Hassan Rohani

I Hassan Rohani na Hassan Rouhani na Hassan Rowhani na Hassan Ruhani dia manam-pahaizana sy diplômaty ary olom-panjakana iraniana, mpitondra fivavahana mozilmana.

Izy no filohan' ny Repoblika Islamikan' i Iràna nanomboka tamin' ny taona 2013 ka hatramin' ny 2021. Atao amin' ny teny persana hoe حسن روحانی / Ḥasan(-e) Rowḥâni izy. Teraka tamin' ny 12 Nôvambra 1948 tao Sorkheh izy, izay nomena ny anarana hoe Hassan Fereydoun.

Hassan Rohani
Hassan Rouhani tamin' ny taona 2020

Kandidà tamin' ny fifidianana filoham-pirenena iraniana tamin' ny taona 2013 i Hassan Rouhani, izay hany kandidà mpandanjalanja tamin' ny fampielezan-kevitra. Nambarany fa raha lany amin' ny fifidianana izy, dia hanomana "sata mifehy ny zon' ny olom-pirenena", hamerina amin' ny laoniny ny toekarena ary hanatsara ny fifandraisany amin' ny firenena tandrefana. Naneho ny fanohanana ôfisialy ny fitandroana ny zon' ny vitsy an' isa ara-poko sy ara-pivavahana koa izy. Voafidy ho filohan' ny Repoblika Islamikan' i Iràna izy tamin' ny fihodinana voalohany, ary nahazo ny 50,7 % amin' ny vato.

Matetika i Rouhani no lazaina ho manana firehana pôlitika afovoany sy mpandala fanavaozana. Amin' ny pôlitika anatiny dia mandrisika ny fahalalahan' ny tena manokana, ny fahafahana mahazo malalaka fahalalàm-baovao, ary nanatsara ny zon' ny vehivavy tamin' ny fanendrena vehivavy mpitondra tenin' ny Ministeran' ny Raharaham-Bahiny izy. Nohatsarainy ihany koa ny fifandraisana ara-diplômasian' i Irana amin' ny firenen-kafa.

Nandresy tamin' ny fifidianana indray i Rouhani tamin' ny fifidianana natao tamin' ny taona 2017 tamin' ny vato 57,1 %.

Na dia notohanan' i Ali Khamenei, Mpitarika Faratampony Iraniana, aza i Rouhani tany am-boalohany nandritra ny fe-potoam-piasany faharoa, dia nidina ny fifandraisan' izy ireo satria nanakiana an' i Rouhani i Khamenei noho izy malefaka loatra amin' ny fifampiraharahana amin' ny Tandrefana momba ny fifanarahana momba ny nokleary iràniana. Taorian' ny fe-potoam-piasana faharoa dia tsy notendren' i Khamenei ho amin' ny andraikitra ambony i Rouhani ary tsy nihaona taminy intsony raha tsy tamin' ny taona 2021.

Tags:

Fiteny persanaIrànaSilamoSorkheh

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

FandraisanaVolahavana GermaineLôndônaMichel SimaTontolo iainanaInternet ExplorerWikiAziaJean-Joseph RabeariveloWikipediaMahavelona (Toamasina)JesoaEpistily ho an' ny RômanaMôlekiolaSikidy malagasyWayback MachineHenri RatsimbazafyJoany ApôstôlyMosavy (finoana malagasy)Fiteny betsimisarakaMehmedSoronaAdimizanaPapaMpisorona jiosyMôsikaoZakaiosyVoromaheryAsa26 OktobraJeôrjiaFiarahamoninaHasinaSakramenta ao amin' ny fiangonana katôlikaNosy EuropaAlakamisy AnativatoMpampitohy (fitsipiteny)Samuel RatanyAnaranaMpilalao baolina kitraFaritra eto MadagasikaraAdaloFanambaràna ny hevitry ny nofyLisitr' ireo mpanjaka merinaRazana (finoana malagasy)EvekaSeychellesFiteny bezanozanoAtsinanana AkaikyFanahyFranco RocchiFiteny hebreoTeôlôjiaAsombolaFambolenaTsirintenyVintana (finoan-drazana malagasy)KabaryRanomasimbe PasifikaFiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto MadagasikaraRajoelina AndryReston, VirginiaAostraliaListe des indicatifs téléphoniques internationaux par paysAlahasatyGada (mpaminany)Fanandroana malagasyKalandrie litorjika katôlika rômaninaRégis Rajemisa RaolisonPôlitika eto MadagasikaraTsadyRivotraBaraLouis-Claude Vincent🡆 More