Kaominina Any Frantsa

Ny kaominina any Frantsa dia fizaràn-tany ara-pitantanan-draharaha, ny fizaràm-paritra kely indrindra any Frantsa.

Ny lehiben' ny kaominina dia atao hoe ben' ny tanàna (frantsay: maire), satria tanàna iray matetika ny kaominina iray. Ny kaominina dia matetika tanàna na vohitra. Be elanelana ny haben' ny kaominina na amin'ny lafin' ny isam-ponina na amin' ny lafin' ny velarany: ny kaominina mivelatra indrindra izao ohatra dia i Maripasoula (Guyane françcaise) ary ny be mponina indrindra dia ny tanànan' i Paris (izay misy boriborintany miisa roapolo). Misy koa ny kaominina vitsy mponina. Any Frantsa dia ahitana kaominina enina izay lazaina hoe "maty ho an' i Frantsa", tsy ipetrahana mponina intsony, ary manana ben' ny tanàna tendren' ny prefen' ny departemanta. Misy koa ny atao hoe communes déléguées.

Kaominina Any Frantsa
Sarintanin' i Frantsa maneho ny kaominina ao aminy.

Tamin' ny 1 Martsa 2008 dia nisy kaominina 36 783 any Frantsa (212 any ampitan-dranomasina) maka ny totaly eo amin' ny firenena frantsay - afa-tsy i Saint-Barthélemy, i Saint-Martin, i Wallis-et-Futuna sy ny zanatany tsy misy olona (Antarktika frantsay, nosy Clipperton).

Tamin' ny 1 Janoary 2009, nisy kaominina 36 686 any Frantsa . Io isa io (36 783) dia antsasaky ny tontalin' ny kaominina anatin' i Vondrona Eorôpeana.

Rafitra sy anjara asa

Na dia misy fahasamihafana be aza ny isan' ny mponin' ny kaominina frantsay, mitovy daholo ny rafi-pitantanan-draharahany sy ny fahefana omen' ny lalàna azy (afa-tsy i Paris sy i Lyon ary i Marseille, amban' ny lalàna PLM). Ny kaominin' i Alsace-Moselle dia manana ny mahasamihafa azy araka ny lalàna azony tamin' izy lasa alemana tamin' ny taona 1871-1919. Ny kaominina sy ny departementan' i Île-de-France dia manana fitsipika manokana momba ny pôlisy administrativa.

Ny rafi-pitantanana ao amin' ny ny kaominina dia ny filankevitra monisipaly (conseil municipal) sy ny ben' ny tanàna (miampy ny ben' ny tanàna lefitra iray na maro). Ny mpikambana ao amin' ny filankevitra dia lany amin' ny alalan' ny fifidianana mivantana andraisan' ny mponina rehetra anjara sady miasa mandritra ny enin-taona. Ny filankevitra monisipaly no mifidy ny ben' ny tanàna, ny anjara asany dia mampihatra ny fanapahan-kevitry ny filankevitra.

Jereo koa

Rohy ivelany

Loharano sy fanamarihana

Tags:

Kaominina Any Frantsa Rafitra sy anjara asaKaominina Any Frantsa Jereo koaKaominina Any Frantsa Loharano sy fanamarihanaKaominina Any FrantsaBen' ny tanànaFiteny frantsayFrantsaParisTanàna

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

AdaoroPellevoisinSimiaFanambadianaSoisaZanahary (finoan-drazana malagasy)AljeriaAlakaosyWayback MachineEpifaniaFiteny espaniôla22 AprilyFanahy MasinaIndiaWikipedia amin'ny teny malagasyMadagasikara zanatany frantsayLozan' ny fananana iombonanaSan FranciscoEvekaBatisaJapànaAurangzebFloridaAzia andrefanaVoronaTanzania17 MartsaHavatsa-UPEMRBootjack, KaliforniaAl-BiruniFamoranaAbelaIranianina (vahoaka)AmbohimangaAndriamasinavalonaIsa1035800PoaceaeFiteny grikaBetelaLoza folo tao EgiptaMpanao gazetyApôstôly roa ambin' ny foloAveloDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)Fahefana Avon' ny TetezamitaAlahamadyLouis PasteurFiteny malagasyAntevatoFilazantsara araka an' i LiokaPer Brinch HansenFanekem-pinoana nikeanaFahefana mpanao lalàna1737AzerbaijànaFiteny frantsayFanjakana MitambatraAndrianampoinimerinaFarao ao amin' ny Baiboly5 AprilyFanahy Masina (kristianisma)Fanandevozana1190HazoImmanuel KantItaliaJerosalema Andrefana2003OtrikaretinaAmbitsyFahefana mpanatanterakaLouis-Claude Vincent🡆 More