Monja Jaona

I Monja Jaona dia mpanao pôlitika malagasy, mpikambana tao amin' ny fikambanana miafina Jiny, mpanorina ny antoko pôlitika Madagasikara Otronin' ny Malagasy (MONIMA), teraka tamin' ny Septambra 1910 tao Amboasary-Atsimo ary maty tao Antananarivo tamin' ny ny 3 Septambra 1994.

Monja Jaona
I Monja Jaona tamin’ ny taona 1945, 35 taona.
Monja Jaona
Tsangambato eto Toliara

Zotram-piainana

Ninga avy any Androy i Monja Jaona tany amin' ny toeram-pambolena any avaratra tamin' ny taona 1928, taorian' ny mosary tany atsimon' i Madagasikara izay nitranga tamin' ny taona 1927-1928, dia nifanerasera tamin' i Jean Ralaimongo, mpikatroka niaro ny zon' olombelona sy ny fidiran' ny Malagasy ho olom-pirenena frantsay. Nianatra namaky teny izy ary natao batisa tao amin' ny Misiôna Prôtestanta Frantsay, alohan' ny nanoratany ny momba ny Antandroy, izay foko niaviany. Rehefa avy nieritreritra ny ho mpitandrina (pastora) izy, dia nirotsaka tamin' ny tolona pôlitika tamin' ny farany ary niditra tao amin' ny fikambanana miafina Jina na Jiny, izay nanampy azy hanomana ny fikomian' ny Malagasy tamin' ny taona 1947, izay nanagadrana azy.

  • tamin' ny taoa 1946, gadra pôlitika teo ambany fitondran' ny mpanjanaka, tompon' andraikitra tamin' ny fikomiana tamin' ny taona 1947;
  • tamin' ny taona 1956, voafidy ho mpanolotsaina monisipaly tao Toliara;
  • tamin' ny taona 1958, nananganana ny antoko Mouvement National pour l'Indépendance de Madagascar (MONIMA) izay niova anarana ho Madagasikara Otronin' ny Malagasy taty aoriana. Nanao fanentanana momba ny fanafoanana ny hetra isan-dahy (na vililoha hoy ny fitenin' ny atsimo, izay nampandoavina ny teratany malagasy), ny hetra amin' ny omby ary nitaky ny fahaleovantena eo no ho eo;
  • tamin' ny taona 1960 no ben' ny tanànan' i Toliara voalohany;
  • Nitarika ny hetsiky ny tantsaha malagasy tamin' ny taona 1971 tany amin' ny Faritanin' i Toliara, tamin' ny alalan' ny antoko pôlitikany, MONIMA;
  • nanomboka tamin' ny taona 1971 ka hatramin' ny 1972, taorian' ny hetsiky ny tantsaha, dia gadra pôlitika indray izy;
  • Mpikambana tao amin' ny Filankevitra Ambonin' ny Revolisiona (Conseil Supérieur de la Révolution - CSR), nandritra ny Repoblika Faharoa;
  • tamin' ny taona 1982, kandidà tamin' ny fifidianana filoham-pirenena, dia nigadra tany Ankilivondraky (faritanin' ny Toliara) noho ny fanamelohana azy noho ny tsy fanarahan-dalàna tamin' ny fifidianana;
  • tamin' ny taona 1983, voafidy ho solombavambahoakan' i Madagasikara tao Antananarivo;
  • tamin' ny taona 1992, nandray anjara tamin' ny ady ho an' ny federalisma teto Madagasikara, ary maty noho ny takaitra nahazo azy nandritra izany ady izany tamin' ny taona 1994.

Azo anovozan-kevitra

  • Raison-Jourde, Françoise; Roy, Gérard (2010). Paysans, intellectuels et populisme à Madagascar: de Monja Jaona à Ratsimandrava, 1960-1975 (in French). Paris: Karthala Editions. ISBN 9782811103958.

Jereo koa

Loharano sy fanamarihana

Tags:

Monja Jaona Zotram-piainanaMonja Jaona Azo anovozan-kevitraMonja Jaona Jereo koaMonja Jaona Loharano sy fanamarihanaMonja JaonaAmboasary-AtsimoAntananarivoJiny (fikambanana miafina)Madagasikara Otronin' ny Malagasy

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

HenaTsinyApôstôly roa ambin' ny foloTononkaloX-SAMPAAndrianampoinimerinaAmerika LatinaSaryJean-Joseph RabeariveloFanambaràna ny hevitry ny nofyAlaskaFanomezana fiton' ny Fanahy Masina793Ny AntsalyFiteny aromanianaMartin LoteraTetiandro manara-masoandroFifandraisan-davitraVolana2015Nosy MangabeTolom-bahoaka tamin' ny 1947TakatraFaritra DianaMounir Aziz DaoudGoogleNelson BarbourVilonaNy Olana Telo VatanaAurangzebAostraliaMisiona Evanjelika Teratany eto MadagasikaraFoko eto MadagasikaraRandriamamonjy FrédéricVolahavana GermaineFamonjena2003Fanalana faditraTetiandro litorjika kristianaBopomofoQIT Madagascar MineralsFanjakan' ImerinaRakotozandry DanielTranonkalaRené DescartesIrànaCBSMadagasikaraMarchica MED SADokuWikiFiteny alemànaSakaFaritanyTsimihetyEpistily ho an' ny EfesianaBootjack, KaliforniaEorôpaAlakamisyTabernakelyAntankaranaFisoronana sy fanalana vintanaFokontanyZavamaniry manafikaOgandaOvyHasinaSiderópolisEglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)Soratra MasinaSalohyZafimaniryTantaran' i MadagasikaraDiego MaradonaRobert Baden-Powell🡆 More