I Inôkentio III dia papa faha-176 izay niasa nanomboka amin' ny taona 1198 hatramin' ny 1216.
Inôkentio III | |||
Ankapobeny | |||
Anarana | Inôkentio III | ||
Teraka | 1 Janoary 1160 | ||
Maty | 23 Jiona 1216 | ||
Fiaviana sy ny andraikitra | |||
Firenena | Italia | ||
Asa : | Tsy fantatra | ||
Fiainana manokana | |||
Teraka tao Gavignano any Italia tamin' ny 1160 izy ary maty tamin' ny 1216 tao Perugia any Italia ihany (frantsay: Pérouse). Isan' ireo papa heverina fa natanjaka indrindra tamin' ny Andro Antenatenany izy. I Lotario dei conti di Segni no anarany talohan'ny naha papa azy. Nianara teôlôjia tao Paris any Frantsa izy ary nianatra lalàna kanôna tany Bologna any Italia (frantsay: Bologne). Tsy nohosorana ho pretra izy nefa voafidin' ny kardinaly rehetra ho papa tamin' ny faha-37 taonany, tamin' ny andro nahafatesan' ny papa teo alohany (ny papa Kelestino III). Tsy nandiso fanantenana ny mpifidy azy ny zava-bitany nandritra ny naha papa azy. Atao hoe Innocent III izy amin' ny teny frantsay sy amin' ny teny anglisy, Innocenzo III amin' ny teny italiana ary Innocentius III amin' ny teny latina. Ny papa Inôkentio III no nanentana ny hisian' ny kroazada fahefatra izay raikitra nanomboka tamin' ny taona 1198.
Ny rahalahiny sy/na ny rahavaviny dia Bernardo Maria Conti.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Inôkentio III, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.