Ny Haza na Haja, araka ny fanaovana sikidy malagasy, dia ny tsanganan-tsikidy fahiraika ambin'ny folo, isan'ireo tsanganan-tsikidy valo atao hoe tera-tsikidy, izay apetraka any amin'ny fàfana faharoa eo ambanin'ireo atao hoe renin-tsikidy, vokatry ny fampifanampiana ny soratry ny Fianahana sy ny Abily.
Misy vaniny efatra toy ny tsanganan-tsikidy malagasy rehetra ny Haja na Haza, misy "lohany" sy "tratrany" sy "valahany " na "vaniany" ary "tongony".
Ny Haja dia mety hiseho ao amin'ny iray amin'ireo sora-tsikidy enina ambin'ny folo toy ny Tareky (1 1 1 1), ny JamanaAsombola (2 2 2 2), ny Asorasady (2 2 1 1), ny Alahasady (1 1 2 2), ny Alitsimay (2 1 1 2), sns.
Mba hahazoany ny soratry ny Haja ny mpisikidy dia manambatra ny isam-boan-tsikidy ao amin'ny soratry ny Fianahana sy ny Abily, ka ny fitambaran'ny lohan'ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no lohany, ny fitambaran'ny tratran'ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no tratrany, ny fitambaran'ny vanian'ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no vaniany, ary ny fitambaran'ny tongotr'ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no tongony.
Ny fampifanampiana ny isan'ny voan-tsikidy mifanandrify ao amin'ny soratry ny Fahasivy sy ny an'ny Haja no manome ny tsanganana Ombiasa (faha-12).
Manondro ny hanina na sakafo ny Haja.
Tale, Maly, Fahatelo, Bilady, Fianahana, Abily, Alisay, Fahavalo, Fahasivy, Ombiasa, Haja, Zanahary (na Haky), Asorotà,Tovolahy (na Saily), Lalana, Trano (na Kiba).
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Haja (sikidy), which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.