Fokom-Pirenen' I Israely

Ny fokom-pirenen' i Israely na fokon' i Israely dia ny fokom-pirenena roa ambin' ny folo taranaky ny zanaka lahy roa ambin' ny folon' i Jakôba araka ny voalaza ao amin' ny Bokin' ny Genesisy (na Jenezy) ao amin' ny Baiboly, izay mifarana amin' ny fitantarana ny nanorenan' ny Zanak' i Israely fonenana tao amin' ny tany Kanaana.

Ireo zanak' i Jakôba ireo dia i Robena (na Reobena), i Simeôna, i Levy, i Jodà, i Isakara, i Zabolôna, i Dana, i Naftaly, i Gada, i Asera, i Jôsefa ary i Benjamina. Tamin' ny faharavan' ny Fanjakan' i Samaria dia lazaina fa nanjavona ka tsy hita intsony ny fokom-pirenena folo nonina tao amin' io fanjakana io.

Fokom-Pirenen' I Israely
Sarintanin'ny foko 12n'i Israely

Ny rafitra ara-pokom-pirenena

Ny razamben' ny fokom-pirenen' i Israely

Ao amin' ny Testamenta Taloha, i Israely dia aseho ho toy ny vahoaka misy rafitra ara-fokom-pirenena, hatramin' ny fisehoany ho firenena manokana, tamin' ny fiantombohan' ny fifindran' ny Zanak' i Israely mankany Kanaana, hatramin' ny fanorenany fanjakana tokana tao amin' io tany io. Ireo fokom-pirenena roa ambin' ny folo ireo dia mifanandrify amin' ny zanakalahy roa ambin' ny folon' i Jakôba (Gen. 29-30), zanak' i Jakôba tamin' ny vadiny efatra. I Lea niteraka an' i Robena sy i Simeôna sy i Levy sy i Jodà sy i Isakara ary i Zebolôna; i Rahely niteraka an' i Jôsefa sy i Benjamina; i Bilha niteraka an' i Dana sy i Naftaly; i Zilpa niterana an' i Gada sy i Asera. Ao amin' ny fitanisana ny fokom-pirenena roa ambin' ny folo dia matetika tsy voatonona i Levy sy i Jôsefa fa soloana an' i Manase sy i Efraima izay samy zanak' i Jôsefa. Ny fitanisana feno ny zanak' i Jakôba dia ilay hita ny amin' ny tsodrano nataon' i Jakôba ho an' ireo zanany lahy ireo (Gen. 49).

Ny hoe fokom-pirenena

Ny fokom-pirenena, araka ny hevitr' io teny io ao amin' ny Baiboly, dia fivondronan' olona mpiray monina fahita matetika teo amin' ny mponina tamin' ny Andro Taloha. Ny mpikaroka sasany dia mihevitra fa ny fitantarana izany fokom-pirenena roa ambin' ny folo izany ao amin' ny Baiboly dia fomba entina manamarina aty aoriana ny fatoram-pihavanan' ny vahoaka iray, ka amin' izy ireo dia mampiahiahy ny fahamarinan' izany ara-tantara.

Ny petra-kevitra ny amin' ny Amphiktuones

Ny fandaminana mamondrona fokom-pirenena dia fahita tao Asia Minora sy tao Grisia ary tao Italia. Tao Grisia dia atao hoe Ἀμφικτύονες / Amphiktuones izany izay nahitana fokom-pirenena miombom-pivavahana sy toekarena. I Martin Noth dia mihevitra fa Amphiktuones koa no fandaminana nisy teo amin' ny fokom-pirenen' i Israely nefa tsy manaraka izany fiheverana izany ny mpandalina ny Testamenta Taloha sy ny mpahay tantara maro momba an' i Israely noho izany fiheverana izany tsy mora porofoina.

Lisitry ny fokom-pirenen' i Israely

Ny isan' ny fokom-pirenena telo ambin' ny folon' i Israely dia isan' ny zanaka lahy iraika ambin' ny folon' i Jakôba miampy ny zanaka lahy roan' i Jôsefa, dia i Manase sy i Efraima. Ny tanin' i Kanaana azon' ny Zanak' i Israely anefa notsinjaraina roa ambin' ny folo fa tsy telo ambin' ny folo, satria tsy nahazo anjara tany manokana ny fokom-pirenen' i Levy. Tanàna miisa 48 no nomena azy ireo ka ny isaky ny fokom-pirenena nahazo anjara tany dia misy tanàna efatra avy. Fialokalofan' ny nanao heloka bevava ny enina amin' ireo tanàna ireo.

