Kônstantino I

I Kônstantino I na Kônstantino Lehibe dia emperora rômana tao amin' ny Empira Romana tamin' ny taona 306 hatramin' ny taona 337, teraka ny 27 Febroary 274 tao Naisosy ao Mesia ary maty ny 23 Mey 337.

Kônstantino I
0 Gaius Flavius Valerius Constantinus - Palatino.JPG
Ankapobeny
AnaranaKônstantino I
Teraka27 Febroary 274
Maty23 Mey 337
Fiaviana sy ny andraikitra
FirenenaRôma Taloha, Empira Rômana
Asa :
  • mpanao pôlitika
Fiainana manokana

I Kônstantino I na Kônstantino Lehibe dia emperora rômana tao amin' ny Empira Romana tamin' ny taona 306 hatramin' ny taona 337, teraka ny 27 Febroary 274 tao Naisosy ao Mesia (i Niš ao Serbia ankehitriny) ary maty ny 23 Mey 337. Izy no emperora voalohany niova ho kristiana. Izy koa no nanorina an' i Kônstantinôpôlisy (i Istanbul ankehitriny), izay nataony renivohitry ny fanjakany ka nitoetra ho renivohitry ny Empira Bizantina hatramin' ny taona 1453.

Amin' ny teny latina dia atao hoe Flavius Valerius Aurelius Constantinus izy.

Ny fiainany manokana

I Kônstantio Klôro no rainy. I Helena no reniny. Ny vadiny dia Minervina (taona 293 - 307) avy eo i Faosta (taona 307 - 327). Ny zanany tamin' i Minervina dia i Krispo, ny tamin' i Faosta dia i Kônstantina, i Helena, i Kônstantino II, i Kônstanta ary i Kônstantio II. Ny rahalahiny sy ny rahavaviny dia i Flavio Dalmatio, i Flavio Jolio Kônstantio, i Flavia Jolia Kônstantia, i Eotrôpia ary i Anastasia.

Natao hoe Flavius Valerius Aurelius Constantinus izy raha mbola kely.

Tantarany

Fanavaozana

Ny emperora Kônstantino I dia nanao fanavaozana teo amin' ny pôlitika ara-tafika sy ara-pivavahana ary ara-toekarena, izany no nahafahany namondrona ho eo ambany fahefany irery ilay Empira Rômana efa malemy sady nizarazara. Noreseny i Maksentio (latina: Marcus Aurelius Valerius Maxentius) tamin' ny taona 312 tamin' ny ady tao Milvio, sy i Likinio (latina: Flavius Galerius Valerius Licinianus Licinius) tamin' ny taona 324 tamin' ny ady tao Andrinôpôlisy.

Fanalalahana ny fivavahana

Nanomboka ny fahalalahan' ny fivavahan' ny tsirairay tamin' ny androny, ka tapitra hatreo ny fanenjehana ny Kristiana tamin' ny alalan' ny Didin' i Milano tamin' ny taona 313. Natsahany ny tsy fifanarahana teo amin' ny Fiangonan' ny Atsinanana tamin' ny nampanaovany ny Konsily tao Nikea tamin' ny taona 325, ka izany no niantombohan' ny fahefany tamin' ny raharaham-pivavahana, izany no atao hoe kaisarôpapisma na sezarôpapisma. Ireo fanavaozana sy fanitsiana nataony ireo dia nanampy ny firoborobon' ny fivavahana kristiana, izay lasa fivavahany taty aoriana, ka iheverana azy ho isan' ny olo-masina ao amin' ny Fiangonana ôrtôdôksa.

Fampandrosoana ara-toekarena

Afaka namboatra vola marin-toerana i Kônstantino tamin' ny taona 312, dia ny solidus. Nandroso ny fitantanana ny raharaham-panjakana foibe. Voarony tamin' ny Franka sy ny Alamàna sy ny Sarmatiana sy ny Gôty ary ny Sasanida ny sisin-tanin'ny fanjakany.

Jereo koa

Rohy ivelany

  • Ao amin' i Freebase:[1]
 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Kônstantino I, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply. (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 3.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
#Wikipedia® is a registered trademark of the Wikimedia Foundation, Inc. Wiki (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wikimedia Foundation.

In other languages:

/** SHOW / HIDE SECTION**/function mfTempOpenSection(getID) {var x = document.getElementById("mf-section-"+getID); if (x.style.display === "none") { x.style.display = ""; } else { x.style.display = "none"; }}