Katesizin' Ny Fiangonana Katôlika

Ny Katesizin' ny Fiangonana Katôlika dia asasoratra fampianarana momba ny foto-pampianarana katôlika izay mamintina ny finoana sy ny fampianarana ary ny môralin' ny Fiangonana katôlika.

Nankatoavina tamin' ny 11 Oktobra 1992 sy navoaka tamin' ny 7 Desambra 1992 io boky io. Ny fampandriana azy an-tsoratra dia tolo-kevitra avy amin' ny Fivoriambe tsy ara-potoana nataon' ny Sinaodin' ny Eveka tamin' ny taona 1985, roapolo taona taorian' ny fiafaran' ny Kônsily Vatikana II sady nankatoavin' ny papa Joany Paoly II tamin' ny 7 Desambra 1985.

Katesizin' Ny Fiangonana Katôlika
Sary famantarana ny Katesizin' ny Fiangonana Katôlika

Ity katesizy ity dia asasoratra natao hakana hevitra ho an' ny mpino katôlika rehetra momba ny tenim-pinoana (na dôgma), ny sakramenta, ny fiainana ara-môraly sy fiainana ara-panahy, izay manao tanjona ny hanamora ny fanoratana katesizy isan-toerana. Fanangonan-tsoratra lehibe ity katesizy ity, izay nosoratana amin' ny fomba mazava sy mora ianarana mba ho azon' ny besinimaro. Nisy ny fanontana fanindroany tamin' ny volana Aogositra 1997. Nisy koa ny endrika mifintin' io katesizy io izay navoaka tamin' ny taona 2005, ary tamin' ny Andro Maneran-Tany ho an' ny Tanora 2011 dia nisy ny endrika manokana izay natao ho an' ny tanora (dia ny YouCat).

Folo taona mahery taorian' ny nivoahan' ilay Katesizy no nahavitan' ny dika teny malagasy, izay niandraiketan' ny Vaomieran' ny Eveka misahana ny Fandalinam-pinoana sy ny Baiboly ary ny Litorjia eto Madagasikara, nandritra ny efa-taona, nanomboka tamin' ny volana Janoary 2005 ka nifarana tamin' ny volana Aogositra 2009.

Jereo koa

Rohy ivelany

Tags:

Foto-pampianaranaJoany Paoly IIKatôlisismaKonsily Vatikàna II

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

PirangaRanomasinaFitsanganan' i Jesoa ho velonaZhaodongMpiambina (anjely)KameronaSailen MannaFrantsaTohu wa-BohuTobilehibeSaint-Jean-sur-RichelieuAlakaosySerraniaTeknôlôjiaLewis Weston DillwynMerinaRanavalona IEsnesSikidy malagasyBaiboly Dikanteny Iombonana Eto MadagasikaraOscar García JunyentFiteny malagasyUniontown, AlabamaEpistemôlôjiaSakramentan' ny fivalozana sy ny fampihavananaSokajin-tenyHôlandyPapaBokin' i JeoBoky deoterokanonikaBaiboly katôlika amin' ny teny malagasyAndrianaAntandroyAntonio Maria MagroKalifaLiokaOlombelonaGabônaVahid HalilhodžićBroneyCarl von LinnéMichel Angelo MorelliEsôterismaFanjakan' i BoinaAnjanandrianaratra10 Desambra1284Arkôna (gnôstisisma)1910Saint-Sébastien, CreuseAntonio LangellaAzia AtsimoFaritra eto MadagasikaraKalandrie GregorianaJaulzyMax ValierFiarahamoninaAsabotsySiramamy1523Wiki FoundationRirininaMatthias CorvinusFilôzôfiaFanjakan' i Menabe1993Luiz Inácio Lula da SilvaFilazantsara miafin' i MarkaTrimôrfika PrôtenôiaLinksan' i EoraziaAl Capone🡆 More