Kôntinenta

Ny kôntinenta na tanibe dia tany midadasika mitohy hodidinin-dranomasina manontolo na amin' ny ampahany izay lehibe lavitra noho ny nosy sady onenan' ny vahoaka amin' ny firenana maro eto ambonin' ny Tany.

Miovaova ny tena famaritana ny hoe kontinenta arakaraka ny taranja iresahana azy ka mahatonga ny isan'ny kontinenta hiôvaova. Misy ohatra ny mpanoratra manao an' i Eorôpa sy i Azia ho kontinenta roa, nefa misy ny manambatra azy ka miantso azy hoe Eorazia noho izy ireo tany mitohy tsy misy fahatapahany. Miova eo anelanelan'ny efatra sy fito noho izany ny isan' ny kôntinenta.

Kôntinenta
Ny kôntinenta (miisa 5, 6 na 7).

Ireto avy ireo kontinenta dimy eto ambonin'ny Tany: Afrika, Amerika (Amerika Avaratra sy Amerika Atsimo), Azia, Eorôpa ary Ôseania. Indraindray dia isaina ho kôntinenta manokana i Antarktika.

Afrika

I Afrika dia manana velarana mirefy 30 221 532 km2 miaraka amin' ny nosy manodidina azy. Mahatratra hatramin' ny iray lavitrisa ny isan' ny mponina ao aminy tamin' ny taona 2010. I Afrika dia voafaritry ny Ranomasina Mediteranea any avaratra, ny Lakandranon'i Suez sy ny Ranomasina Mena any avaratra atsinanana, ny Ranomasimbe Indiana any atsinanana ary ny Ranomasimbe Atlantika any andrefana. Misy firenena 48 miaraka amin' i Madagasikara, ary 53 miaraka amin' ny tamba-nosy rehetra i Afrika. Mamaky an' i Afrika ny Fehiben-tany sy ny ny zana-pehintany roa.

Jeografian' i Afrika

Ny velarantany manontolon' i Afrika dia 30 000 000 km2 izay mahatonga azy ho tanibe faharoa lehibe indrindra. 8 000 km ny halaviran' ny Cap des Aiguilles (ao Afrika Atsimo) amin'ny Ras Ben Sakka (ao Tonizia), ary 7 000 km ny halaviran' ny Ras Hafun (ao Somalia) amin' ny nosin' i Cabo Verde. Ny toerana avo indrindra ao Afrika dia ny tampon'ny tendrombohitra Kilimanjaro izay manana haavo 5 895 m. I Aljeria no firenena lehibe indrindra ao Afrika ary i Nijeria no firenena be mponina indrindra.

Maro samihafa ireo toe-tany hita ao Afrika. Ny faritra avaratra sy atsimo dia manana ny toetany mediteraneanina. Toetanim-pehibe ny toe-tanin' i Afrika Afovoany ary toe-tanin' ny tanimaty (tany efitra) no ananan'ireo faritra izay akaikin' ny zana-pehintanin' ny Asorotany ary ny zanapehin-tanin' ny Adijady.

Firenena ao Afrika

Firenena ao Afrika Avaratra

I Afrika Avaratra dia ahitana an' i Ejipta, i Libia, i Tonizia, i Aljeria, i Marôka, i Sahara Andrefana ary i Maoritania.

Firenena ao Afrika Andrefana

I Afrika Andrefana dia ahitana an' i Benîno, i Borkina Fasô, i Kapvera, i Kôtidivoara, i Gambia, i Ganà, i Ginea, i Ginea Bisao, i Liberia, i Maly, i Maoritania, i Nizera, i Nizerià, i Senegaly, i Siera Leôna ary i Tôgô.

Firenena ao Afrika Atsinanana

I Afrika Atsinanana dia ahitana an' i Eritrea, i Etiôpia, i Jiboty, i Somalia, i Sodàna Atsimo, i Kenia, i Oganda, i Tanzania, i Roanda, i Borondy, i Seisely, i Kômôro sy i Maiôty, i Maorisy, La Réunion, i Madagasikara, i Malaoy ary i Môzambika.

