabelianisma, dia manambara fa miseho amin'ny endrika maro ao amin'ny Soratra Masina Andriamanitra ary miseho amin'ny fomba lehibe telo samihafa amin'ny famonjeny ny olombelona. Anjara asa telo samy hafa ny hoe "Ray" sy "Zanaka" ary "Fanafy Masina", arakaraka ny zava-mitranga eo amin’ny tantara. Noho izany dia Andriamanitra Ray ao amin'ny famoronana (namorona Zanaka tamin'ny alalan'ny fiteraham-birijiny koa Andriamanitra), Andriamanitra Zanaka tamin'ny asam-panavotana (Andriamanitra niseho tamin'ny endrik'i Jesoa mba ho faty eo amin'ny hazo fijaliana), Andriamanitra Fanahy Masina tamin'ny fahaterahana indray (Andriamanitra ny Fanahy Masina ao amin'ny Zanaka sy ao amin'ny fanahin'ny mpino kristiana). Araka io fomba fijery io dia tsy persona telo samihafa Andriamanitra, fa persona tokana miseho amin'ny fomba maro.

Natiora tokan'Andriamanitra

Mônôfizisma sy miafizisma

Ny mônofizisma dia milaza fa ny Zanaka dia tsy manana persona roa ka ny iray ho personan' Andriamanitra ary ny iray ho personan' olombelona. Persona tokana manana natioran' Andriamanitra tokana izay nitelina ny natioran’ olombelona i Jesosy. Noho izany dia tokana ihany ny natioran’i Jesosy Kristy, dia ny natiora maha-Andriamanitra azy. Ny Konsily voalohany tao Kalkedoa no nanamelohana ny mônofizisma.

Ny miafizisma na miafizitisma na henofizitisma dia foto-pampianarana momba an'i Jesoa Kristy izay ampianarin'ny Fiangonan'ny kônsily telo, izay misy fiavahany kely amin'ny mônôfizisma na monofitisma, izay nomelohin'ny Kônsily tao Kalkedôna. Tokana ny natiora tonga nofon' Andriamanitra Teny.

Apolinarisma

Ny apolinarisma dia fampianarana mikasika an'i Jesosy Kristy izay ilazana fa tsy manana fanahin' olombelona i Jesosy fa fanahin' Andriamanitra, dia ilay Teny izay niditra tao amin'ny vatan' olombelona nisolo ny fanahy maha olombelona. Ny vatan'i Kristy dia vatana ara-panahy sady nomem-boninahitra, ary tsy manana natiora roa ao amina persôna tokana i Jesosy. I Apolinario, eveka tany Laodikea ao Siria, no nanolotra izany fampianarana izany.

Triteisma

I Joany Filopono, saranga ambony tao Aleksandria sady mônôfizita teo antenantenan'ny taonjato faha-6, dia mahita natiora telo sy sobstansa telo ary Andriamanitra telo miavaka tsara ao amin'ny Trinite.

Tamin'ny Andro Antenantenany dia nilaza zavatra toy izany koa i Rôskelino avy any Kômpieno sady nanambara fa ny Trinite iray manontolo no tonga nofo

Markionisma

I Markiona (110-160 taor. J.K.) dia nino fa misy Andriamanitra roa, ka ny iray namorona fa tsy hitsara (ilay ao amin’ny Testamenta Taloha) ary ny iray nanavotra sady mpamindra fo (ilay ao amin’ny Testamenta Vaovao). Izany no atao hoe markionisma.

Natiora tokana tsy Andriamanitra

Arianisma

Araka ny arianisma dia tsy mitovy ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady ny Ray ihany no tena Andriamantra, izay sady tsy nateraka no tsy noforonina. Tsy mitovy natiora amin’ Andriamanitra ny Zanaka sady tsy mandrakizay ny fisiany satria noforonina izy. Olombelona natsangan’Andriamanitra ny Zanaka ka misy ampahan-toetr'Andriamanitra fotsiny ny ao aminy fa tsy Andriamanitra izy.

Sobôrdinatianisma

Ny sobôrdinatianisma dia finoana tany am-piandohan’ny kristianisma izay milaza fa eo ambany fahefan’ny Ray ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Fanampin'izany koa dia noforonin' Andriamanitra ny Zanaka fa tsy naterany, ka noho izany tsy mitovy natiora aminy.

Anômeisma

Araka ny fampianaran'ny anômeisma, ny Ray sy ny Zanaka dia tsy misy itovizany (homos: “mifanahaka”; anomos: “tsy mitovy”). Ilay Tsy Nateraka no Andriamanitra, nefa tsy ilay niteraka koa, satria tsy miteraka Andriamanitra ary tsy ateraka.

Ny Ray sy ny Zanaka dia hery nanatanterahana ny Famoronana. Tsy Andriamanitra ny Ray sy ny Zanaka fa fiseho roa samy hafan’ Andriamanitra. Ilay Nateraka dia noforonin’ny Ray sady namorona ny Parakleto (dia ny Fanahy Masina).

Adôptianisma

Araka ny fampianaran'ny adôptianisma dia olombelona ihany i Jesosy ka tsy tonga zanak’ Andriamanitra raha tsy nanomboka teo amin’ny fanaovan’i Joany Batista batisa (na batemy) azy teo amin’ny onin’i Jôrdana. Zanaka natsangan’ Andriamanitra i Jesosy fa tsy Andriamanitra.

Jereo koa

Tags:

Teôlôjia Natiora Hevi-tenyTeôlôjia Natiora Ireo fampianarana ny aminny natiorani KristyTeôlôjia Natiora Jereo koaTeôlôjia NatioraAndriamanitra (tokana)Fiteny grikaKristolojiaKristyMiafizismaMonofizismaTeny latinaTeolojiaTrinite

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

LitiômaMichał PazdanStatistikaRanomasimbe PasifikaAlakaosyAritmetikaHaisoratraAndramasinaFanisanaAzerbaijànaBaiboly amin' ny teny malagasyFirenena MikambanaTestamenta TalohaAndy MurrayBézouotteMariusz ŚrutwaTerny-SornyEl Dorado, ArkansasGogoVictoire Rasoamanarivo(194602) 2001 XR129Faritany eto MadagasikaraAndrianampoinimerinaKofi AnnanArtesia, KaliforniaKilamba-KiaxiFilôzôfiaEkiomenismaAmalonaHaifisaina sy hetsi-poRepoblika Entim-Bahoakan' i SinaFilazantsara araka an' i LiokaTiberiadaRy Tanindrazanay malala ôCloud computingDidy FoloRadama VoalohanyBokin' ny MpitsaraFilazantsara sinôptikaTamba-nosin' i KômôroAndriamanitra ZanakaThe BeatlesKolontsaina ao GabônaJiosyZakaiosyTetiandroFirenenaMataróBoky faharoan' i SamoelaSiméon RajaonaHazo fijalianaKôbaltaFanandroana malagasyFasanaVoronaparadisaWilliam KamkwambaFanjanahantanyBeosyPaskaFoko eto MadagasikaraIsraelyWilliam Peter BlattyAurangzebAnganoOrville, Pas-de-CalaisFiangonana zandrinyHenri RatsimbazafyVondrona EorôpeanaAlfonso Guerra🡆 More