Mozaffar Al-Din Shah

I Mozaffar al-Din Shah na Muzaffar-al-Din Shah na Mozaffareddin Shah na Mozaffar-ed-Din Shah dia shah tao Iràna (na Persia) teo anelanelan' ny 1 Jona sy 3 Janoary 1907.

Izy no shah fahadimy tao Iràna nofehezin' ny Kajara. Teraka tamin' ny 25 Marsa 1853 ary maty tamin' ny 3 Janoary 1907 izy. Izy no lazaina fa namorona ny Lalàm-panorenan' ny Persia tamin' ny taona 1906, izay nekeny ho iray amin'ny hetsika farany nataony tamin' ny naha shah azy. Atao hoe مظفرالدین شاه / Moẓaffar-al-Din Šâh izy amin' ny teny persana. Ny anarany lava dia Mozaffar ad-Din Shah Qajar (persana: مظفرالدین شاه قاجار / Mozaffar ad-Din Ŝāh-e Qājār).

Mozaffar Al-Din Shah
Mozaffar-ed-Din Shah Qajar (1853-1907)

Nandritra ny fitondrany i Mozaffar-al-Din dia nanandrana nanatanteraka fanavaozana ny tahirim-bola foibe; na izany aza, ny trosa teo aloha navelan' ny Kajara, an' i Angletera sy an' i Rosia, dia nanimba ny ezaka nataony. Nekeny ihany koa ny fanomezan-tsolika an' i William Knox D'Arcy nandritra ny fotoana nanjakany, ka namela an' i Britaina Lehibe hifehy ny tahirin-tsolika iraniana nandritra ny 60 taona.

Tamin' ny taona farany niainany, i Iràna (na Persia) dia niaina fanovana lalàm-panorenana mahery vaika, izay nampalemy ny fahefan' ny mpanjaka rehefa nanome lalàm-panorenana sy Antenimiera ny vahoakany izy. Maty izy 40 andro taorian' ny namelany ny lalàm-panorenana hampiharina. Heverin' ny mpahay tantara ho mpitarika malemy izy.

Jereo koa

Fanamarihana

Tags:

Fiteny persanaIrànaKajaraPersia

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

923Abdellatif FellainiPaoly (apôstôly)Sahih MuslimKalamApôkrifan' ny BaibolyFanandroana malagasyZava-mahadomelinaMartsaX-SAMPAFanagasianaMalỳDajjalBokin' i HenôkaFiangonana Loterana MalagasyFandriam-pahalemanaFederico PescettoHerman Francis MarkOlombelonaAdy MangatsiakaVoanjoBonneval, Eure-et-LoirWikibolanaVladimir PoutineIngosetiaHazo fijalianaSakalavaDurrësSunan Abu Dawud13 OktobraBaskin-RobbinsFiangonan' i Jesoa Kristy eto MadagasikaraZoma masinaBaibolySoisa2020RirininaAnarana1833AlahamadyFiteny anglisyMadagasikaraAchunMpitsara ao amin' ny BaibolyTobilehibeSiliaFahoriana lehibeTestamenta TalohaIbn Hajar al-Asqalani1960Lalàn' i MosesyLarreule, Pyrénées-Atlantiques1754AlakaosyEstôniaEtazoniaFihafanan'ny tanySodàna Atsimo1922Abidy ara-drafipeo iraisam-pirenenaISO 4217HantaEkôsyFarihy MalawiRepoblika Demokratika MalagasyCourbevoieFahotanaTeôlôjia silamoFaritra AndroyAmerika Latina6 Jona🡆 More