Fizaràn-Taona

Ny fizaràn-taona dia fari-potoana ao anatin' ny taona izay ahatsapana tsy fiovana firy eo amin' ny toetrandro (fisian' ny orana na tsia, rivotra mifofofofo na tsia, orampanala na tsia, hazavana sy hafanan' ny masoandro na tsia, sns) izay mifandray amin' ny tsingerim-piainan' ny zavaboary (fitsirin' ny zavamaniry, fiovan-toetran' ny biby, sns).

Ampifadraisin' ny olona amin' ny asa fivelomany koa ny fizaran-taona, indrindra ny fambolena sy ny fiompiana.

Fizaràn-Taona
Sary mihetsika avy amin' ny satelita maneho ny vokatry ny fifandimbiasan' ny fizaran-taona eto ambonin' ny Tany.

Tsy mitovy ny isan' ny fizaràn-taona arakaraka ny toetany na ny firenena na ny kolontsain' ny mponina ka ao ny mizara ny taona ho roa (toetany trôpikaly: asara sy asotry), ny mizara azy ho telo, ny mizara azy ho efatra (toetany antonony: lohataona, fahavaratra, fararano, ririnina) ary ny mizara azy ho enina (fizaràn-taona indiana), sns.

Fizaràn-taona efatra

Raha ahitana fizaran-taona efatra ny taona dia ireto avy izy ireo: ny lohataona, ny fahavaratra, ny fararano ary ny ririnina.

Ny lohataona

Ny lohataona no fizaràn-taona voalohany amin' ny taona. Manomboka mitsiry avokoa ireo zava-maniry nihintsin-dravina nandritra ny ririnina.

Raha zaraina efatra mitovy ny taona iray ao amin' ny ila-bolantany avaratra dia mahafaoka ny volana Marsa sy Avrily ary Mey ny lohataona fa ao amin' ny ila-bolantany atsimo kosa dia manambatra ny volana Septambra sy Oktobra ary Novambra.

Ny fahavaratra

Ny fahavaratra dia fizaràn-taona mifanandrify amin' ny vanim-potoana filatsahan' ny orana sy famokarana vokatra sy fambolena.

Raha zaraina efatra mitovy ny taona iray ao amin' ny ila-bolantany avaratra dia mahafaoka ny volana Jona sy Jolay ary Aogositra ny fahavaratra fa ao amin' ny ila-bolantany atsimo kosa dia manambatra ny volana Desambra sy Janoary ary Febroary.

Ny fararano

Ny fararano no fizaràn-taona manaraka ny fahavaratra. Efa manomboka mihena ny orana amin'io, ka izay no nahatonga io fiantsoana azy io.

Raha zaraina efatra mitovy ny taona iray ao amin 'ny ila-bolantany avaratra dia mahafaoka ny volana Septambra sy Oktobra ary Novambra ny fararano fa ao amin' ny ila-bolantany atsimo kosa dia manambatra ny volana Marsa sy Avrily ary Mey io fizaran-taona io.

Ny ririnina

Ny ririnina no fizaràn-taona manaraka ny fararano, izay vanim-potoana mangatsiaka; fohy ny andro ary rako-drahona matetika; ianjadian' ny fanala ny hazo ka mihintsan-dravina.

Raha zaraina efatra mitovy ny taona iray ao amin' ny ila-bolantany avaratra dia mahafaoka ny volana Desambra sy Janoary ary Febroary ny ririnina fa ao amin' ny ila-bolantany atsimo kosa dia manambatra ny volana Jona sy Jolay ary Aogositra io fizaran-taona io.

Tags:

Fizaràn-Taona Fizaràn-taona efatraFizaràn-TaonaBibyFambolenaFiompianaHazavanaMasoandroOram-panalaOranaRivotraTaonaToetrandroZavaboaryZavamaniry

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

SinaTononkira FanaperanaLozan' ny fananana iombonanaTsekiaFanjanahantanyZanahary (finoan-drazana malagasy)Alakamisy AnativatoRivodozaFivavahana748Sivilizasiona mikenianaPer Brinch HansenJibotỳKharg (nosy)Tanora Malagasy VononaTerakaLouis-Claude VincentAbidy grikaFiangonana Jesosy MamonjyTranombakokaISO 4217AbelaAnaranaDavid N'GogSabelio17 MartsaNikodaAntemoroVolana (fotoana)LavarsMpampiankin-teny1200IsaToetanin-jana-pehin-tanyFanekem-pinoana apôstôlikaRepoblikan' i Madagasikara (1992-2009)Ranavalona IIIAntankaranaDanemarkaHosodokoAljeriaEglizy katôlika rômaninaImmanuel KantTrombaFirenena MikambanaFanandevozanaApôlinariôsy avy any LaôdikeaRepoblika Demokratika MalagasyTeôlôjia dôgmatika1744Fiteny siriakaTantaran' ny kristianismaVanim-potoana kristianaMicrosoft WindowsVintanaKôlômbiaWikiFiteny arabo1960Mozilla FirefoxLatakiaFandraisanaOtrikaretinaHiragasyFamoranaLimaSaonjoAdimizanaAotrisyFifohazana (kristianisma malagasy)PelikanaBezanozano🡆 More