Tetiandro miozolmana

Ny tetiandro miozolmana na tetiandro silamo dia tetiandro ampiasain'ny fivavahana silamo ka ny iray volana ao aminy, izay mitovy amin'ny fitsingerenan'ny Volana amin'ny Tany, dia misy 29 na 30 andro ary ny iray taona misy 354 na 355 andro.

Ny tetiandro miozolmana na tetiandro silamo dia tetiandro ampiasain'ny fivavahana silamo ka ny iray volana ao aminy, izay mitovy amin'ny fitsingerenan'ny Volana amin'ny Tany, dia misy 29 na 30 andro ary ny iray taona misy 354 na 355 andro. Tetiandro manara-bolana tanteraka ny tetiandro miozolmana. Ny fanombohan'ny volana tsirairay dia mifanandrify amin'ny fotoan'ny tsinam-bolana hitan'ny maso. Ampiasaina indrindra amin'ny fankalazana fety amin'ny fivavahana silamo ny tetiandro miozolmana. Tsy misy ny fampifanandrifiana ny taona silamo amin'ny tsingerim-pihodinan'ny Tany amin'ny Masoandro na amin'ny fizaran-taona; noho izany dia tsy misy koa ny volana fanampiny (volana faha-13), tsy tahaka ny ao amin'ny tetiandro manara-bolana sy masoandro toy ny tetiandro hebreo.

Yennayer.jpg

Ny taona 1 amin'ny tetiandro miozolmana dia mifanandrify amin'ny taona 622 taor. J.K. amin'ny tetiandro gregôriana ary ny andro voalohany dia mifanandrify amin'ny 15 na 16 Jolay tamin'io taona 622 io. Andro voalohany amin'ny volana Muharram izany. Io no andro voalohany tamin'ny fifindrà-monin'ny mpaminany Mohamady sy ireo mpanaraka azy avy ao Maka hankany Iatriba (tanàna fantatra amin'ny anarana hoe Madîna amin'izao fotoana izao). Izany fifindrà-monina izany no atao hoe Hiǧrah (هجرة) amin'ny teny arabo. Folo taona taorian'io andro io no nampiasana ny tetiandro miozolmana. Atao hoe التقويم الهجري‎ / at-taqwīm al-hijrī io tetiandro io amin'ny teny arabo.

Ny andro sy ny volana

Ny volana

Ny fijerena ny fahatsinanan'ny Volana no ahafantarana ny fiantombohan'ny volana ao amin'ny tetiandro mozolmana fa tsy ny kajy ara-kaikintana. Ny tsinam-bolana, ohatra, mety ho hita any Rabat nefa tsy hita any Riyad amin'ny fotoana mitovy. Miteraka tsy fitovian'ny andro anombohan'ny volana izany arakaraka ny faritra na ny firenena. Noho izany dia mety hisy fahasamihafana iray na roa andro ny fiantombohan'ny volana ao amin'ireo tany silamo.

Ireto avy ny anaram-bolana ao amin'ny tetiandro miozolmana:

Ny fanombohan'ny volana tsirairay dia mifanandrify amin'ny fotoan'ny tsinam-bolana hitan'ny maso.

Ny andro

Ireto ny anaran'ny andro ao amin'ny tetiandro miozolmana (anaran'andro arabo):

AndroAlahadyAlatsinainyTalataAlarobiaAlakamisyZomaAsabotsy
Anarany(Yawm) al-Aḥad(Yawm) al-Ithnayn(Yawm) ath-Thulāthā’(Yawm) al-Arba‘ā’(Yawm) al-Khamīs(Yawm) al-Jum‘ah(Yawm) as-Sabt
Araboالأحدالإثنينالثلاثاءالأربعاءالخميسالجمعةالسبت
DikanyAndro voalohanyAndro faha-2Andro faha-3Andro fah-4Andro faha-5Andro fivorianaAndro fitsaharana

Fifandraisan'ny taona silamo sy ny taona gregoriana:

Fohy kokoa noho ny taona gregoriana na joliana ny taona miozolmana ka 11 andro ny elanelan'izy ireo. Ny taona 1 amin' ny tetiandro miozolmana dia mifanandrify amin' ny taona 622 taor. J.K. ary ny andro voalohany dia mifanandrify amin'ny 15 na 16 Jolay tamin'io taona 622 io. Inty ny raikipohy azo ampifandraisana ny taona miozolmana (m) sy ny taona gregoriana (g):

  • m(g) = (g − 621,5709) × 1,0306888.
  • g(m) = (m + 640,64616504) : 1,0306888.

Ny isa 1,0306888 dia tahan'ny halavan'ny taona manara-masoandro amin'ny halavan'ny taona manara-bolana.

Jereo koa:

This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Kalandrie arabo, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply. (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 3.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
#Wikipedia® is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.