Ireto avy ireo fokom-pirenena ireo:

  1. ny fokom-pirenen' i Robena;
  2. ny fokom-pirenen' i Simeôna;
  3. ny fokom-pirenen' i Levy
  4. ny fokom-pirenen' i Jodà;
  5. ny fokom-pirenen' i Isakara;
  6. ny fokom-pirenen' i Zebolôna;
  7. ny fokom-pirenen' i Dana;
  8. ny fokom-pirenen' i Naftaly;
  9. ny fokom-pirenen' i Gada;
  10. ny fokom-pirenen' i Asera;
  11. ny fokom-pirenen' i Jôsefa izay nizara ho fokom-pirenen' i Manase sy fokom-pirenen' i Efraima;
  12. ny fokom-pirenen' i Benjamina.

Indraindray dia tsy voatonona ny fokom-pirenen' i Levy ka tanisaina ho fokom-pirenena mahaleo tena ny fokom-pirenen' i Manase sy ny an' i Efraima mba hahafeno roa ambin' ny folo ny isa. Ny Apôkalipsin' i Joany (Apô. 7:4 snm) dia mitanisa ireo fokom-pirenena roa ambin' ny folo ireo nefa tsy ao anatiny ny fokom-pirenen' i Dana sy ny an' i Efraima nefa hita ao ny an' i Levy sy ny an' i Jôsefa.

Mankany amin' ny fanjakana tokana

Fifangaroana amin' ny fokom-pirenena tsy israelita

Tamin' ny famaboan' ny Zanak' i Israely ny tany Kanaana dia voalaza fa samy nomena ka naka ampahan-tany ho azy avy ny isam-pokom-pirenena; ka tamin' izany no nisian' ny fifangaroana tamin' ny mponina tompontany tratra tao: izany no nahatonga ny fokom-pirenen' i Robena mety ho natelin' ny vahoaka môabita.

Fitoerana masina samy nanana ny azy

Azo heverina fa nisy toerana maro tao Palestina izay natao ho fitoerana masina fanaovana fanompoam-pivavahana ho an' ny fokom-pirenena na zana-fokom-pirenena tsirairay tao amin' ireo fokom-pirenen' i Israely ireo, toy ny tao Berseba sy tao Hebrôna (Gen. 13:18; Jôs. 21:10-11) ho an' ny fokom-pirenena tany atsimo; i Sekema sy i Silô ary i Gilgana (Jôs. 5:9-10; 1Sam. 11:14-15) ho an' ireo fokom-pirenena tao afovoany; ary i Dana (Mpits. 18:30-31) ho an' ireo ao avaratra.

Vanimpotoan' ny Mpitsara: tsy nisy firaisana

Nandritra ny vanimpotoan' ny mpitsaran' i Israely dia tsy nisy fahefana tokana nifehy an' i Israely manontolo. Nisy fiombonan' ny fokom-pirenena sasany niady amin' ny fokom-pirenena hafa, mba hahazoany tany bebe kokoa, hita izany araka ny fitantarana ny amin' i Gideôna sy ny an' i Jefta (na Jifta) (Mpits. 8 sy 12).

Andriamanitra tokana sy mpanjaka tokana

Araka ny Baiboly dia miorina amin' ny fanompoana andriamanitra tokana iraisana, dia i Iahveh, izay notorina taminy fa nanafaka azy tamin' ny fahandevoza tany Ejipta, izay fiombonam-pinoana izany dia hamafisin' ny fisian' ny Fiaran' ny fanekena.

Ao amin' ny tsangambaton' i Menephtah (taona 1236-1223 tal. J.K.) dia voatanisa miaraka amin' ireo firenena babon' io farao io avy tany Kanaana i Israely, nefa etsy an-kilany, tamin' io fotoana io ihany, dia nisy ampahan' ny vahoaka israelita mbola nonina tao Ejipta. Izany dia maneho fa ireo fokom-pirenena roa ambin' ny folon' i Israely ireo dia tsy niampita ny tany efitra idraimandeha miaraka teo ambany fitarihan' i Mosesy.

Ny fankatoavana ho fehezina mpanjaka tokana dia niandalana ka tamin' ny fanapahan' i Davida sy ny an' i Sôlômôna indrindra no nahatanteraka izany.

