Fiteny Indô-Eorôpeanina

Ny fiteny indô-eorôpeanina dia fianakaviam-piteny ivondronan' ny fiteny maro any Eorôpa sy any India ary any Iràna sy ny manodidina, tenenina eran' izao tontolo izao.

Misy 1 000 eo ny isan' ny fiteny ao amin' io fianakaviam-piteny io. Fianakaviam-piteny tenenina maneran-tany ny maro amin' izy ireo, izay ahitana ny fiteny albaney, ny fiteny armeniana, ny vondrom-piteny baltô-slava, keltika, jermanika, helenika, indô-iraniana, italika (anisan' izany ireo fiteny rômana), ary vondrom-piteny maty roa, dia ny vondrom-piteny anatôliana (anisan' izany ny fiteny hitita) sy ny vondrom-piteny tôkariana. Ankehitriny dia misy 6 tapitrisa ny olona miteny indô-eorôpeanina.

Fiteny Indô-Eorôpeanina
Fitsinjarànan' ireo fiteny indô-eorôpeana ao amin' ny tany nipoirany
Fiteny Indô-Eorôpeanina
Fiteny Indô-eorôpeanina

Vondrona ao amin' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana

Ny vondrom-piteny anatôliana

Ny vondrom-piteny anatôliana dia ahitana ireo fiteny maty notenenina tao Anatôlia tamin' ny Andro Taloha toy ny fiteny hitita, fiteny lovita, fiteny palaita, fiteny lidiana, fiteny likiana, fiteny miliana, fiteny kariana, fiteny sidetika ary ny fiteny pisidiana.

Ny vondrom-piteny tôkariana

Ny vondrom-piteny tôkariana na agni-kotsy dia ahitana ireo fiteny maty telo, dia ny fiteny agneana sy ny fiteny kotseana ary ny fiteny kroraniana, izay notetenina tao amin' ny lemak' i Tarima tamin' ny taonarivo voalohany taor. J.K., ao atsimon' ny faritra mizakatenan' i Xinjiang any Sina.

Ny vondrom-piteny baltô-slava

Ny vondrom-piteny baltô-slava dia misampana roa, ka ahitana ireo fiteny balta sy ireo fiteny slava.

Ny vondrom-piteny keltika

Ny vondrom-piteny keltika na seltika dia misampana roa, ka ahitana ireo fiteny keltika an-tanibe sy ireo fiteny keltika a-nosy (ireo fiteny gaelika sy ireo fiteny britônika).

  • Fiteny keltika an-tanibe: fiteny gaoloà, fiteny lepôntika, fiteny keltibera, fiteny galatiana (na galata), fiteny norika,
  • Fiteny gaelika: fiteny ekôsey, fiteny irlandey, fiteny gaelga),
  • Fiteny britônika: fiteny galoà na kimrika, fiteny kôrnika, fiteny bretôna, fiteny kambriana ary fiteny pikta.

Ny vondrom-piteny jermanika

Ny vondrom-piteny jermanika dia misampana telo, ka ahitana ireo fiteny jermanika atsinanana (fiteny maty) sy ireo fiteny jermanika avaratra ary ireo fiteny jermanika andrefana.

Ny vondrom-piteny helenika

Ny vondrom-piteny helenika dia ahitana ny fiteny mikeniana, ny fiteny arkadiana, ny fiteny kipriôta, ny fiteny pamfiliana, ny fiteny grika taloha, ny fiteny grika kôine, ny fiteny grika vaovao, ny fiteny iôniana, ny fiteny beôtiana, ny fiteny lesbiana, ny fiteny tesaliana, ny fiteny makedôniana taloha, ny fiteny dôriana, ny fiteny eleana, ny fiteny etôliana, ny fiteny lôkriana ary ny fiteny fôkidiana.

Ny vondrom-piteny indô-iraniana

Ny vondrom-piteny indô-iraniana dia ahitana ireo fiteny iraniana (na iranika) sy ireo fiteny indô-ariana ary ny fiteny noristany.

Ny vondrom-piteny italika

Mizara ho sampana telo ny vondrom-piteny italika, dia ireo fiteny latiniana (na latinô-faliska) sy ireo fiteny ôsko-ômbriana.

Ny fiteny albaney sy ny fiteny armeniana

Fiteny manirery ny fiteny albaney sy ny fiteny armeniana.ao amin' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeanina.

Jereo koa

Fianakaviam-piteny lehibe

Vondrom-pianakaviam-piteny

Tags:

Fiteny Indô-Eorôpeanina Vondrona ao amin ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeanaFiteny Indô-Eorôpeanina Jereo koaFiteny Indô-EorôpeaninaEorôpaFianakaviam-pitenyFiteny albaneyFiteny anatôlianaFiteny armenianaFiteny baltô-slavaFiteny helenikaFiteny hititaFiteny indo-iranianaFiteny italikaFiteny jermanikaFiteny keltikaFiteny rômanaFiteny tôkarianaIndiaIràna

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Wellington PointFacebookLalan-jazaMpampiankin-tenyBoky faharoan' i HenôkaMenakaBokin' i AmôsaWikimaniaFahefana mpanatanterakaAbidy araboTokantranoBokin' ny MakabeoTovona (fitsipiteny)AmbohimahasoaSakramenta ao amin' ny fiangonana katôlikaSiansaFahaterahanaKabary am-panambadianaAostraliaFaritra DianaRirininaBetsileoAntsirananaFiteny javaneyKanada1167EtazoniaMichael JacksonEndrika araka anjara asaFiadiana ny tompondaka eran-tany ho an’ny kitra 2014Vintana (finoan-drazana malagasy)TantaraAkohoFiangonana Malagasy Tranozozoro AntranobirikyWikiFanatontoloanaFahafatesanaRakibolanaBokin' i IsaiaFaritra eto MadagasikaraMandravasarotraAlemainaAmbiroaApôkalipsin' i Pseodô-MetôdiôsyArdeshir IraniMetôdiôsy avy any ÔlimpôsyArintany mahazatraKristianismaFitsarana faranyFifohazana (kristianisma malagasy)VaryLisitry ny gazety ao MadagasikaraFiteny antemoroRajoelina AndryRepoblika Demokratika MalagasyHypertext Markup LanguageFandikan-tenyFanalan-jazaAndriantompokoindrindra (foko)SôlômônaFiteny kôreaninaFiteny tsovasa1971Tany lemakaAurangzebRadama VoalohanyMumbaiBritaina LehibeBayer 04 LeverkusenBiôgrafiaGovernemantaSilamoAndriamasinavalonaBaiboly katôlika🡆 More