Kônfesy

Ny kônfesy dia fanambaràna ny fahotan'ny tena amin' Andriamanitra mba hahazoana ny absôlosiona.

Imbetsaka no ananteran'ny Baiboly ny tokony hanambaràna ny fahotan'ny tena, hita indrindra izany ao amin'ireo famporisihana sy fananarana ataon'ny mpaminany.

Kônfesy
Ny kônfesy Pietro Longhi, vers 1750.

Ny teny hoe kônfesy dia avy amin'ny teny latina hoe fateor, izay midika hoe "manambara ny fahadisoana".

Ny fanambaràna fahotana ao amin'ny jodaisma

Ao amin'ny jodaisma, ny Yom Kippur (hebreo: יוֹם כִּיפּוּר) dia andro fifadian-kanina sy fanambaràna ny fahotan'ny tena ary fangatahana famelan-keloka.

Ny fanambaràna ny fahadisoana (hebreo: וידוי / viddouï) dia matetika akambana amin'ny fibebahana na ny fanavotana ny fahadisoana. Izany fanambaràm-pahadisoana izany dia tononina mangingina isan'andro ka mitana anjara asa lehibe ao amin'ny lotorjian'ny Yom Kippur sady isan'ireo fombam-pivavahana tandremana alohan'ny hahafatesana.

Ny fanambaràm-pahotana dia tanterahina eo amin'ny olona sy Andriamanitra, ka tsy atrehin'olon-kafa, ny mifanohitra amin'izany, hoy ny Talmoda, dia midika tsy fanajana an' Andriamanitra. Raha misy Jiosy nanao fahadisoana amin'ny namany dia atao ampahibemaso ny fanambaràm-pahadisoana.

Ny kônfesy ao amin'ny fivavahana kristiana

Ao amin'ny fivavahana kristiana dia miseho amin'ny endrika roa ny kônfesy, dia ny kônfesy eo anatrehan'ny pretra sy ny kônfesy eo anatrehan'ny mpiara-mivavaka.

Ny kônfesy ao amin'ny fiagonana katôlika sy ny fiagonana ôrtôdôksa

Araka ny fampianarana katôlika dia ampahany manan-danja ao amin'ny sakramentan'ny fivalozana ny kônfesy mangingina. Asaina mikônfesy ny fahotana lehibe vitany eo anatrehan'ny pretra ny Katôlika, farafahavitsiny indray mandeha isan-taona, indrindra amin'ny andro Paka. Izany fahefana mamehy sy mamaha izany, izany hoe mamela ny fahotana izany, dia nomena ny apôstôly.sady noraisin'ny pretra tamin'ny alalan'ny fifandimbiasana apôstôlika. Ny kônfesy sy ny absôlosiona koa dia miorina amin'ny Filazantsara.

Ny fanaovana kônfesy eo amin'ny pretra dia fanao efa hatry ny andro taloha ela, nefa ny fomba fanatenterahana azy dia mahalana tao amin'ny Fiangonana voalohany ary matetika dia amin'ny fotoana farany amin'ny androm-piainana no nanatanterahana azy. Mafy dia mafy ny fifehezana nanatanterahana azy.

Hatramin'ny kônsily faharoa tao Vatikàna (1962) dia novana anarana hoe "sakramentan'ny fampihavanana" ny kônfesy na sakramentan'ny fivalozana. Ozany anarana izany dia manantitra ny fiverenana amin'Andriamanitra indray, izany hoe ny fibebahana.

Ny kônfesy koa dia andidian'ny fiangonana ôrtôdôksa kôpta sy fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana.

Amin'ny Katôlika sy ny Ôrtôdôksa ary ny Fiangonana tatsinanana dia sakramenta ny kônfesy. Aorian'ny fikônfesena dia manome na tsia ny absôlosiona (izany hoe ny famelan-keloka sy ny famelàna ny fahotana) ny pretra. Tsy misy dikany anefa ny kônfesy raha tsy ialihavan'ny fibebahana.

Ny kônfesy ao amin'ireo fiagonana anglikana

Ny Fiangonan'i Angletera sy ny fiangonana anglikana hafa dia nitahiry ny foto-pampianarana katôlika momba ny kôfesy. Niroborobo indray ny fanaovana kônfesy ren'ny sofina tamin'ny taonjato faha-19 tamin'ny fihetsiketsehana tao Oxford, nefa maro amin'ny mpino anglikana no misafidy ny absôlosiona faobe mandritra ny fotoam-pivavahana.

