Indônezia

}}

Republik Indonesia ((id))
Repoblikan' Indonezia ((mg))
Saina an'i Indonezia Faneva an'i Indonezia
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny filamatra : Bhinneka Tunggal Ika
(vieux-javanais : « Unité dans la diversité »)
Indônezia
Teny ofisialy Bahasa Indonesia
Renivohitra Jakarta
6°10′5″S 106°49′7″E / 6.16806°S 106.81861°E / -6.16806; 106.81861
Tanàna ngeza indrindra Jakarta
Fitondrana sy governemanta
 - Filoha
Repoblika
Joko Widodo
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 15
1 904 570 km²
4,85 %
Isam-ponina
 - Tontaliny (2019)
 - hakitroka
faha 4
268 512 352 mpo.
132 mpo./km²

Anaran'ny mponina Indonezianina, Indônezianina
IDH (2019) Endrika:Mihidina 0,707 (atonontonony) faha 111
Sandam-bola rupiah (IDR)
Faritr'ora UTC +7 à +9
Hiram-pirenena Indonesia Raya
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+62

I Indônezia, na Repoblikan' i Indônezia (amin' ny fiteny indônezianina Republik Indonesia), dia firenena eo anelanelan' i Azia Atsimo Asinanana sy i Ôseania. Ny firenena indônezianina dia tamba-nosy misy nosy miisa 17 500, ka izy no tamba-nosy lehibe sy mivelatra indrindra eto an-tany. Ny isan' ny mponina ao aminy dia 240 tapitrisa mahery, firenena fahefatra be mponina indrindra i Indônezia ary firenena mozilmana voalohany indrindra raha ny isan' ny mpino no heverina. I Indônezia dia Repoblika Demôkratika tsy manana fivavaham-panjakana. I Jakarta no renivohi-pirenena ary anisan' ny tanàna lehibe indrindra eto an-tany.

Indônezia
Sarintanin' i Indônezia

Tamin' ny taonjato voalohany taor. J.K., ny tamba-nosy indônezianina dia faritany anjadian' ny kolontsaina hindoista avy any India ary ny kolontsaina avy any avarany. Ny lehiben' ny tanàna-fanjakana eo amin' ny morontsiraka indônezianina dia nisafidy ny endrika ara-kolontsaina sy ara-pinoana ary ara-pôlitika indianina (hindoa). Ary hatry ny taonjato faha-8, nikisaka tany amin' ny fanjakan' i Srivijaya, fanjakana iray lehibe tao atsimon' ny nosy Somatra, ny afovoan' ny fifandraisan' i Azia Atsimo sy Azia Atsinanana. Tao Java indray dia nivoatra ny kolontsain' ny mponina mpamboly vary (noho ny fisian' ny fanjakana sy ny fianjadian' ny haifomba Srivijaya tsy lavitry ny eo) namela ny fanjakana hanamboatra tsangambatom-pinoana. Teo no fanombohan' ny taona klasika indônezianina.

Ny lakandranon' i Melaka dia lasa toerana be mpandeha sambo satria mankeo ny ankabeazan' ny landy hamidy any Azia Andrefana sy any Eorôpa. Ny tamba-nosy Indônezianina dia mampiharo amin' ny fanaparitahana iraisam-pirenena anjakazakan' ny mpivarotra mozilmana. Mivadika silamo hatrany ny printsin' ny seranana.

Tamin' ny taonjato faha-16, tamin' ny taonan' ny Fahitam-baovao tany Eorôpa Andrefana noho ny fahitana kôntinenta vaovao, hitady lalana hankany Azia Atsimo sy Azia Atsinanana ny hery am-pihariankarena eorôpeana, mitady ny lalana hahafahany mividy episy ny Eorôpeana. Tamin' ny 1511, resin' ny sambo pôrtogey ny Malay tao Melaka ary nanomboka nofeheziny ny lalana mankany Azia Atsinanana ka toraka izany koa ny fivarotana landy sy episy. Ny Hôlandey no nandresy ny Pôrtogey tao Melaka tamin' ny taona 1605 ary nanomboka nozanahin' ny Hôlandey i Indônezia nanomboka tamin' io taona io. Taona amam-polony aty aoriana, nanomboka nanjanaka nipetraka tany amin' ny nosin' i Java ny Hôlandey ary nataony renivohitra ny tanànan' i Jayakarta, novainy anarana ho Batavia (Jakarta ankehitriny). Potiky ny adim-pifandimbiasan' ny Fanjakan' i Mataram ny nosy Java ka nanome tsikelikely ny taniny tamin' ny mpanjana-tany hôlandey. Tamin' ny taonjato faha-19, manomboka ny fitsentsefana ara-toekarena nataon' ny mpanjanatany hôlandey, ary mametraka ny lalàny eo amin' ny tamba-nosy izy ireo. Ka nipoitra tamin' ny taonjato faha-20 ny hetsiky ny olona tia tanindrazana. Tamin' ny taona 1945, i Sukarno ary i Mohammad Hatta dia niady ary nanambara ny fahaleovan-tenan' i Indônezia. I Sukarno no nitondra ny firenena tamin' ny taona 1945 ka pôlitika sôsialista no nataony ka nihanahantra dia nahantra ny Indônezianina tamin' ny taompolo 1950. Tao aorian' ny zava-nitranga tamin' ny 1965-1966, naka ny fahefana i Suharto. Nandritry ny fanjakany, nisy ny fivoarana ara-toekarena, fa nampitodika an' i Indônezia tany amin' ny demôkrasia ny fialan' i Suharto tamin' ny 1998.

