Sikidy Kiba

Ny Kiba na Akiba na Trano, araka ny fanaovana sikidy malagasy, dia ny tsanganan-tsikidy fahenina ambin'ny folo farany, isan'ireo tsanganan-tsikidy valo atao hoe tera-tsikidy, izay apetraka any amin'ny fàfana faharoa eo ambanin'ireo atao hoe renin-tsikidy, vokatry ny fampifanampiana ny soratry ny Zanahary (na Haky) sy ny an'ny Tale.

Misy vaniny efatra toy ny tsanganan-tsikidy malagasy rehetra ny Kiba na Trano, misy "lohany" sy "tratrany" sy "valahany" na "vaniany" ary "tongony".

Ny Kiba dia mety hiseho ao amin'ny iray amin'ireo sora-tsikidy enina ambin'ny folo toy ny Tareky (1 1 1 1), ny Jama na Asombola (2 2 2 2), ny Asorasady (2 2 1 1), ny Alahasady (1 1 2 2), ny Alitsimay (2 1 1 2), sns.

Mba hahazoany ny soratry ny Kiba ny mpisikidy dia manambatra ny isam-boan-tsikidy ao amin'ny soratry ny Zanahary sy ny an'ny Tale, ka ny fitambaran'ny lohan'ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no lohany, ny fitambaran'ny tratran'ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no tratrany, ny fitambaran'ny vanian'ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no vaniany, ary ny fitambaran'ny tongotr'ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no tongony. Tsy misy intsony ny tsanganan-tsikidy vokatry ny fampifanampiana ny soratry ny Trano amin'ny an'ny tsanganana hafa. Tsy miteraka izany ny Kiba.

Anondroana ny trano fonenana tokoa ny Trano na Kiba.

Jereo koa

Tsanganan-tsikidy

Tags:

Renin-tsikidySikidy malagasyTale (sikidy)Tera-tsikidyZanahary (sikidy)

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Rakotozandry DanielRanoRatsimilahoThe Coca-Cola CompanySakafo malagasyFiteny tamilyConteville-lès-BoulogneZafisoroFasanaMpandrindra milinaFivavahan-drazana afrikanaFiteny malagasyEvanjely miafin' i JoanyFiteny aostrônezianaTsindrimandry (fivavahana)VolamakaVadin' i MohamadyBède le VénérableVintana (finoan-drazana malagasy)Faritra AnalamangaFifohazana (kristianisma malagasy)Tolom-bahoaka tamin' ny 1947FihavananaNizeriaBoky voalohan' ny MakabeoFanambadianaAdy Lehibe FaharoaAmbohimahasoaBokin' i EzekielaFanandroana malagasyArintany mahazatraAnjelyApôkalipsa Gnôstikan' i PieraBibyPôlôniaMenalambaFitsarana faranyGrenadyNikôdemôsyAnganoKabaryVarotraHypertext Markup LanguageMichael JacksonMediaWikiFitiavanaAveloFanomezana fiton' ny Fanahy MasinaFanandevozanaOurenseVitaly LagutenkoGoavy (zavamaniry)Repoblika Fahefatra (Madagasikara)1971Sakramenta ao amin' ny fiangonana katôlikaWayback MachineLibiaMetôdiôsy avy any ÔlimpôsyKininina (zavamaniry)FilôzôfiaFisoronana sy fanalana vintanaNatalie PortmanGoavyAbidy Ara-drafipeo Iraisam-pirenenaInjenieriaRangitaÔlimpôsy (Torkia)Distrikan'i FianarantsoaBetsileoJeôgrafian' i Madagasikara🡆 More