Ny Anglikana izay manana ny foto-pampianarany ao amin'ilay atao hoe "Artikla sivy amby telompolo" dia mitovy fomba fijery amin'ny Prôtestanta, ka tsy nitahiry afa-tsy ny saktamenta roa izay voalaza mazava tsara ao amin'ny Baiboly, dia ny batisa (na batemy) sy ny eokaristia. Noho izany ny kônfesy dia tsy sakramenta nefa isan'ireo fomba sakramentaly dimin'ny anglikanisma.

Ny kônfesy ao amin'ireo fiagonana peôtestanta

Ny kônfesy ampahibemaso dia tafiditra ao amin'ny fanompoam-pivavahana loterana. Hatramin'ny fintombohan'ny refôrmasiona dia efa tsy nankasitraka ny fanaovana kônfesy amin'ny pretra tao amin'ny Fiangonan'ny Andro Antenantenany ireo mpanitsy fivavahana (refôrmatora). Amin'izy ireo dia tsy terena sady tsy natokana ho henoin'ny pretra ny kônfesy (na dia ny mpino tsotra dia afaka mandray ny kônfesy ataon'ny olona), ary indrindra tsy misy heviny ny fametrahana ny fahefana hamela heloka amin'ny pretra. Izay anefa tsy midika fa tsy ilaina ny mikônfesy satria tsy nanafoana izany na i Lotera na i Calvin. Ny olona mandray ny kônfesy dia tsy inona fa mpanao raharaha, vavolombelona manambara na manamafy izay zavatra ampanantenain' Andriamanitra amin'ny alalan'ny Teniny, dia ny Baiboly.

Ny kônfesy ampahibemaso dia hita ihany koa ao amin'ireo fiangonana pentekôtista sy fôndamentalista.

Ny tsiambaratelon'ny kônfesy

Ny tsiambaratelon'ny kônfesy dia ilazana ny fandrarana ny pretra mpampikôfesy na ny mpandika teny na ny mpandalo sedra nifanojo amin'olona mikônfesy, mba tsy hanambara ny vontoatin'izany kônfesy izany amin'olon-kafa. Ny fiarovana ny tsiambaratelon'ny kônfesy dia efa fanao tany amin'ny taonjato faha-4 sy faha-5 nefa tsy noraiketina ho lalàna ao amin'ny fiangonana izany raha tsy tamin'ny taona 1215 mandritra ny kônsily fahefatra natao tao Latràna.

Loharano sy fanamarihana

Tags:

Kônfesy Ny fanambaràna fahotana ao aminny jodaismaKônfesy Ny kônfesy ao aminny fivavahana kristianaKônfesy Loharano sy fanamarihanaKônfesyAndriamanitra (tokana)BaibolyFahotana

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Lahatra (finoana malagasy)AntefasyApôstôly roa ambin' ny foloPoaceaeNizeriaFanandevozanaWikipediaReniranoBordeauxAlohotsyAmerika LatinaPrôtektôrata Frantsain' i Madagasikara1912KinshasaFivarotana andevo1200Boky voalohan' ny MakabeoAlahamadibeFiteny nizerô-kôngôleyFitenim-paritra malagasyAbidyAntemoroOmbyAmalonaFaritra AnosyBokin' i RotaFanahyShanghaiFiteny antemoroFiteny tatara krimeanaPôlitika eto MadagasikaraMozikaSiliaSorabeAntandroyFanahy (kolontsaina malagasy)Josip SkoblarAndrianjakaFanandroana malagasyBayer 04 LeverkusenTsinyMorondavaSokela1853Roberto VaccaBatisaVoahangySiansaMetôdiôsy avy any ÔlimpôsyEpikan' i GilgamesaTantaran' i MadagasikaraNjakatianaISO 4217Abidy malagasyFitsarana faranyWellington PointMumbaiDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)Vondrom-bokin' i Nag HammadiAntesakaLibiaTsirinteny sara-droaAdaoroRakotozandry DanielNKabary am-panambadianaFahaleovantenaSakramentan' ny fanambadianaEorôpaFiloham-pirenena sy mpanjakan'i MadagasikaraPaska jiosy🡆 More