Menaka

Ny menaka zava-matavy sy maisatra izay lasa ranoka rehefa azon' ny hafanana manodidina, izay tsy mety mifangaro amin' ny rano sady a maivamaivana kokoa noho ny rano, avy amin' ny biby, ny zavamaniry, ny mineraly na noforonin' olombelona.

Menaka
Ny menaka oliva, ampiasaina ho an'ny sakafo

Ny menaka dia samihafa amin' ny tavy, ohatra ny paty, rehefa ampiasaina amin' ny fomba aradalana. Ny menaka dia tsy lazaina hoe menaka na dia ranoka aza izy any amin' ny tany mafana. Any amin' ny tany mangatsiatsiaka, ny menaka sasantsasany, indrindra ny menaka ranoka, dia mety mivaingana rehefa mangatsiaka ny andro.

Fiforonan-teny

Ny teny hoe menaka dia avy amin' ny fototeny malaiô-pôlinezianina andrefana hoe minyak, izay lasa nivadika hoe menaka amin' ny teny malagasy.

Laro

  • Ny menaky ny zavamaniry dia vita amin' ny asidra matavy (acides gras) ary ny menaky ny biby dia vita amin' ny estera gliserinina samihafa.
  • Ny menaka sakafo, avy amin' ny zavamaniry na avy amin' ny biby. Izy ireo fia amboarina any amin' ny mpanao menaka, matetika amin' ny alalan' ny fipotsirana ny vihim-boninkazo mitera-menaka.
  • Ny menaka esansialy dia alaina amin' ny alalan' ny fananihiana (distillation), noho ny havitsiny ao amin' ny zavatra nangalana azy. Matetika ampiasaina any amin' ny ranomanitra izy na any amin' ny kôsmetika.
Menaka 
Ny menaka ampiasaina ho an' ny môteran' ny fiarakodia na môtera mandeha miaraka amin' ny hidirôkarbiora
  • Ny menaka mineraly dia fangaro hidirôkarbiora. Any Etazonia, ny petrôly dia lazaina fa menaka, izy io dia mety avy amin' ny fananihiana ny arintany na ny sista misy molanga (frantsay: schiste bitumineux). Matetika ampiasaina amin' ny mekanika izy.
  • Ny menaka môtera dia ampiasaina ho an' ny môtera mampiasa hidirôkarbiora.
Menaka 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Tags:

BibyMineralyRanoRanokaZavamaniry

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Faritanin' i MahajangaDistrika eto MadagasikaraLoza folo tao EgiptaVoambolan' ny jeôgrafiaSavoaFaritra eto MadagasikaraFiraisana ara-nofoFiteny sinoaKanaana (faritra)HôndorasyVintana (finoan-drazana malagasy)Wiki FoundationAlemainaGideon SundbäckJohn MajorBuire-au-BoisEvaAllentown, PennsylvaniaAntoni GaudíMiyakonojōMario CastoldiSimiaAsa AkiraFiteny arameanaKarànaFivavahana gnôstikaRazana (finoana malagasy)Paraky (zavamaniry)MediaWikiEglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)PeteraTitaninaRosiaGdańskBorujenAvestaArmeniana (vahoaka)Tantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i KôngôFanalana faditraRalaimongo JeanBelobaka (Tsiroanomandidy)VolanaFiteny neerlandeySosaVenezoelaDavid Cameron8 OktobraFinoana abrahamikaMediana (vahoaka)Boky fahatelon' i HenôkaJohn DaltonFiteny torkmenaMexicoFiteny malagasyTselatraAmhara (vahoaka)Elizabeth IIHong KongAdaoroFiteny zazakyMetatraKongonaFivavahan-drazana afrikanaLothar MatthäusVsevolod PoudovkineHiragasyFanjakan' ImerinaMôntenegrôVahao ny Oloko🡆 More