Fiteny Jeôrjiana

Ny fiteny jeôrjiana dia fiteny ôfisialin' i Jeôrjia izay firenena ao amin' ny faritra afovoan' i Kaokazy, izay isan' ireo fiteny kaokaziana.

Amin' ny fiteny jeôrjiana dia atao hoe ქართული ენა / kartuli ena io fiteny io. Ny fiteny jeôrjiana dia fitenin-drenin' ny olona miisa 3 900 000 any ho any ao Jeôrjia (izany hoe 83 %n' ny mponina ao amin' io firenena io) sy fitenin' ny Jeôrjiana any ivelany miisa 500 000 any ho any (indrindra any Torkia, Iràka, Rosia, Etazonia ary ny sisa amin' i Eorôpa). Fitenin' ny haisoratry ny foko maro monina amin' ny tany jeôrjiana koa ny fiteny jeôrjiana, indrindra ireo miteny fiteny tsy isan' ireo fiteny ao Kaokazy afovoany (fiteny kartveliana) toy ny fiteny svana sy ny fiteny mingreliana ary ny fiteny laza. Ny fiteny jeôrjiana vaovao dia soratana amin' ny abidy misy litera 33 atao hoe mkhedruli.

Ny fitsipiteny jeôrjiana dia ahitana fiovan' endri-teny araka anjara asa miisa fito, tsy misy fanavahana ny kandahy na ny kambavy, ahitana fitanisana matoanteny saro-drafitra. Ahitana renifeo saro-tononina sy fifanarakarahana renifeo saro-drafitra mampiavaka ireo fiteny kaokaziana ny fiteny jeôrjiana.

Tags:

EorôpaEtazoniaFiteny kaokazianaIràkaJeôrjiaKaokazyRosiaTorkia

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

LivronAndriamanitra (tokana)697Fanasan-tongotra (fivavahana)Fandriam-pahalemanaLisitry ny zavatra madinidinika 1-1000L'Express de MadagascarLisitry ny zavatra madinidinika 136001-137000Zoma masinaVintana (finoan-drazana malagasy)Tantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i KôngôTongstenaTobilehibeSochiDokuWikiArsène WengerKilamba-KiaxiMpandrindra milinaJuan Gutiérrez MorenoBMWWilliam ShakespeareFandraisanaPôlitika eto MadagasikaraRobert MugabeFilazantsara araka an' i LiokaAntesakaFamantarana ny fiavian' ny andron' ny fitsaranaVolanaÔmànaVanoVazimbaRepoblika Demôkratika AlemànaHoratio Herbert KitchenerFiteny malagasySpokaneDavid CameronFiangonana Loterana MalagasyTheodore WhartonLa Jonchère-Saint-MauriceFiteny idisy5 DesambraBonneval, Eure-et-LoirSoratraFiteny rosianaAntsirananaAnaranaAmerikaHiragasyMozillaEpistilin' i PaolyTeteFiangonana Jesosy MamonjyMenalambaSamaritanaAlahasatyNizeriàMouvement Démocratique de la Rénovation MalgacheRemiencourtVohimasina NordTrombaFitsanganan' i Jesoa ho velonaVanim-potoana mesianikaMôrmônismaLarreule, Pyrénées-AtlantiquesMôldaviaSambainaLalàn' i Mosesy🡆 More