Fihazonana ny isa roa ambin' ny folo

Lisitra samihafa

Ny lisitra samihafa ao amin' ny Baiboly dia tsy mitovy na dia samy milaza fa roa ambin' ny folo ny isan' ny fokom-pirenen' i Israely. Ilay Hiran' i Debôra (Mpits. 5), izay fantatra fa anisan' ny lahatsoratra tranainy indrindra, dia tsy mitanisa afa-tsy folo; ny Tsodranon' i Jakôba (Gen. 49) sy ny Tsodranon' i Mosesy (Deo. 33) dia samy miresaka ny amin' ny fokom-pirenena roa ambin' ny folo, nefa tsy mitovy ny fomba fitanisany ireo fokom-pirenena ireo: ny tsodranon' i Jakôba tsy manasaraka ny fokom-pirenen' i Jôsefa ho roa, dia ny fokom-pirenen' i Efraima sy ny an' i Manase, nefa ny tsodranon' i Mosesy manao an' izany ka tsy miresaka ny amin' ny fokom-pirenen' i Levy. Mampiahiahy izany ny amin' ny maha ara-tantara ny fisian' ny fokom-pirenena roa ambin' ny folon' i Israely.

Ao amin' ny lahatsoratra hafa ao amin' ny Baiboly dia miovaova io lisitra io ka ahafahana mihevitra fa tsy tsotra tahaka ny anehoana azy ho avy amin' ny fianakaviana tokana ny fandaminana ara-pokom-pirenena nisy tao amin' ny tanin' i Israely. Araka ny fiheveran' ny mpanoratra sasany dia zavatra noforonina io isa roa ambin' ny folo io mba hampahatsiahivana fa iray ihany ny vahoaka tao Israely, ka izany maha iray azy izany dia mety ho marina na noforonina.

Vondron' olona hafa tsy heverina ho fokom-pirenena

Raha tsy noferana ho roa ambin' ny folo ny isan' ny fokom-pirenen' i Israely dia ho nahaleo tena tahaka ny fokom-pirenena roa ambin' ny folo ny vondrona sasany toy ny an' ny Kalebita sy ny an' ny Kenita. Ny Kalebita dia natambatra tamin' ny fokom-pirenen' i Jodà nefa i Kaleba dia zanaka Kenizita (Nomery 32:12).

Ny fokom-pirenen' i Israely tsirairay

Ny fokom-pirenen' i Robena

Roa taona taorian' ny fivoahana avy any Ejipta dia nisy lehilahy 46 500 feno 20 taona no ho miakatra ny fokon' i Robena (1Mpanj. 19.16.). Ny fokon' i Robena dia naka ny tany Kanaana ka nanorim-ponenana tamin' ny ilan-tany andafy atsinanan' ny ony Jordana. Anisan' ny fokom-pirenen' i Israely lazaina fa nanjavona ny fokon' i Robena tamin' ny naharavan' ny Fanjakan' i Israely avaratra tamin' ny taona 722 tal. J.K.

Ny fokom-pirenen' i Simeôna

Araka ny Baiboly ihany dia tao amin' ny tapany atsimo-andrefan' i Kanaana no nisy ny fokon' i Simeôna, ao atsinanany ny fokon' i Jodà, nefa mety voahodidin' ny tanin' i Jodà tao ndrefana izy (Jôs. 19.1-9). Fokon' i Israely tsy dia manan-danja loatra tao amin' ny Fanjakan' i Jodà ny fokon' i Simeôna. Anisan' ireo fokon' i Israely folo lazaina fa very ny fokon' i Simeôna. Ny Jewish Encyclopedia (1906) dia manambara fa ny fokon' i Simeôna dia mety tsy nisaina ho fokom-pirenena.

Ny fokom-pirenen' i Levy

Tsy nanana anjara tany ho azy manokana ny fokon' i Levy (atao hoe Levita koa) rehefa natao ny fizarana ny tany voababo fa nitsinjara tamin' ny tanana miisa 48 miaraka amin' ireo foko sisa ao amin' ny Zanak' i Israely. Satria izy ireo tsy nanao asa hafa afa-tsy ny raharaha momba ny fanompoana an' Andriamanitra sy ny fitantana-draharaha ao an-Tempoly ary ny fampianarana ny Lalàna, dia nanome ny ampahafolon-karenany azy ny sisa amin' ny Israelita mba hivelomany sy hanamboarana na hanarenana ny Tempoly.

