Ny kilahivavy dia marika amin' ny teny izay matetika, fa tsy voatery, milaza ny mahalahy na mahavavy ny zavatra tondroina amin' io teny io ka lazaina fa amin' ny endrika kandahy na kambavy ilay teny.
Tsy voatery ho lahy tokoa na vavy tokoa ny zavatra tondroina amin' ny teny amin' ny endrika kandahy na kambavy. Tsy ny hoe kandahy na kambavy ihany no kilahivavy satria misy ny fiteny ahitana koa ny endrika tsy kandahy tsy kambavy.
Tsy fahita amin' ny fiteny malagasy ny kilahivavy na dia misy teny sasany izay natokana hifampiantsoan' ny samy lehilahy (toy ny hoe ialahy) na ny samy vehivavy (toy ny hoe indriako). Amin' ny fiteny frantsay dia anisan' ny sokajin-teny ahitana mariky ny kilahivavy ny anarana (ohatra: maître vs maîtresse), ny mpamari-toetra (ohatra: beau vs belle), ny mpisolo tena (ohatra: ils vs elles), ny mpisolo tompon-javatra (ohatra: mien vs mienne), ny mpanoritra (ohatra: le vs la). Amin' ny fiteny sasany toy ny fiteny latina dia misy ny endrika tsy kandahy tsy kambavy (ohatra: optimum izay mifanohitra amin' ny optimus sy optima izay kandahy sy kambavy).
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Kilahivavy, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.