Ny Ketuvim na Ketubim (soratra) dia fitambaran' ny boky iraika ambin' ny folo mamorona ny fizaràna fahatelo sady farany ao amin' ny Baiboly hebreo (na Tanakh).
Tsy afangaro amin' ny lazain' ny Kristiana hoe "bokin' ny olon-kendry" na "bokim-pahendrena" ny Ketuvim (midika hoe "Soratra") ao amin' ny Baiboly hebreo.
Ny teny hoe כְּתוּבִים / ketuvim na ketubim dia teny hebreo amin' ny endriny milaza maro, izay midika hoe "soratra".
Misy sokajy telo ny boky ao amin' ny Ketuvim, dia ireo ao amin' ny hoe סִפְרֵי אֶמֶת / Sifrei Emet sy ny hoe חמש מגילות / Hamesh Megilot ary ireo boky sisa.
Ny teny hoe סִפְרֵי / sifrei dia midika hoe "horonam-boky". Ny hoe Emet dia fanafohezana ny fifanarakarahan' ny anaran' ny boky telo mitambatra ao aminy, nefa afaka midika hoe "fahamarinana". Telo ny boky ao amin' ny סִפְרֵי אֶמֶת / Sifrei Emet, dia ireto avy:
Misy dimy ny boky atao hoe Hamesh Megilot, izay midika hoe "horonam-boky dimy", dia ireto avy:
Tsy misy anarana manokana hanasokajiana azy ny boky sisa ao amin' ny Ketuvim izay miisa telo, dia ireto avy:
Marihina fa mitambatra ho boky iray ny Bokin' i Ezra sy ny Bokin' i Nehemia izay misaraka ao amin' ny Baiboly kristiana, toraka izany koa ny Bokin' ny Tantara roa (1Tantara sy 2Tantara).
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Ketuvim, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.