Ny landy dia tsiraka voajanahary vokarin' ny lolo na hala ary ampiasaina amin' ny fanenomana lamba sy zavatra vita amin' ny lamba.
Maro ny bibikely mamokatra landy, anisan' izany ny hala (ladin-kala) sy ny fandain' ny lolo sasany (Yponomeutes, bombyx).
Ny lamba landy dia azo avy amin' ny mason-dandy (frantsay: cocon) vokarin' ny olitra (bibindandy) an' ny samoina (Bombix mori) ho an' ny landy ompiana, ary avy amin' ny olitra tussah (karazana fanday maromaro amin' ny karazana Antheraea) ho an' ny landidia. Mety teo anelanelan' ny taona 2000 sy 3000 tal. J.K any ho any no nahitana ny landy voalohany.
Ny teknika amin' ny famokarana landy dia nanomboka tamin' ny taona 2500 tal. J.K. any ho any ary avy any Sina amin'ny alalan' ny Lalan' ny Landy. Nafenina hatramin' ny taona 560 izany. Nanomboka tany Eorôpa tamin' ny taonjato faha-6 ny famokarana landy.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Landy, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.