}}
| |||||
Teny ofisialy | Kyrgyz (fitenim-panjakana) Rosy (fiteny ofisialy) | ||||
Renivohitra | Bishkek 41°13′N 75°00′E | ||||
Tanàna lehibe indrindra | Bishkek | ||||
Fitondrana sy governemanta - Filoha Praiminisirtra | Repoblika Sadyr Japarov (Садыр Жапаров) Akylbek Japarov (Акылбек Жапаров) | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) | faha 85 199 951 km² 2020 | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (2020) - hakitroka | faha 110 6 523 529 mpo. 32,63 mpo./km² | ||||
Anaran'ny mponina | Kirgizka | ||||
Sandam-bola | Som (KGS ) | ||||
Faritr'ora | UTC | ||||
Hiram-pirenena | ' | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby | ++996 |
I Kirgizistàna dia firenena ao Azia Afovoany. Ny renivohiny dia i Bishkek. Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny. Mirefy 199 900 km2 ny velaran-taniny ary miisa 5 500 239 ny mponina ao araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2010. Ny faritr' ora dia +5 hatramin' ny +6. I Kirgizistàna dia tsy manana morontsiraka, nefa ahitana farihy betsaka. Firenena be tendrombohitra izy. Ny salan-kaambon’ ilay firenena dia 3 000 m ary ny tangoron-tendrombohitr' i Alai sy ny an' i Tian Shan dia ahitana tendro mahatratra mihoatra ny 7 000 m. Mihoatra ny 3 %n' ny velaran-tanin' io firenena io dia rakotra ranomandry sy orampanala mandavan-taona. Toetanin-tanibe ny toetany any Kirgizistàna ka lehibe ny fiovaovan' ny maripana.
Ahitana vondrom-poko isan-karazany ny ao Kirgizistàna, ka anisan' izany ny Kirgizy izay maro anisa indrindra (manodidina ny 50 %), ny Rosiana (20 % any ho any) ary ny Ozbeka (10 % any ho any). Ny 70 %n' ny mponina dia Mozilmana. Tambanivohitra ny ankamaroan' ny mponina.
Ny famokarana landy no sehatr' asa ara-toekarena voalohany any Kirgizistàna, sahala amin' ny any amin' ny faritra maro any Azia Afovoany.
Repoblika sôsialista sôvietika taloha, tao amin' ny Firaisana Sôvietika, i Kirgizistàna nefa nahazo fahaleovan-tena tamin' ny taona 1991. Mpikambana amin' ny Fikambanan' ny Fanjakana Mahaleo Tena izy.
Firenena ao Azia:
Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indônezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - Jôrdania - Kambôdia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - Kôety - Kôrea Atsimo - Kôrea Avaratra - Laôsy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara - Môngôlia - Nepaly - Ômàna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina (fanjakana) - Rosia - Sina - Singaporo - Siria - Srilanka - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy.
Kôntinenta eto an-tany
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Kirgizistàna, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.