Kônfirmasiôna

Ny kônfirmasiôna, ao amin' ny Fiangonana kristiana, dia fomba atao ampahibemaso manome fahafenoana ny fanomezan' ny Fanahy Masina amin' ny alalan' ny fanamafisana ny famantarana azo tamin' ny batisa (na batemy).

Sakramenta ny kôfirmasiôna amin' ny Katôlika sy ny Ôrtôdôksa.

Kônfirmasiôna ao amin' ny Fiangonana ôrtôdôksa

Tao amin' ny Fiangonana voalohany dia tanterahina avy hatrany aorian' ny batisa ny kônfirmasiôna, ary mbola toy izany no fanao ao amin' ny Fiangonana ôrtôdôksa.

Kônfirmasiôna ao amin' ny Fiangonana katôlika

Amin' ny Fiangonana katôlika dia sakramenta ny kônfirmasiôna. Ankehitriny dia heverina ao amin' ny Fiangonana katôlika ho manome hery hijoroana vavolombelona sy mahatonga ny Kristiana ho tonga olon-dehibe ny kônfirmasiôna. Ao amin' ny Fiangonana katôlika hatramin' ny Andro Antenantenany dia miovaova ny taon' ny olona atao kônfirmasiôna, ka eo anelanelan' ny 7 sy 15 taona izany. Hatramin' ny Kônsily Vatikàna II dia tanterahina amin' ny fotoana maha vanto-jeza ny kônfirmasiôna. Amin' ny Katôlika, amin' ny ankapobeny, dia tanterahina amin' ny alalan' ny fametrahan-tanana (izay midika fampitana ny Fanahy Masina) sy fanosorana menaka (izay midika herin' Andriamanitra sy mahatonga ny Kristiana ho olom-boahosotra.

Kônfirmasiôna ao amin' ny Fiangonana prôtestanta

Ny Anglikana sy ny Prôtestanta dia tsy manao ny kônfirmasiôna ho sakramenta, ny batisa sy ny fanasan' ny Tompo (eokaristia) no sakramenta amin' izy ireo. Amin' ny Prôtestanta dia fiarovana ny finoana iantsoana ny tanora ny kônfirmasiôna mba hanamafisany ny fanekena natao tamin' ny batisa.

Jereo koa

Ny sakramenta ao amin' ny fiangonana katôlika:

Tags:

Kônfirmasiôna ao amin ny Fiangonana ôrtôdôksaKônfirmasiôna ao amin ny Fiangonana katôlikaKônfirmasiôna ao amin ny Fiangonana prôtestantaKônfirmasiôna Jereo koaKônfirmasiônaBatisaFanahy MasinaKatôlisismaKristianismaSakramentaÔrtôdôksa

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

AfrikaDokuWikiBaiboly Dikanteny Iombonana Eto MadagasikaraFanekem-pinoana apôstôlikaVaryRah-CkikyAlahasaty1997BareinaJodaismaRoberto VaccaEvanjelin' ny Apôstôly Roa ambin' ny FoloSoratra MasinaTolom-bahoaka tamin' ny 1947RioWikipediaFoko folo veryMiora Andrialalaina FlorlysTom KilburnForbesFiteny tsôkotaoAntefasyTsy feteza-matyIowaAbidyAntemoroFiteny aostrônezianaFianarantsoaVarotraGoavyTsindrimandry (fivavahana)ZavaboarySakafo malagasyMorondavaFiteny japôneyBoky fahadimin' ny MakabeoÉmile DurkheimFanjakan' ImerinaNtaoloKantoEzekielaAndevo (teto Madagasikara)AkohoMasikoroLloyd KaufmanSiliaAnganoMenalambaAntandroyFacebookAnjara asa (fitsipiteny)MozikaZhuge LiangPrôtektôrata Frantsain' i MadagasikaraAmerika LatinaLibiaFady (malagasy)1200FihavananaArintany mahazatraJean-Joseph RabeariveloBokin' i AmôsaRangitaAdy an-tranoAngatra (aretina)Wiki FoundationApôkrifan' i JoanyApôkalipsy faharoan' i JakôbaItaliaApôstôly roa ambin' ny foloFiteny antemoroAndriantompokoindrindraFizaràn-taonaToetanin-jana-pehin-tanyFilazantsara araka an' i MarkaEpistily voalohany ho an' ny Kôrintiana🡆 More