Firenena ao faritra amin' ny Atsimo ao Afrika

Ny Faritra Atsimo ao Afrika dia ahitana an i Afrika Atsimo, i Angôla, i Bôtsoana, i Kômôro, i Esoatiny (na Soazilandy teo aloha), i Lezôtô, i Madagasikara, i Malaoy, i Maorisy, i Môzambika, i Namibia, i Zambia, ary i Zimbaboe.

Firenena ao Afrika Afovoany

I Afrika Afovoany dia ahitana an' i Angôla, i Kamerona, i Gabôna, i Ginea Ekoatôrialy, ny Repoblikan' i Afrika Afovoany, ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô, ny Repoblikan' i Kôngô, i Saô Tôme e Prinsipe, i Tsady, i Malaoy, i Zambia, i Zimbaboe, i Borondy ary i Roanda.

Amerika

I Amerika dia kôntinenta faritan' ny ranomasimbe Pasifika any andrefany, ny ranomasimbe Atlantika any atsinanany, ny ranomasimbe Arktika any avarany ary ny ranomasimbe Atsimo any atsimony. Ny faritra tena misongadina dia i Amerika Avaratra sy i Amerika Atsimo. izay heverina ho samy kontinenta mahaleo tena avy indraindray. Ny velarany dia 42 tapitrisa km2 ary ny isan' ny mponina dia 930 tapitrisa eo ho eo tamin' ny taona 2009.

Jeografian' i Amerika

I Amerika Avaratra avy amin'ny farany avaratra hatramin' ny farany atsimo dia mirefy 15 000 km. Raha isaina avokoa ny velarantany manontolon' i Amerika Avaratra sy ny velarantany manontolon' i Amerika Atsimo dia kontinenta faharoa lehibe indrindra eto an-Tany i Amerika (velarantany manontolo: 42,44 tapitrisa km²). Avy amin' ny lafiny andrefana hatrany amin' ny lafiny atsinanana dia ahitana karazan' endri-paritra telo:

  • Ny morontsiraka andrefana dia ahitana tendrombohitra avo (mahatakatra hatrany amin' ny 6 959 m ny tendrombohitra Aconcagua): ao Amerika Atsimo no ahitana ny tangorombohitra lava indrindra ivelan-dranomasina (6 000 km ny avy any atsimo mianavaratra).
  • Eo amin' ny morontsraka atsinanana indray no ahitana tany lemaka. Misy ihany ny tendrombohitra anefa ny haavony dia tsy mihoatra ny 3 000 m mihitsy; ohatra izao ny tangorombohitr' i Appalaches any avaratra, na ny tany avo brazilianina any atsimo.
  • Ny faritra afovoan' ny kôntinenta amerikanina roa indray dia ahitana na tany lemaka (eo amin' ny faritra afovoan' i Amerika Avaratra), na alabe rehefa manakaiky ny Fehibe (alan' i Amazonia, any Amerika Atsimo). Ny toerana misy an' ireo tany lemaka sy alabe ireo dia tany lemaka iva ikambanan' ny renirano (bassin).

Firenena ao Amerika

Firenena ao Amerika Avaratra

Ireto ny fienena ao Amerika Avaratra: i Kanada, i Etazonia, ary i Meksika.

Firenena ao Amerika Afovony

Ireto ny fienena ao Amerika Afovoany: i Goatemala, i Belizy, i Hôndorasy, i Salvadôro, i Nikaragoa, i Kôsta Rika ary i Panama.

Firenena ao Amerika Atsimo

Ireto ny fienena ao Amerika Atsimo: i Arjentina, i Bôlivia, i Brezila, i Silý, i Kôlômbia, i Ekoadora, i Goiana, i Paragoay, i Però, i Sorinama, i Orogoay ary i Venezoela

Azia

I Azia dia voafaritry ny Ranomasimbe Arktika ao avaratra, ny andilan-dranomasin' i Bering sy ny Ranomasimbe Pasifika ao atsinanana, ny Ranomasimbe Indiana ao atsimo, ary ny Ranomasina Mena sy ny Ranomasina Mediteranea ao atsimo-atsinanana. Ny sisiny manasaraka an' i Azia sy Eorôpa dia nifanarahana fa ny tendrombohitra Oraly (Ural). Manana velarana 32 tapitrisa km2 i Azia ka izy no be velarana indrindra amin' ny kôntinenta rehetra. Izy koa no be mponina indrindra. Ahitana firenena miisa 46 ny ao amin' io kôntinenta io.