Ny fokom-pirenen' i Jodà

Ao amin' ny Bokin' i Jôsoa (Jôs. 15) no iresahana ny anjara tany azon' ny fokon' i Jodà tao Kanaana. Tsy hita ao amin' ny Hiran' i Debôra ny fokon' i Jodà. Nanana ny toerany manokana ny fokon' i Jodà amin' ny maha foko voalohany ao amin' ny Fanjakan' i Jodà azy, ary avy ao aminy no voalaza fa nivoahan' ireo mpanjakan' ny Fanjakan' i Jodà (afa-tsy ireo mpanjaka telo farany tao Jodea (na Jodia), dia ireo Hasmôneana izay Levita).

Ny fokom-pirenen' i Isakara

Araka ny fitantaran' ny Bokin' i Jôsoa dia nomen' i Jôsoa ny tany any avaratr' i Manase sy ny any atsimon' i Zebolôna sy Naftaly ny fokon' i Isakara, hatreo amin' ny onin' i Jordana any antsinanana ka hatramin' ny morontsiraka any andrefana; ao amin' izany faritra izany no ahitana ny tany lemaka mahavokatr' i Esdrelôna. Araka ny lovantsofina jiosy dia nifameno ny fokon' i Isakara sy ny an' i Zebolôna satria ny taranak' i Isakara nanokana ny androm-piainany tamin' ny fianarana sy ny fampianarana ny Tôrah fa ny taranak' i Zebolôna kosa niasa ho an' ny foko roa.

Ny fokom-pirenen' i Zebolôna

Ny tanin' i Zebolôna dia any amin' ny tapany atsimon' i Galilea (na Galilia), ka ny sisiny atsinanana dia ny Ranomasin' i Galilea, ary ny sisiny andrefana dia ny Ranomasina Mediteranea, ny sisiny atsimo dia ny fokon' i Isakara, ny avaratra-andrefana dia ny an' i Asera ary ny avaratra atsinanana ny an' i Naftaly (Jôs. 19.10-16). Ao amin' ny Hiran' i Debôra dia tantaraina ho nandefa an' ireo mpikirakira ny sophet shebet ho any an' ady ny fokon' i Zebolôna. Araka ny lovantsofina jiosy dia nifameno ny fokon' i Zebolôna sy ny an' i Isakara, araka ny voalaza etsy ambony. Amin' ny maha isan' ny Fanjakan' i Israely ny fokon' i Zebolôna dia babon' ny Asiriana izy ary nataony sesitany ka tsy fantantra intsony avy eo ny nanjo an' io foko io taorian' izany.

Ny fokom-pirenen' i Dana

Ny anjara tanin' ny fokon' i Dana dia hodidinin' ny tanin' i Benjamina sy ny an' i Jodà ao atsinanana sy ao atsimo, ny an' i Efraima ao avaratra ary ny Ranomasina Mediteranea ao andrefana. Isan' ny Fanjakan' i Samaria na Fanjakan' i Israely ny fokon' i Dana ka nataon' ny Asiriana sesitany tamin' ny taona 722 tal. J.K. niaraka tamin' ireo fokon' i Israely sivy hafa.

Ny fokom-pirenen' i Naftaly

Tao amin' ny faritr' i Galilea (na Galilia), manamorona ny tapany ambonin' ny ony Jordana (na Jordany) sy ny farihy Tiberiada (na Tiberiasy) ny tanin' i Naftaly. Ao andrefany no ahitana ny tanin' i Asera, ao avaratra ny tanin' i Dana ary ao atsimo ny tanin' i Zebolôna (Jôs. 19.32-39). Isan' ny Fanjakan' i Israely ny fokon' i Naftaly. Araka ny Boky faharoan' ny Mpanjaka (2Mpanj. 15.29) dia nataon' ny Asiriana sesitany ny mponin' i Naftaly tamin' ny taona 734 tal. J.K. Lazaina fa isan' ny fokon' i Israely very izy.

Ny fokom-pirenen' i Gada

Tamin' ny nahazoana ny tany Kanaana dia niorim-ponenana tao atsinanan' i Jordana ny fokon' i Gada. Isan' ireo foko nitambatra tao amin' ny Fanjakan' i Samaria ny fokon' i Gada sady nataon' ny Asiriana sesitany ka heverina ho isan' ireo foko lazaina fa very.

