Legioma Maitso

Ny legioma maitso dia zavamaniry fanao sakafo, izay azo sokajina araka ny taovany atao arakaraka ny taova ampiasaina amin' izany.

Ny karazana legioma maitso

Ny legioma ravina

Ny legioma ravina na anana dia ravin-javamaniry azo hanina. Isan' izany indrindra ireo fihinana manta toy ny salady, matetika ampiarahina amin' ny fanatsaran-tsiro sy hanitra noho ny fatsatsony sy ny ngidiny voajanahary; fa anisany koa ny laisoa sy ny epinara ary ny seleria, ny tongolobe, ny anana trôpikaly isan-karazany.

Ny legioma taho

Ny legioma taho no legioma hanina ny ampahany amin' ny tahony na ny zanany mitsimoka amin' ny asperza, ny solofom-bolo na ny vodi-tongolo izay matetika ampiasaina ho fanatsaran-tsakafo toy ny tongolo gasy sy ny tongolobe.

Ny legioma voniny

Amin' ny legioma voniny dia ny tamba-bony na ny vonin' ny zavamaniry no atao sakafo, isan' izany ny soflera, ny kapra, na ny artisô.

Ny legioma fakany

Ny legioma fakany dia ny betiravy, ny karaoty ny anambe (na nave), ny rady (na radisa), sns.

Ny legioma voany

Ny legioma voany dia hanina toy ny anana, izay voa na taova mitondra voa, ka isan' izany ny zavamaniry toy ny baranjely, ny zavôka, ny kôkômbra, ny korzety, ny voatavo, ny taboara, ny voatango, ny ôliva, ny voazavo, ny dipoavatra, ny sakay, ny voatabia, ny tsaramaso maitso, sns.

Ny legioma vodiny

Ny legioma vodiny dia vokatry ny fihangezan' ny ampahany milevina anaty tany. Miavaka izy ireo amin' ny fisian' ny tahirin-gliosida ao aminy, toy ny bodoa, ny tapetaka, ny vomanga ary ny ovy.

Ny ahitra manitra

Ny ahitra manitra dia ampiasaina ho fanatsarana ny tsiro sy ny fofon-tsakafo. Tsy tena azo lazaina ho legioma anefa izy ireo, isan' izany ny bazilika, ny serfey, ny persily ary ny solila.

Jereo koa

Tags:

Legioma Maitso Ny karazana legioma maitsoLegioma Maitso Jereo koaLegioma Maitso

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Rindrankajy fampiharanaFiteny tiorkaDepartamentan'i Norte de SantanderVazimbaEpistily katôlikaEorôpaBiôlôjiaAlbiasHerinandroSardinaAnganoAngatra (aretina)Vadim GlownaTontolo iainanaFomban-drazanaEmperora CixiFariseoDillingham, AlaskaAndreï TarkovskiToamasinaFivavahan-drazana malagasyJean Calvin877Süleyman DemirelAntehirokaDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)Haranita-tsaina voatrolombelonaVétraz-MonthouxFanjakana MitambatraKolontsaina malagasyFitombenanaFrancis CoquelinKaremyJona (volana)Repoblika MalagasyAntoko pôlitika malagasyVanoatoVolanaCat WhitehillSakramenta ao amin' ny fiangonana katôlika1691MasoandroFiteny araboMickey MouseRosia500Anousheh AnsariMianmaraLozan' ny fananana iombonanaMôldaviaFiteny gojaratyTantaran' i MadagasikaraJoseph StalinBrockton, MassachusettsDepartamentan'i Valle del CaucaZoinaHasina (fanomezana)IndôneziaPrôtestantismaDadabe NoelyJuan de la Cierva y CodorníuMatoanteny mpanampyAtsinanana AkaikyHenry KosterSindoGanàJasem Al-HuwdiVirijiny (fanandroana)Fiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto MadagasikaraTolotra sy tinadyFizikaKilamba-Kiaxi🡆 More