Kazakstàna

}}

Қазақстан Республикасы ((kk))
Qazaqstan Respublïkası kk
Республика Казахстан ru
Repoblikan'i Kazakstàna ((mg))
Sain'i Kazakstàna Mari-piandrian'i Kazakstàna
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Kazakstàna
Teny ofisialy Kazàka (fitenim-panjakana)
Rosy (fiteny ofisialy)
Renivohitra Nursultan
51°10′N 71°30′E
Tanàna lehibe indrindra Almaty
Fitondrana sy governemanta
 - Filoha

 - Praiminisirtra
Repoblika
Kassym-Jomart Tokayev
Askar Mamin
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 9
2 717 300 km²
6,82
Isam-ponina
 - Tontaliny (2012)
 - hakitroka
faha 60
17 522 010 mpo.
5,7 mpo./km²

Anaran'ny mponina Kazàka
Sandam-bola Tengue (KZT)
Faritr'ora UTC +5 (andrefana) ary +6 (afovoany ary atsinanana)
Hiram-pirenena Менің Қазақстаным (Meniñ Kazakstanım)
(«Kazakstanako»)
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+7

I Kazakstàna na Repoblikan' i Kazakstàna, dia firenena ao amin' ny faritra avaratr' i Azia Afovoany. Taloha i Kazakstàna dia faritanin' ny Fanjakana Rosiana ary anisan' ny repoblika mpikambana tao amin' ny Firaisan' ny Repoblika Sôsialista Sôvietika taloha, ary nahaleotena tamin' ny taona 1991, manana morontsiraka ao amin’ ny Ranomasina Kaspiana sy ao amin’ ny Ranomasin' i Aral izy. Kazàka no anaran' ny mponina ao aminy. Atao hoe Qazaqstan sirilika. Қазақстан, /qɑzɑqˈstɑn/; anarana lava: Qazaqstan Respublïkası, sirilika. Қазақстан Республикасы amin' ny fiteny kazàka.

Ny renivohiny dia i Astana; ny fiteny kazàka no tenim-panjakana ary ny fiteny rosiana no teny ôfisialy.

Tany avo vaorakotra fatrana sy tendrombohitra ny tanin' i Kazakstàna. Any no ahitana ny tendrombohitra Oural sy Altai ary Tian Shan Andrefana. Mihoatra ny 2/3n' ny tanin’ i Kazakstàna no efitra na saika efitra. Ankoatr’ ireo ony lehibe, ny akamaroan’ ny renirano sy ony dia maina saika mandritra ny taona.

Ny mponin’ i Kazaksatàna, izay ahitana vahoaka sy foko maro, dia manana toetra mampiavaka azy manokana: ny Kazàka no vahoaka vitsy an’ isa ao amin’ ny taniny; ny Rosiana dia saika miovy isa amin’ ny Kazàka. Ahitana foko maro madinika koa ny any, ka isan’ izany ny Okrainiana, ny Alemàna, ny Tatara, ny Ozbeka, ary ny Oigora. Ny fivavahana silamo sy kristiana no be mpanaraka any Kazakstàna.

Anisan' ny firenena mandroso indrindra any Azia Afovoany i Kazakstàna. Taloha, ny toekaren’ i Kazakstàna dia niompana amin’ ny fambolena, fa nandritra ny naha tao amin’ ny Firaisana Sôvietika azy dia nandroso haingana ny taozava-baventy. Mandroso ihany koa ny fitrandrahana solitany sy etona voajanahary manodidina ny Ranomasina Kaspiana.

Repoblika sôsialista sôvietika taloha i Kazakstàna nefa nahazo ny fahaleovan-tenany tamin’ ny taona 1991. Mikambana ao amin’ ny Fianakaviamben’ ny Fanjakana Mahaleo Tena (Communauté des États indépendants -- CEI) izy.