Jeôgrafan' i Azia

Firenena ao Azia

Ireto ny firenena ao Azia araka ny faritra misy azy sy araka famaritan' ny Firenena Mikambana ireo faritra ireo.

Firenena ao Azia Avaratra

Kôntinenta 
Fizaràm-paritra any Azia

I Azia Avaratra dia ahitana an' i Siberia izay ampahany amin' i Rosia. Ao koa no ahitana an' i Môngôlia sy i Mantsoria izay atambatra amin' i Azia Atsinanana amin' ny ankapobeny.

Firenena ao Azia Afovoany

I Azia Afovoany dia ahitana an' i Kazakstàna, i Ozbekistàna, i Tajikistàna, i Torkmenistàna ary i Kirgizistàna.

Firenena ao Atsinanana Afovoany

I Atsinanana Afovoany dia ahitana an' i Arabia Saodita, i Iràka, i Iemena, i Ômàna, i Iràna, i Siria, i Jôrdania, i Israely, i Palestina ary i Torkia.

Firenena ao Azia Atsimo

I Azia Atsimo dia ahitana an' i Afganistàna, i Bangladesy, i Botàna, i India, ireo nosy Maldiva, i Nepaly, i Pakistàna ary i Srilanka.

Firenena ao Azia Atsinanana

I Azia Atsinanana dia ahitana an' i Sina, i Kôrea Avaratra, i Kôrea Atsimo, i Japàna ary i Taioàna. Manampy azy ireo i Môngôlia (izay indraindray tao isan' i Azia Afovoany) sy i Vietnamy sy i Singaporo (noho ny antony ara-kolontsaina, atambatra matetika amin' i Azia Atsimo-Atsinanana).

Firenena ao Azia Atsimo-Atsinanana

Ny Azia Atsimo-Atsinanana dia ahitana an' i Mianmara, i Tailandy, i Malezia, i Indônezia, i Filipina, i Vietnamy, i Laôsy, i Broney ary i Kambôdia.

Eorôpa

I Eorôpa dia ao amin' ny ila-bolantany avaratra sady manana ny ampahany be amin' ny taniny ao amin' ny ila-bolantany atsinanana, izay voafaritry ny kôntinentan' i Azia avy ao atsinanana, ny Ranomasina Mediteranea avy ao atsimo, ny Ranomasimbe Atlantika sy ny Ranomasin' i Nôrvezy avy ao andrefana, ary ny Ranomasimbe Arktika avy ao avaratra i Eorôpa.

Matetika dia zaraina ho faritra efatra i Eorôpa ka ahitana an' i Eorôpa Avaratra, i Eorôpa Andrefana, i Eorôpa Afovoany, i Eorôpa Atsinanana ary i Eorôpa Atsimo. Misy firenena dimampolo ao Eorôpa, ary i Rosia no ngeza indrindra amin' ireo, ary i Vatikàna no firenena kely indrindra.

Jeôgrafan' i Eorôpa

Firenena ao Eorôpa

Firenena ao Eorôpa Andrefana

I Eorôpa Andrefana dia ahtana i Alemaina, i Aotrisy, i Belzika, i Danemarka, i Espaina, ny Fanjakana Mitambatra, i Finlandy, i Frantsa, i Irlandy, i Islandy, i Italia, i Liechtenstein, i Loksemborga, i Nederlandy, i Norvezy, i Pôrtogaly, i Soeda, ary i Soisa.

Firenena ao Eorôpa Avaratra

I Eorôpa Avaratra dia ahitana an' i Nôrvezy, i Danemarka, i Soeda, i Islandy, i Finlandy ary i Estônia.

Firenena ao Eorôpa Atsimo

I Eorôpa Atsimo dia ahitana an' i Albania, i Andôra, i Bôsnia-Herzegôvina, i Espaina, i Gresy, i Italia, i Krôatia, i Makedônia Avaratra, i Malta, i Môntenegrô, i Pôrtogaly, i San-Marîno, i Serbia, i Slôvenia, ary i Vatikàna.

Firenena ao Eorôpa Afovoany

Ny Eorôpa Afovoany dia ahitana an' i Alemaina, i Aotrisy, i Hongaria, i Pôlônia, i Repoblika Tseky, i Slôvenia ary i Krôasia. I Krôasia sy i Romania koa tsindraindray dia sokajiana ao amin' ny firenen' i Eorôpa Afovoany.

