Fiteny Estôniana: Fiteny

Ny fiteny estôniana dia fiteny ao amin' ny sampana fenikan' ny fianakaviam-piteny oraliana, izay mifamatotra amin' ny fiteny finoà.

Ao Estônia no itenena an' io fiteny io, izay manana endrika isam-paritra roa lehibe, dia ny fiteny estôiana avaratra (izay ampiasain' ny ampahany be amin' ny vahoaka estôniana sady fototry ny fitenin' ny literatiora ankehitriny; ary ny fiteny estôniana atsimo izay ampiasain' ny mponina hatrany Tartu mankany atsimo. Ny fiteny estôniana no fiteny ôfisialin' i Estônia. Atao hoe eesti keel (vakio hoe: /ˈeːs.ti ˈkeːl/) io fiteny io amin' ny fiteny estôniana. Olona miisa 1 100 000 any ho any no miteny estôniana ka ny ankamaroany (950 000) dia monina ao Estônia. Mety mifankahazo fiteny ny mpiteny estôniana sy ny mpiteny finoà.

Fifankahazoam-piteny eo amin' ny mpiteny estôniana sy finoà

Mety misy ny fifankahazoam-piteny eo amin' ny mpiteny finoà sy ny mpiteny estôniana: ny fahasarotana dia mety avy amin' ny fomba fandaharana ny teny, fa ambonin' izany dia mety hiteraka fahasahiranana ny fahasamihafan' ny lantom-peo. Farany, nampiditra teny soedoà maromaro ao anatin' ny voambolany ny fiteny finoà, fa ny fiteny estôniana kosa nindrana teny avy amin' ny fiteny alemana sy avy amin' ny fiteny rosiana.

Fitenim-paritra estôniana

Ny fitenim-paritra estônianina dia mizara ho vondrona roa – ny fitenim-paritra avaratra sy atsimo, mifandray ara-tantara amin' ny tanànan' i Tallinn any avaratra sy ny tanànan' i Tartu any atsimo, ankoatry ny fitenim-paritra estôniana amorontsiraka avaratra-atsinanana (kirderanniku) izay miavaka.

Fitenim-paritra estôniana avaratra

Ny vondrona avaratra dia ahitana ny fitenim-paritra afovoany (atao hoe keskmurre) izay fototry ny fiteny filamatra, ny fitenim-paritra andrefana (na läänemurre), mifanandrify amin' ny faritr' i Lääne sy Pärnu, ny fitenim-paritra a-nosy (na saarte murre) ao Saaremaa, ao Hiiumaa, ao Muhu ary ao Kihnu, ary ny fitenim-paritra atsinanana (na idamurre) ao amin' ny morontsiraka avaratra-andrefan' ny Farihy Peipus.

Fitenim-paritra estôniana atsimo

Ny fiteny estônianina atsimo dia ahitana ny fiteny tarto (tartu), ny fiteny molgy (mulgi), ny fiteny vôrô (võro) ary ny fiteny setô (seto). Indraindray ireo fitenim-paritra ireo dia heverina ho karazan' ny fiteny estonianina atsimo na fiteny hafa misaraka tanteraka. Ny vahoaka Setô sy ny vahoaka Vôrô dia manavaka ny tenany amin' ny fiteny sy amin' ny kolontsainy ary amin' ny fivavahana kristiana arahiny.

Tags:

Fiteny Estôniana Fifankahazoam-piteny eo amin ny mpiteny estôniana sy finoàFiteny Estôniana Fitenim-paritra estônianaFiteny EstônianaEstôniaFianakaviam-piteny oralianaFiteny fenikaFiteny finoàFiteny ôfisialy

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

DemonySakalavaZavakantoFahefana mpanao lalànaFANJAKAN’ I MADAGASIKARAAzia andrefanaQotbabadAberdeen, South Dakota9 MartsaUAfrika AfovoanyZanabintanaZairaSakramenta ao amin' ny fiangonana katôlikaBolgariaFiteny siriakaTsekôslôvakia22 AprilyKabary tera-baoSeptambra2003Fanavaozana prôtestantaZone FrancFiraisana ara-nofoMadagasikara zanatany frantsayFanjakana MitambatraSaryVolamena439Fanahy Masina (kristianisma)Fanahin' ny vatanaDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)Ranavalona IIToetanin-jana-pehin-tanyMozikaAterinetoFiloham-pirenena sy mpanjakan'i MadagasikaraAndôraMozilla FirefoxFiteny araboPaskaFiteny aromanianaFahitalavitraVintana612PelikanaISO 3166-1San Francisco1942Pôlinezia FrantsayKabary famangianaTantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i KôngôFandriam-pahalemanaQasr-e QandLambamena1826Eorôpa AtsimoAzerbaijànaLimboLalànaTontolo iainanaTantaran' ny kristianismaAndrianampoinimerina19971417AotrisyFiteny tiorkaFanonganam-panjakanaFamadihanaAdijadyMpisolo (fitsipiteny)🡆 More