Ny fokom-pirenen' i Asera

Araka ny Bokin' i Jôsoa (na Jôsoe) dia nomen' i Jôsoa (na Jôsoe) ny fokon' i Asera ny faritra andrefana sy amorontsirak' i Galilea (Jôs. 19.24-31). Isan' ireo foko niaraka tamin' ny Fanjakan' i Samaria ny fokon' i Asera. Tamin' ny nandravan' ny Asiriana ny Fanjakan' i Samaria sy nanaovana sesitany ny mponina tao dia tsy fantatra intsony izay nanjo ny fokon' i Asera ka izany no ilazana fa isan' ireo fokon' i Israely folo nanjavona izy.

Ny fokom-pirenen' i Jôsefa

Mizara foko roa ny fokon' i Jôsefa dia ny fokon' i Efraima sy ny fokon' i Manase:

  • fokom-pirenen' i Efraima

Anisan' ny Fanjakan' i Samaria ny fokon' i Efraima tamin' ny fisarahan' ny Zanak' i Israely ho fanjakana roa. Tamin' ny ady nifanaovan' ny fokon' i Efraima sy tamin' ny sisan' ny fokon' i Israely dia ampy hahafantarana ny Efraimita ny tsy fahaizany manonona ny hoe shibboleth izay tononiny hoe sibbolet.

  • fokom-pirenen' i Manase

Indraindray ny Baiboly dia miresaka ny amin' ny antsasa-pokon' i Manase miaraka amin' ny fokon' i Robena sy ny fokon' i Gada, satria ireo foko roa sy sasany ireo dia nandray anjara tamin' ny fakana ny tany Kanaana ka nipetraka teny ampita atsinanan' i Jordana fa ny fokon' i Israely sisa rehetra kosa, isan' izany ny antsasany faharoa amin' ny fokon' i Manase, dia napetrak' i Jôsoa (na Jôsoe) teo amin' ny Tanin' i Israely.

Ny fokom-pirenen' i Benjamina

Ny fokon' i Benjamina no nipoiran' i Saoly, mpanjaka voalohan' i Israely sy nodimbasan' i Davida. Ny anjara tanin' io foko io dia eo anelanelan' ny fokon' i Efraima ao avaratra sy ny fokon' i Jodà ao atsimo, ny fokon' i Dana ao andrefana, ary ny ony Jordana ao antsinanana. Taty aoriana dia iray amin' ireo foko tao amin' ny Fanjakan' i Jodà ny fokon' i Benjamina taorian' ny fisarahan' ny Fanjakan' i Samaria tamin' ny Fanjakan' i Jodà.

Faharavan' ny lamina ara-okom-pirenena

Fivakisan' ny fanjakana ho roa

Tamin' ny fivakisan' ny fanjakana ho roa dia nahafaoka ny fokon' i Jodà sy ny an' i Benjamina ny fanjakana atsimo izay natao hoe Fanjakan' i Jodà, fa ny tany avaratra indray izay natao hoe Fanjakan' i Israely na Fanjakan' i Samaria, dia niombonan' ny fokom-pirenena folo hafa.

Faharavan' ny Fanjakan' i Samaria

Tamin' ny famaboan' ny Asiriana tamin' ny taona 721 tal. J.K. ny Fanjakan' i Samaria sy ny nanaovany sesitany ny mponina tao dia niova be ny rafitra ara-pokom-pirenena. Nanomboka tamin' izany fotoana izany dia sarotra ny mamantatra ny tena tantaran' ny fokom-pirenena roa ambin' ny folon' i Israely. Noheverina fa nanjavona ka tsy nisy intsony ny fokom-pirenena folo tany amin' ny Fanjakan' i Samaria ka nantsoina hoe "fokom-pirenena folo verin' i Israely".

Ireo fokom-pirenena lazaina fa nanjavona

Taorian' ny fandravana ny Tempolin' i Jerosalema naorina voalohany dia lazaina fa very tsy hita ny fokom-pirenen' i Dana, na raha ny marina dia tsy nanana anjara tany intsony izy. Ny apôstôly Petera anefa lazaina fa taranak' i Dana. Taorian' ny fanorenana ny Tempoly indray dia tsy nalamina araka ny isan' ny fokom-pirenena roa ambin' ny folo intsony ny tany nonenan' ny Zanak' i Israely taorian' ny fahababoana tany Babilôna.