Tantara

Teraka tamin' ny 17 Aogositra 1945 ny Repoblikan' i Indônezia tamin' ny fanambaràna ny fahaleovantenan' ny India Hôlandey; i Sukarno sy Hatta no nanao io fanambaràna io.

Taona mialoha ny tantara

Ny faritra misy ny tamba-nosy indôneziana ankehitriny dia efa nipetrahan' ny olona ataon' ny Eorôpeana hoe Abôrijina (karazana vazimba), roa alina taona lasa izay. Ny olona abôrijina dia nipetraka tao Indônezia nandritra ny roa alina taona, tamin' izany fotoana izany, noho ny ranomandry miangona any amin' ny tendrontany avaratra sy atsimo, ny lentan' ny ranomasina tamin' izany fotoana izany dia mbola ambany raha mitaha amin' ny lentan' ny ranomasina ankehitriny, ka rehefa nanomboka niakatra ny lentan' ny ranomasina dia lasa tany amin' ny kôntinenta aostralianina ny Abôrijina. Any Papoazia ary any Melanezia no ahitana Abôrijina ankehitriny.

Ny Aostrônezianina dia tonga tao Indônezia tamin' ny taonarivo faharoa tal. J.K. hatramin' ny taona 1500 tal. J.K. Tao ny Abôrijina sy ny Aostrônezianina no nifangaro.

Jeôgrafia

Indônezia 
Ny faritany indônezianina
Indônezia 
Ny saritanin' i Indonezia, avy amin'ny Central Intelligence Agency.

Ny firenen' i Indônezia dia tamba-nosy any Azia Atsimo Atsinanana, eo amin' ny tamba-nosy anelanelan' ny Ranomasimbe Indianina sy ny Ranomasimbe Pasifika (Ranomasin' i Sina Atsimo). Voazara tamba-nosy maro ny tamba-nosy Indônezaianina:

  • Ny Nosin' i Sonde any andrefana - voazara anelanelan' ny Nosy ben' i Sonde any andrefana (Somatra, Java, Bôrneô, Solaoesy) ary ny nosy kelin' i Sonde, nosy kely any atsimon' i Indônezia avy any Bali hatrany Timôro
  • Ny Môlioky any atsinanana, ny nosiny dia i Halmahera any avaratra, i Seram eo fovoany, ary ny Nosy Aru sy ny nosy Tanimbar any atsimo.
  • Ny Papoazia any amin' ny farany atsinanana.

I Indônezia, ankoatran' i Papoazia, dia lazaina hoe an' ny tamba-nosy mbola ngeza, dia ny Insolindia.

Ny nosy ngeza indrindran' i Indônezia dia i Somatra, i Bôrneô (zarainy amin' i Malaizia sy Broney), i Papoazia Andrefana, ny tamba-nosin' i Solaoesy ary ny Java, nosy be mponina indrindra ao Indônezia (miisa 100 tapitrisa ny isan' ny mponiny).

Ny Nosy Bali ihany no toerana tena itsangatsanganan' ny vahiny sy ny mpitsangatsangana any Indônezia.

Amin' ny nosy hafa azo soratana, azo lazaina ny Nosy Timôro sy ny Nosy Flores (nisy karazan' olona vaovao hita tany tamin' ny 2003; ny Homo floriensis).

Jereo koa

Firenena ao Azia:

Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indônezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - Jôrdania - Kambôdia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - Kôety - Kôrea Atsimo - Kôrea Avaratra - Laôsy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara - Môngôlia - Nepaly - Ômàna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina (fanjakana) - Rosia - Sina - Singaporo - Siria - Srilanka - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy.

Kôntinenta eto an-tany

Album

Rohy ivelany

    Governemanta

Defia Rosmaniar

Tsiahy

Tags:

Indônezia TantaraIndônezia JeôgrafiaIndônezia Jereo koaIndônezia AlbumIndônezia

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Raki-pahalalanaDerek JeterFiteny zolo1929AntesakaFiteny pôlôneyVintana (finoan-drazana malagasy)Julian SchieberFandroahana fanahy ratsyTeôlôjia silamoOndrilahy (antokon-kintana)David CameronTeôlôjian' ny hazo fijalianaNefilimaFitsanganan' i Jesoa ho velonaMartsaAzôtaAchunMozillaJürgen RischeAlaskaRepoblika Demôkratika AlemànaBagdad923ISO 3166-1EkôsyFoko eto MadagasikaraFiteny irlandeyFiangonana Jesosy MamonjySingaporoCuambaTena Fiangonan' i JesoaDivayAnkadinondry SakayFahoriana lehibe1939MamoriarivoWilliam ShakespeareEtazoniaHerinandroKyivFitohananaTim HetheringtonVoltaire31 MartsaAbidy ara-drafipeo iraisam-pirenenaFederico PescettoTeteAndrianjakanavalomandimbyRobert MugabeTongstenaFiteny rosiana2022Lisitry ny zavatra madinidinika 136001-137000Tantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i KôngôSoisa1997ArphySeranam-piaramanidin'i London HeathrowPôntio PilatoSukabumiFifohazana (kristianisma malagasy)MaltaTetiandro gregôrianaDinan' i Varsovia1927Tantara ny Andriana eto MadagasikaraAntandroyShanghaiLivronJuan Gutiérrez Moreno🡆 More