Iazidisma

Ny iazidisma na iezidisma, izay atao hoe fivavahan' ny anjely fito, dia fivavahana amin' andriamanitra tokana an' ny fianakaviambe ara-pivavahana iezidy, izay lazain' ireo mpino ao aminy ho nipoitra avy ao Iràna taloha.

Heverina ho isan' ny fivavahana abrahamika ny iazidisma.

Iazidisma
Mpino iazidy tamin' ny taonjato faha-19.

Ny Iazidy na Iezidy

Ny mpino iazidy dia fianakaviambe vitsy anisa isan' ny vahoaka korda. Manaraka fivavahana mônôteista nipoitra avy amin' ny finoanana tany aloha ela izy ireo. Ny Iazidy (korda: ئێزیدی / Êzîdî) dia vahoaka vitsy anisa izay tsy manambady afa-tsy izy samy izy, avy any Mesôpôtamia ambony. Tamin' ny taona 2014 dia niharan' ny famongoran-taranaka nataon' ny Fanjakana Islamikan' i Iràka sy Ampiposahana, izay isan' ny fomba amongorana ny kolontsaina tsy miozolmana.

Ny tetiandro iezidy dia nanomboka 4 750 taona alohan' ny tetiandro kristiana, 990 taona talohan' ny tetiandro jiosy ary 5 329 taona alohan' ny tetiandro miozolmana.

Ny finoana iazidy

Maro ny fifanahafana hita eo amin' ny iazidisma ankehitriny sy ireo fivavahana iraniana taloha. Araka izany dia heverin' ireo mpanaraka azy ho sisan' ny mitraisma iraniana marina izay nampifanarahina amin' ny tontolo feno fankahalana, ka noho izany nampiditra singa avy ivelany, indrindra ny fampianaran' i Cheikh Adi, manam-pahaizana sofy izay niorim-ponenana tao amin' ny lohasahan' i Lalish tamin' ny taonjato faha-12. Ny fikarohana hafa (eorôpeana na miozolmana) dia mihevitra ny iazidisma ho fihetsihetsehana tsy nanaraka ny fampianarana ôfisialin' ny silamo sonita izay niseho tamin' ny taonjao faha-12, nikambana tamin' ny fanao efa nisy talohan' ny nidiran' ny fivavahana silamo tao Iràna, dia fanao voatahiry tao amin' ny faritr' i Kordistàna indrindra taorian' i Cheikh Adi.

Iazidisma 
Melek Taûs, ilay anjely vorombola. Ity mari-pamantarana ity dia ahitana an' i Tawûsê Melek eo afovoany, ny Dingir someriana eo ankavia, ary ireo tafo boribory eo ambonin' ny fasan' i Sheikh 'Adī eo ankavanana.

Ny fiteny korda kormanjy no fiteny masin' ny Iazidy. Io fiteny io ihany no nanoratana ny boky roa ka io ihany koa no anaovana ny vavaka sy anatanterahana ny lanonana. Manana boky masina roa azy manokana ny mpino iazidy, dia ny Kitêba Cilwe ("Bokin' ny fanambaràna") sy ny Mishefa Reş ("Boky mainty"). Ny Kitêba Cilwe dia mitantara an' i Malek Tawûs ("anjely-vorombola", fisehoan' Andriamanitra) sy ny fifandraisany manokana amin' ny mpino iazidy, fa ny Mishefa Reş kosa dia mitantara ny famoronana an' izao rehetra izao, ny anjely fito, ny mpino iazidy ary ireo lalàna tokony harahin' ny mpino iazidy. Ny fanadihadiana nataon' ny manam-pahaizana anefa dia miahiahy ny amin' ny fahamarinan' ireo lahatsoratra ireo izay sandoka naelin' ny mpitahiry boky tranainy atao hoe Jeremiah Shamir tao Mossoul.

Talohan' ny namoronan' Andriamanitra izao tontolo izao dia namorona ny anjely fito Andriamanitra ary nanendry an' i Malek Tawûs ho lohan' izy ireo. Rehefa voaforona izao tontolo izao dia i Malek Tawûs no notendren' Andriamanitra hiandraikitra azy.

Jereo koa

Tags:

Fivavahana abrahamikaFivavahana amin'andriamanitra tokanaIràna Lehibe

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

TelleceyEpistilin' i PaolyAlan BallRajasthanFiombonan' ny Fiangonana Protestanta eto MadagasikaraAmbatolaonaOigoro (vahoaka)Martin HřídelDemôkrasiaFaritanin' i FianarantsoaRofiaFinoanaEuroMediaWikiFivarotana andevoSaint-Julien, Côte-d'OrMontangesTantaran' i MadagasikaraBodo (mpihira)Walter GarganoAppleCulètreAmpembambazahaFaritanin' i ToliaraSingaporoFamadihana1790Christian HuygensHazokesikaWikibolanaRanavalona IIIFiteny serbaAziaAndrianaLloyd Kaufman799MartsaBetsimisarakaVoankazoSardiniaCusyBatisaÉcordalAgnyEpistily ho an' ny KôlôsianaRavalomanana MarcAurangzebFiainan-tsi-hitaBanto (vahoaka)HindoismaHoratio NelsonGissey-sur-OucheFory1975Ny Avana RamanantoaninaMalaoỳ1976CasinoEdenaLongueville, Pas-de-CalaisAdaoroRadama VoalohanyPas-de-CalaisGrigori RaspoutineRalaimongo Jean(102279) 1999 TS57Fanekem-pinoanaAnjely (araka ny kristianisma)MediawikiAnjelyMatoanteny🡆 More