Jeôgrafia

Kazakstàna 
Sarintanin'i Kazakstàna

Amin' ny velarantaniny, i Kazakstàna no firenena fahasivy lehibe indrindra eto an-Tany. Ny halavan' ny sisintany manasaraka azy amin' ny firenena manodidina azy dia 12 012 km. Manana morontsiraka amin' ny ranomasina roa mihidy ilay firenena: ny ranomasina Kaspianina ary ny Ranomasin' i Aral. izay voazara roa.

Toekarena

Tohanan' ny solitany lafo vidy, ny taha fitomboan' ny harin-karena faobe an' i Kazakstàna dia teo anelanelan' ny 8,9% sy 13,5% mandritry ny taona 2000 hatramin' ny taona 2007. Noho ny krizy ara-toekarena izay nisy ny fiantraikany eto amin' izao tontolo izao dia nidina ho 1-3 % fotsiny ny taha fitomboana tamin' ny taona 2008 sy 2009, ary nitombo indray nanomboka tamin' ny taona 2010 Ny entana hafa avoakan' i Kazakstàna dia ny varimbazaha, lamba ary biby velona.

Avo be ny tahan' ny fitomboan' ny vidim-piainana: mahery ny 6,2 % isan-taona ny fitomboany isan-taona ary nahatratra hatrany amin' ny 18,8 % izy tamin' ny taona 2008.

Tamin' ny taona 2002, i Kazakstàna no firenena voalohany indrindra izay avy amin' ny Repoblika Sôvietika taloha izay nandoa ny trosany tamin' ny Tahirim-Bola Iraisam-Pirenena.

Fiteny

Raha mila mahay miteny kazàka ny tena vao afaka manao depiote, ny fiteny rosiana no fiteny ampiasaina indrindra eny amin' ny tanàna, indrindraindrindra any avaratra izay ahitana ny ankamaroan' ny olona Slava.

Jereo koa

Firenena ao Azia:

Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indônezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - Jôrdania - Kambôdia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - Kôety - Kôrea Atsimo - Kôrea Avaratra - Laôsy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara - Môngôlia - Nepaly - Ômàna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina (fanjakana) - Rosia - Sina - Singaporo - Siria - Srilanka - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy.

Kôntinenta eto an-tany

Tsiahy

Tags:

Kazakstàna JeôgrafiaKazakstàna ToekarenaKazakstàna FitenyKazakstàna Jereo koaKazakstàna TsiahyKazakstàna

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

GugnécourtIrlandaFiteny albaneySrilankaAnglikanismaAbdellatif FellainiAndrianaFanomboana an' i JesoaFiarahamoninaMadagasikaraKabary famangianaIbn Hajar al-AsqalaniOrson WellesEglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)Moritz Anton CappellerKyivFiraisan' ny Repoblika Sôsialista SôvietikaFederico PescettoIngosetiaLisitry ny zavatra madinidinika 24001-250002001Rindrankajy malalakaImamoMouhammad al-BoukhârîRanavalona IBarrieFiteny jeôrjianaMineralyLisitry ny zavatra madinidinika 44001-45000Mofo tsy misy masirasiraSeranam-piaramanidin'i London HeathrowFisoronana sy fanalana vintanaFaritany eto MadagasikaraCarlos CorreaNizerià1941SomeraArphyAndriamanitra (tokana)1833Leonid BrezhnevKońskowolaFiadiana ny tompondaka eran-tany ho an’ny kitra 2010Ratsirahonana Norbert LalaMamoriarivoAntsiranana9 DesambraSouclinCalvin CoolidgeFritz HaberVladimir LeninEmpira ÔtômànaHantaKômonismaHerinandroTantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i KôngôFanjanahantanyVoltaireAndrianampoinimerinaSakalavaEskatôlôjia silamoTanakhVoanjoLouis-Claude VincentLalan-jazaVolana (fotoana)Sunan Abu DawudAhmed Salah HosnyWoodie Flowers17 MartsaEmperora MeijiJack LondonKim Dae-jungThe Beatles🡆 More