Kerigma

Ny kerigma (misy koa ny manoratra hoe kerygma) dia ny votoatin'ny finoana an'i Jesoa Kristy nambara sy nampitain'ireo Kristiana voalohany tamin'ny tsy mpino; io teny io dia mbola ampiasaina hatramin'izao mba hilazana ny fanambaràna ny votoatin'ny finoana kristiana araka ny maha mpamita iraka ilay mpanambara .

Fiforonan-teny

Ny teny hoe kerigma na kerygma dia fanagasiana ny teny grika hoe κήρυγμα / kérugma ("fanambaràna amin'ny feo mafy") izay avy amin'ny hoe κῆρυξ / kêruks izay midika hoe "mpitondra vaovao" na "mpanambara vaovao".

Ny votoatin'ny finoana ao amin'ny kerigma

Ireto ireo fehezan-teny telo izay mamintina izany fanambaràm-pinoana izany:

  • I Jesosy Kristy no Mesia Zanak'Adriamanitra (jereo ohatra ny Asan'ny Apostoly 2. 36)
  • Maty sy nitsangan-ko velona izy, ary izay miresaka ny aminy dia mijioro ho vavolombelony amin'ny tenany manokana ;
  • Miantso ny olona hibebaka izy.

Loharano avy ao amin'ny Baiboly

Ao amin'ny Testamenta Vaovao dia ahitana ny kerigman'i Petera tamin'ny andron'ny Pentekosta (Asa 2.22-24 sy 32 ary 38):

    "22 Ry lehilahy Isiraely, mihainoa izao teny izao: Jesosy avy any Nazareta, lehilahy nasehon'Andriamanitra teo aminareo tamin'ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana izay nampanaovin'Andriamanitra Azy teo aminareo, tahaka ny fantatrareo ihany, 23 Izy efa natolotra araka ny saina niniana sy ny fahalalan'Andriamanitra rahateo, dia nohomboanareo sy novonoinareo tamin'ny tanan'ny olona tsy tan-dalàna; 24 fa Andriamanitra nanangana Azy, rehefa nahafaka ny fanaintainan'ny fahafatesana, satria tsy laitr'izany hohazonina Izy. (...) 32 Izany Jesosy izany dia efa natsangan'Andriamanitra, ary vavolombelon'izany izahay rehetra. (...) 38 Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina."

Ny kerigman'i Paoly izay fohy kokoa sy manantitra ny amin'ny fitsanganan-ko velona dia hita ao amin'ny Taratasy nosoratany ho an'ny Korintiana (1Kor. 15.1-8).

    "1 Ary ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny filazantsara izay notoriko taminareo sy noraisinareo sady iorenanareo, 2 izay amonjena anareo koa, raha tananareo tsara araka izay teny notoriko taminareo, raha tsy nino foana ianareo. 3 Fa natolotro anareo ho isan'ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina, 4 dia nalevina, ary natsangana tamin'ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina; 5 ary niseho tamin'i Kefasy Izy, dia vao tamin'ny roa ambin'ny folo lahy koa. 6 Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'ny rahalahy tsy omby dimam-jato Izy, ny ankamaroan'ireny dia mbola velona mandraka ankehitriny, fa ny sasany efa nodi-mandry. 7 Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'i Jakoba Izy, dia tamin'ny Apostoly rehetra. 8 Ary faran'izy rehetra, izaho, izay toy ny tsy tonga volana aza, dia mba nisehoany koa."

Lohatenina epistily apokrifa koa ny hoe: Kerigman'i Petera sy ny Kerigman'i Paoly. Taty aoriana, noho ny fivoaran'ny fampianaran-diso sy ny finoan-diso dia nivoatra ho fankam-pinoana na fiaikem-pinoana ny kerigma, ka nahitana fanambaràna dogmatika (tenim-pinoana) maro kokoa ka ny lehibe amin'ireo dia ny Fanekem-pinoana apostolika sy ny Fanekem-pinoan'i Nikea-Konstantinopoly.

Fiverenana amin'ny kerigma nanomboka tamin'ny taonjato faha-20

Ny fanambaràna ny kerigma dia heverina ao amin'ny Fiangonana katolika ho fitaovana iray hahafahana manatratra ny fitoriana ny vaovao mahafaly amin'ny fomba vaovao izay nahidrahindran'ny Papa Joany Paoly II. Dingana mialoha ny ketesizy ny kerigma.

Ny teny famporisihana apostolika Evangelii gaudium nataon'ny Papa Fransoa dia mampahatsiahy im-betsaka ny kerigma.

Fomba hahafaha-miala amin'ny fampianaram-pinoana samihafa misy ao amin'ny sampana maro ao amin'ny fivavahana kristiana ny kerigma. Izany no nahatonga ny fivoahan'ny tetik'asa moma ny atao hoe "ekiomenisma kerigmatika" araka ny tenin'ny sosiologa Sebastien Fath, manampahaizana manokana momba ny protestantiosma: ny fikaonan-kevitra ara-pilazantsara "Top Chrtien" dia ahitana tolo-kevitra maro araka izany.

Jereo koa:

Loharano sy fanamarihana:

Tags:

Kerigma Fiforonan-tenyKerigma Ny votoatinny finoana ao aminny kerigmaKerigma Loharano avy ao aminny BaibolyKerigma Fiverenana aminny kerigma nanomboka taminny taonjato faha-20Kerigma Jereo koa:Kerigma Loharano sy fanamarihana:KerigmaJesosy

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Kômôro340Andro faranyTandavan-tendrombohitra AlpaMpitondra Rano (fanandroana)Baiboly amin' ny teny malagasyRahonaPorto AlegreNeufchâtel-HardelotSakalavaFilazantsaraKor'anyWalter GarganoIndôneziaSouth El Monte, KaliforniaOmbySikidy malagasyVolana (fotoana)KaokazyFaritanin' i ToliaraBaiboly prôtestantaTeôlôjiaHara-magedônaAntoko pôlitika malagasySora-tsikidy malagasySiria-PalestinaAblainzevelleNy valanaretin'ny coronavirus eto MadagasikaraDavid HalpertTakatraAsombolaGoaikaFifohazana (kristianisma malagasy)Epistily voalohany ho an' ny Kôrintiana1971Sunita WilliamsEjiptaFanjakan' AndriamanitraEmirata Arabo MitambatraAbdellatif FellainiBootjack, KaliforniaSiciliaBrexitSilamo eto MadagasikaraOndrilahy (fanandroana)Mpampiankin-tenyRené CouzinetBokin' ny mpaminany (Baiboly)Radama VoalohanyRandriamamonjy FrédéricRajoelina AndryAfrika AfovoanyVavak'i ManaseKabary famangianaTelleceyTsiranana Philibert6 JanoaryBanto (vahoaka)SihanakaOyonnaxHira (maky)Pech, AriègeChicagoBlaogy2 DesambraValve Corporation2009Solesmes, NordAppleSkopjeOmar ibn al-Khattâb🡆 More