Ny indostria dia famokarana akora fanodina na entana na serivisy na angovo ao anatin' ny toekarena.
Ny indostrian' ny taozavatra dia nanjary sehatra lehibe amin' ny famokarana sy ny asa any amin' ny firenena eorôpeana sy any Amerika Avaratra nandritra ny Revôlisiôna Indostrialy, nanelingelina ny toekarena miantehitra amin' ny varotra fanondranana entana sy amin' ny fifandraisan' ny mpanan-tany famokarana sy ny mpindrana tany (rafitra tompomeneky) teo aloha izany. Nitranga izany tamin' ny alalan' ny fandrosoana haingana be nifandimby teo amin' ny teknôlôjia, toy ny famokarana vy sy arintany. Taorian' ny Revôlisiôna Indostrialy, angamba ny ampahatelon' ny vokatra ara-toekarena eran-tany dia avy amin' ny indostrian' ny taozavatra. Firenena mandroso maro sy firenena an-dalam-pandrosoana maro (Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina, India sns) no miankina betsaka amin' ny indostrian' ny taozavatra. Ny indostria sy ny firenena misy azy ary ny toekaren' ireo firenena ireo dia mifamatotra amin' ny alalan' ny fifampiankinan-doha.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Indostria, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.