Olona tsy ao Israely milaza tena ho fokom-pirenen' i Israely

Niteraka finoana sy lovantsofina maro izany taty aoriana ka maro ny vahoaka na foko na mponina eto amin' izao tontolo izao ankehitriny izay milaza ny tenany fa iray na anisan' ny iray amin' ny fokom-pirenena lazaina fa very ireo, anisan' izany ny Môrmôna, ny Beta Israely ao Etiôpia, ny Samaritana ao Palestina, ny Bene Israely ao India.

Fokom-pirenena roa ambin' ny folo hoavy na am-panoharana

Ny isa roa ambin' ny folo

Ny isa roa ambin' ny folo dia manana heviny ara-tandindona mavesa-danja. Na tamin' ny andro taty aoriana dia ampiasaina io isa io: ao amin' ny boky apôkaliptika jiosy (ohatra: ny Apôkalipsy siriakan' i Baroka izay ahitana taratasy alefa any amin' ny fokom-pirenena folo sy tapany miparitaka any lavitra any); teo amin' ny literatiora kristiana koa izay mametra ny isan' ny Apôstôlin' i Jesoa ho roa ambin' ny folo.

Fokom-pirenena roa ambin' ny folo hoavy

Ny lovantsofin' ny Talmoda sy ny an' ny Midrasa dia miezaka mitantara izany. Ny sary an-tsain' ny olon-tsotra koa dia mbola nifantoka amin' ny rafitra ara-pokom-pirenen' ny vahoakan' i Israely, indrindra ny amin' ny fanantenana ny hiavian' ny Mesia: tsy maintsy taranak' i Davida, avy amin' ny fokom-pirenen' i Jodà ny Mesia.

Fokom-pirenena roa ambin' ny folo am-panoharana

Ao amin' ny Testamenta Vaovao dia voaresaka indroa ny fokom-pirenena roa ambin' ny folon' i Israely ao amin' ny Evanjely ary indroa ao amin' ny Apôkalipsin' i Joany. Ao amin' ny Evanjelin' i Matio, izay mitovy amin' ny hita ao amin' ny Evanjelin' i Lioka, dia nanambara mialoha i Jesoa fa ao amin' ny Fanjakan' Andriamanitra dia hipetraka eo amin' ny seza fiandrianana roa ambin' ny folo sy hitsara ny foko roa ambin' ny folon' ny Zanak' i Israely ireo mpianany:

"Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa rehefa mby amin' ny fanavaozana, ka hipetraka amin' ny seza fiandrianan' ny voninahiny ny Zanak' olona, ianareo koa, izay nanaraka Ahy, dia hipetraka amin' ny seza fiandrianana roa ambin' ny folo ka hitsara ny firenen' Isiraely roa ambin' ny folo." (Mat. 19.28, Ny Baiboly)

"28 Ary ianareo no naharitra nanaraka Ahy tamin' ny fakam-panahy nihatra tamiko; 29 koa Izaho dia manendry fanjakana ho anareo tahaka ny nanendren' ny Raiko ho Ahy, 30 mba hihinana sy hisotro eo amin' ny latabatro amin' ny fanjakako ianareo sady hipetraka ambony seza fiandrianana hitsara ny firenen' Isiraely roa ambin' ny folo" (Lio. 22.28-30, Ny Baiboly)

Ao amin' ny fahitan' i Joany kosa dia 144 000 amin' ny fokom-pirenen' ny Zanak' i Israely dia "nasiana tombokase" ka 12 000 isaky ny fokom-pirenena:

"4 Ary nahare ny isan' izay voaisy tombo-kase aho: efatra arivo amby efatra alina amby iray hetsy no voaisy tombo-kase avy tamin' ny firenen' ny Zanak' Isiraely rehetra. 5 Avy tamin' ny firenen' i Joda roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase. Avy tamin' ny firenen' i Robena roa arivo amby iray alina. Avy tamin' ny firenen' i Gada roa arivo amby iray alina. 6 Avy tamin' ny firenen' i Asera roa arivo amby iray alina. Avy tamin' ny firenen' i Naftaly roa arivo amby iray alina. Avy tamin' ny firenen' i Manase roa arivo amby iray alina. 7 Avy tamin' ny firenen' i Simeona roa arivo amby iray alina. Avy tamin' ny firenen' i Levy roa arivo amby iray alina. Avy tamin' ny firenen' Isakara roa arivo amby iray alina. 8 Avy tamin' ny firenen' i Zebolona roa arivo amby iray alina. Avy tamin' ny firenen' i Josefa roa arivo amby iray alina. Avy tamin' ny firenen' i Benjamina roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase." (Apô. 7.4-8, Ny Baiboly)