Firenena ao Eorôpa Atsinanana

I Eorôpa Atsinanana dia ahitana an' i Bielôrosia sy i Rosia ary i Okraina. Amin' ny heviny mivelatra dia mety ho taniaina aokoa i Krôatia, i Slôvenia, i Aotrisy, i Tsekia, i Hôngria, Pôlônia, i Slôvakia, i Litoania, i Letônia ary i Estônia.

Ôseania

I Ôseania dia fitambaran' i Aostralia sy ny nosy anarivony maro manodidina ao amin' ny faritra atsimon' ny ranomasimbe Pasifika. Ahitana firenena miisa 14 ny ao Ôseania. Manana velarana 8 523 655 km2 eo ny kontinentan' i Ôseania. Ny 90 % n'izay dia Aostralia. Izy no kontinenta kely indrindra eto an-tany.

Jeôgrafan' i Ôseania

Firenena ao Ôseania

Firenena ao Mikrônezia

Ireto ny firenena ao Mikrônezia: i Mikrônezia, ny Nosy Marsaly (Marshall), i Kiribaty (Kiribati), i Naoro (Nauru) ary i Palaô (Palaos).

Firenena ao Melanezia

Ireto ny firena ao Melanezia: ny nosy Fijy (Fiji / Fidji), ny Nosy Sôlômôna, i Vanoato, i Ginea Vaovao (izay mizara roa: i Papoazia-Ginea-Vaovao sy i Ginea Vaovao Andrefana -- izay an' i Indônezia).

Firenena ao Pôlinezia

I Pôlinezia dia hitana ireto fireena ireto: ny Nosy Koky (Cook Islands), i Zelanda Vaovao, i Kiribaty (Kiribati), i Nioe (Niue), i Samôa (Samoa), i Tônga (Tonga) ary i Tovalo (Tuvalu);

Firenena ao Aostralazia

I Aostralazia dia ahitana an' i Aostralia sy i Zelandy Vaovao.

Antarktika

I Antarktika dia ilay kontinenta misy ny tendrontany atsimo. Manana velarantany 14 tapitrisa km2 izy. Ny 98 %n' ny velarantaniny dia ranomandry manana hatevina mety mahatratra 1 600 m. Mangatsiaka sy maina ary be rivotra indrindra eto an-tany i Antarktika. Zavamaniry sy biby mahazaka ny hatsiaka sy ny aizaina ary ny hamaina ihany no miaina any.

Jeôgrafan' i Antarktika

Jereo koa

Tags:

Kôntinenta AfrikaKôntinenta AmerikaKôntinenta AziaKôntinenta EorôpaKôntinenta ÔseaniaKôntinenta AntarktikaKôntinenta Jereo koaKôntinentaAziaEoraziaEoropaNosyRanomasina

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Kristianisma eto Madagasikara1888Anjara (finoana)Angatra (lolo)TranombakokaEpifaniaBetsimisaraka24 FebroaryAdaoroJerosalema AndrefanaIsam-poninaVolana2004Tononkira FanaperanaKabary am-panambadiana410BatismaWiki FoundationFloridaOnjan-dranoFiangonan' i Jesoa Kristy eto MadagasikaraFahaleovantena1970Tantaran' i MadagasikaraRepoblika MalagasyTantaran' i AlemainaFandriam-pahalemanaLisitr' ireo mpanjaka merinaLisitry ny teny ampiasaina amin' ny haitenyWayback MachineLavarsVikingy (vahoaka)NikodaAbidy grikaAngôvoMaorisy1927SekolyRadama IIQasr-e Qand748FinlandyFiteny latinaFilazantsara araka an' i MarkaBiôgrafiaHypertext Markup LanguageEpistily ho an' ny RômanaBokin' i IsaiaTetiandro gregôrianaFiteny anglisy1942EvekaKolontsainaTrondroEzekielaAljeriaFiteny grikaMontanaAndron'ny TanyVoronaFiteny nôrvezianaAntesakaInternet ExplorerMasedônia AvaratraTetiandroPôlinezia FrantsayDanemarkaVintanaSlôvakiaGoogle🡆 More