Ary  ao amin' ny fahitany an' i Jerosalema vaovao, ny anaran' ireo fokom-pirenena ireo dia voasoratra ao amin' ny vavahadin' ny tanàna. Ny anaran' ny fokom-pirenena roa ambin' ny folon' ny Zanak' i Israely: ny vavahady telo atsinanana, ny varavarana telo avaratra, ny varavarana telo atsimo ary varavarana telo andrefana:

"12 ary manana mànda lehibe sady avo sy vavahady roa ambin' ny folo izy, ary eo amin' ny vavahady dia misy anjely roa ambin' ny folo, ary misy anarana voasoratra eo, dia ny an' ny firenena roa ambin' ny folo amin' ny Zanak' Isiraely; 13 eo atsinanana vavahady telo; eo avaratra vavahady telo; eo atsimo vavahady telo; eo andrefana vavahady telo. 14 Ary ny màndan' ny tanàna dia misy fanorenana roa ambin' ny folo, ary misy anarana roa ambin' ny folo koa eo, dia ny an' ny Apostoly roa ambin' ny folon' ny Zanak' ondry." (Apôk. 21.12-14, Ny Baiboly)

Jereo koa

Loharano sy fanamarihana

Tags:

Fokom-Pirenen' I Israely Ny rafitra ara-pokom-pirenenaFokom-Pirenen' I Israely Mankany amin ny fanjakana tokanaFokom-Pirenen' I Israely Fihazonana ny isa roa ambin ny foloFokom-Pirenen' I Israely Ny fokom-pirenen i Israely tsirairayFokom-Pirenen' I Israely Faharavan ny lamina ara-okom-pirenenaFokom-Pirenen' I Israely Ireo fokom-pirenena lazaina fa nanjavonaFokom-Pirenen' I Israely Fokom-pirenena roa ambin ny folo hoavy na am-panoharanaFokom-Pirenen' I Israely Jereo koaFokom-Pirenen' I Israely Loharano sy fanamarihanaFokom-Pirenen' I IsraelyAseraBaibolyBenjaminaBokin' ny GenesisyDanaFanjakan' i Israely (Samaria)Fokom-pirenenaGadaIsakaraJakôba (patriarka hebreo)Jodà (zanak' i Jakôba)Jôsefa (zanak' i Jakôba)Kanaana (faritra)Levy (zanak' i Jakôba)NaftalyRobenaSimeôna (zanak' i Jakôba)Zanak' i IsraelyZebolôna

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Fiteny betsimisarakaFilazantsara araka an' i MatioAleksandra LehibeSoronaLalànaKoakerismaTakatraMeksikaReston, VirginiaGeorge MurraySakramentaAndriamasinavalona (foko)Kabary famangianaAnjara asa (fitsipiteny)SilamoWiki FoundationHawaiiAntefasyStrawberry PrinceFifandraisan-davitraBealananaTabilaon'ny singaIrànaFiteny araboPizayJobilyBokin' ny GenesisyAndy WarholFahaleovantenaGeorges AndriamanantenaTromba26 OktobraMenalambaZavakantoAdizaozaTovana (fitsipiteny)Bokin' i IsaiaTeboka teloTanàn-dehibeFiangonana Jesosy MamonjyBerlinFanambaràna ny hevitry ny nofyDadabe NoelyDidy FoloToetanin-jana-pehin-tanyLolo vokatraVatikànaTantaran' ny Fanjakan' i PalestinaFilazam-potoana ankehitrinyRanomasimbe PasifikaGovernemantaHasina (hery tsy hita maso)Epistily ho an' ny GalatianaMasoud ShojaeiFamonjenaFiteny latinaFiarahamoninaMadagasikaraLisitry ny teny ampiasaina amin' ny haitenyFrantsaSandam-bolaFiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto MadagasikaraDiôsezin' AmbatondrazakaFacebookBibyMôlekiolaMpampiankinaWayback MachineFivavahanaFahotanaRajoelina AndryZavamaniryDavida (mpanjaka)Fihavanana🡆 More